Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 18

Avy Aiza ny Vola Ampiasaintsika?

Avy Aiza ny Vola Ampiasaintsika?

INONA NO HORESAHINA ATO?

Inona no ataon’ny vahoakan’i Jehovah mba hanohanana an’ilay Fanjakana, ary nahoana?

1, 2. a) Inona no nolazain’i Russell tamin’ilay pasiteran’ny Fiangonana Nohavaozina? b) Inona no ho hitantsika ato?

 NISY pasiteran’ny Fiangonana Nohavaozina nanontany an’ny Rahalahy Russell hoe aiza no ahitan’ny Mpianatra ny Baiboly vola ampiasaina.

 Hoy i Russell: “Izahay aloha tsy mitanty rakitra mihitsy e!”

 Dia hoy ilay pasitera: “Dia ahoana izany no ahazoanareo vola?”

 Hoy i Russell: ‘Tsy hino ianao raha lazaiko anao ny marina. Tsy mitanty rakitra mihitsy izahay, fa rehefa misy olona tonga mivavaka ao aminay, dia ilay olona no tonga saina hoe: “Lany vola izao ry zareo tamin’ity trano ity. Aleo aho mba hanome kely e!” ’

 Tsy nino an’i Russell ilay pasitera.

 Hoy ihany i Russell: “Marina izany ka! Ny olona mihitsy no miteny hoe: ‘Aleo aho mba hanome vola kely ho anareo.’ Ny olona ange rehefa tahin’ny Tompo, ka mba manam-bola kely, dia tiany homena ny Tompo ilay izy e! Fa raha tsy manana moa izy, hoterena hanome ve?” a

2 Marina ny tenin’i Russell. Tsy terena ny vahoakan’i Jehovah fa tonga dia manome vola na zavatra hanohanana ny fivavahana marina, na taloha izany na ankehitriny. Izany no ho hitantsika ato amin’ity toko ity. Rehefa mamaky azy ity ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Inona no azoko omena mba hanohanana an’ilay Fanjakana?’

‘Nitondra fanomezana ny olona rehetra natosiky ny fony’

3, 4. a) Inona no atokisan’i Jehovah? b) Inona no nataon’ny Israelita rehefa nasain’i Jehovah nanamboatra tranolay?

3 Matoky i Jehovah fa rehefa asainy manome zavatra ny vahoakany, dia tonga dia manaiky sady faly manome an’ilay izy. Misy tantara roa ahitana an’izany ao amin’ny Baiboly.

4 Nasain’i Jehovah nanao tranolay hivavahana aminy ny Israelita, rehefa avy nafahany tany Ejipta. Be dia be ny zavatra nilaina hanaovana an’ilay izy sy ny entana ao anatiny. Nasain’i Jehovah niteny tamin’ny Israelita àry i Mosesy hoe: ‘Aoka hitondra fanomezana ho an’i Jehovah ny olona rehetra atosiky ny fony.’ (Eks. 35:5) Inona no nataon’ny Israelita? Vao avy nijaly be ry zareo satria nandevozin’ny Ejipsianina. (Eks. 1:14) Tonga dia nanome izay azony nomena anefa ry zareo. Foiny hatramin’ny volamenany sy ny volafotsiny ary ny zava-tsarobidy hafa nananany. Azo antoka fa vao nomen’ny Ejipsianina azy ny ankamaroan’ireo. (Eks. 12:35, 36) Be lavitra noho izay nilaina no nomen’ny Israelita, ka tsy maintsy “nosakanana tsy hanatitra intsony” ry zareo.—Eks. 36:4-7.

5. Inona no nataon’ny Israelita rehefa nasaina nanome zavatra hanamboarana ny tempoly?

5 Nanome tamin’ny ‘fananany’ koa i Davida, 475 taona teo ho eo tatỳ aoriana, mba hanorenana ny tempoly. Io no trano voalohany natao hivavahana tamin’i Jehovah. Nasain’i Davida nanome zavatra koa ny Israelita tamin’izay. Hoy izy: “Iza no vonona hanao fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah anio?” Vonona hanome daholo ny Israelita, ary nanao izany “tamin’ny fony manontolo.” (1 Tan. 29:3-9) Nidera an’i Jehovah i Davida avy eo, satria fantany hoe avy amin’i Jehovah ihany ny zavatra nomen-dry zareo azy. Hoy izy: “Avy aminao ny zava-drehetra ary ny avy amin’ny tananao ihany no nanomezanay anao.”—1 Tan. 29:14.

6. Nahoana no ilana vola ny asa asain’ilay Fanjakana ataontsika, ary inona ny fanontaniana hodinihintsika?

6 Samy tsy nanery ny vahoakan’Andriamanitra hanome, na i Mosesy na Davida, fa izy ireo no nanome tamin’ny fony manontolo. Ary isika? Fantatsika fa ilana vola ny asa asain’ilay Fanjakana ataontsika. Mila vola be, ohatra, isika mba hanamboarana sy handefasana boky sy gazety ary Baiboly eran-tany, hanorenana sy hikojakojana Efitrano Fanjakana sy Betela, ary hanampiana an’izay mpiray finoana tra-boina. Ahoana àry no ahazoana vola hanaovana an’ireo rehetra ireo? Mila terena ve isika vao manome?

‘Tsy hangataka na hiangavy olona hanohana azy izy’

7, 8. Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no tsy mangata-bola?

7 Tsy nety nanao zavatra hitadiavam-bola toy ny fanaon’ny fivavahana hafa i Russell sy ny Mpianatra ny Baiboly. Hoy izy tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aogositra 1879, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Mila ‘Tilikambo Fiambenan’i Ziona’ ve ianao?”: “I JEHOVAH no mpanohana ‘Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona’, ary tsy hangataka na hiangavy olona hanohana azy mihitsy izy. Efa nilaza izy hoe: ‘Ahy ny volamena sy volafotsy eny an-tendrombohitra.’ Rehefa tsy manome vola intsony izy vao tsy hamoaka an’ity gazety ity intsony izahay.” (Hag. 2:7-9) Efa 130 taona mahery izay no lasa, fa mbola manam-bola hamoahana Ny Tilikambo Fiambenana ny fandaminana, sady mbola matanjaka.

8 Tsy mangata-bola àry isika, na mitanty rakitra, na manery ny olona ao amintsika handoa adidy, na manao voka-dehibe. Tsy manao rindran-kira na varotra hahazoam-bola koa isika. Mitovy hevitra amin’ny Mpianatra ny Baiboly taloha isika. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izany: ‘Tsy mety mihitsy, araka ny hevitray, ny mangata-bola mba hanaovana ny asan’ny Tompo, na dia manao an’izany daholo aza ny fivavahana hafa. Mitady fomba isan-karazany hahazoam-bola amin’ny anaran’ny Tompo ry zareo. Manafintohina izany aminay. Tsy tian’ny Tompo izany, ka tsy hotahiny mihitsy izay manome an’ilay vola, ary tsy hahomby izay zavatra ampiasana an’ilay izy.’ b

‘Samia manao araka izay fanapahan-keviny ao am-pony’

9, 10. Inona no antony iray mahatonga antsika hanome?

9 Tsy mila terena ny vahoakan’ilay Fanjakana, fa tonga dia faly manome vola na zavatra hanohanana azy io. Nahoana? Ireto misy antony telo:

10 Voalohany, tia an’i Jehovah isika, ka te ‘hanao izay ankasitrahana eo imasony.’ (1 Jaona 3:22) Faly i Jehovah rehefa manome amin’ny fony manontolo ny mpanompony. Izany no resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 9:7. (Vakio.) Tsy kahihitra ny tena Kristianina na hoe terena vao manome. Manome kosa izy satria izay no “fanapahan-keviny tao am-pony.” c Inona no dikan’izany? Manome izy rehefa avy nahita hoe inona no ilana vola ary inona no azony atao. Tian’i Jehovah ny olona toy izany, satria tia manome sady ‘manome amim-pifaliana.’

Tia manome hatramin’ny ankizikely (any Mozambika)

11. Nahoana isika no manome an’i Jehovah izay tsara indrindra ananantsika?

11 Faharoa, manome vola na zavatra ho an’i Jehovah isika mba hisaorana azy noho ny fitahiana be dia be nomeny. Diniho, ohatra, ny lalàna iray nomeny ny Israelita. (Vakio ny Deoteronomia 16:16, 17.) Nisy fety telo nasaina novonjen’ny lehilahy israelita isan-taona, ary nasaina nitondra fanomezana ho an’i Jehovah izy ireo rehefa nankany. Nilaza i Jehovah hoe tokony ho ‘arakaraka ny habetsahan’ny fitahiana nomeny azy ireo ny fanomezana hoentiny.’ Tsy maintsy nisaintsaina àry ny lehilahy tsirairay hoe inona avy ny fitahiana nomen’i Jehovah azy, ary nandinika hoe inona ny zavatra tsara indrindra azony omena an’i Jehovah. Toy izany koa isika. Rehefa misaintsaina ny zava-drehetra omen’i Jehovah antsika isika, dia lasa te hanome azy izay tsara indrindra ananantsika sy izay vokatry ny fontsika. Arakaraka izay omentsika no ahitana raha tena nahafaly antsika na tsia ny fitahiana nomeny antsika.—2 Kor. 8:12-15.

12, 13. a) Nahoana no hoe tia an’i Jesosy isika raha manao fanomezana? b) Ohatrinona no tokony homentsika?

12 Fahatelo, manome isika satria tia an’i Jesosy Kristy Mpanjaka. Nilaza izy talohan’ny nahafatesany hoe: “Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy.” (Vakio ny Jaona 14:23.) Anisan’ny ‘tenin’i Jesosy’ ilay hoe tokony hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eran-tany isika. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Manao izay rehetra azontsika atao àry isika mba hanohanana an’io asa io. Mandeha mitory, ohatra, isika nefa koa manome vola hanaovana izany. Asehontsika amin’izany fa tiantsika ilay Mesia Mpanjaka.

13 Te hanohana an’ilay Fanjakana àry isika, ka manome vola hamitana an’izay zava-drehetra asain’izy io atao. Ohatrinona anefa no tokony homentsika? Ny tsirairay no mahita izay mety aminy, fa izay be indrindra azony omena no omeny. Ahoana anefa raha tsy dia manam-bola isika? Vitsy ihany mantsy ny mpanompon’i Jehovah manankarena. (Mat. 19:23, 24; Jak. 2:5) Tadidio fa mahafaly an’i Jehovah sy Jesosy foana izay omentsika, raha tena vokatry ny fo.—Mar. 12:41-44.

Ahoana no hatao raha te hanao fanomezana?

14. Ahoana no nataontsika taloha, rehefa nizara boky sy gazety?

14 Tsy nozaraina maimaim-poana taloha ny boky sy gazetintsika, fa nasaina nandray anjara tamin’ny vola lany tamin’ilay izy izay olona te hanana azy. Notenenina taminy hoe ohatrinona no azony omena, saingy natao faran’izay kely izany, amin’izay afaka mahazo boky daholo, na ny mahantra aza. Raha tsy nanam-bola anefa ilay olona, dia nomen’ilay mpitory azy ihany ilay izy, raha hita hoe te hamaky izy. Tiantsika handray soa amin’ny bokintsika mantsy ny olona.

15, 16. a) Inona ny fanovana nataon’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1990? b) Aiza no arotsaka ny fanomezana? (Jereo koa ilay hoe “ Inona avy no Ampiasana ny Vola Omentsika?”)

15 Nanapa-kevitra anefa ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1990 hoe ny olona no avela hanome izay foiny raha te hanome izy. Tany Etazonia izany no natomboka. Izao ny taratasy nalefa ho an’ny fiangonana tany: ‘Hozaraina maimaim-poana amin’ny mpitory sy ny olona itoriana ny boky sy gazety manomboka izao. Tsy asaina mandoa vola intsony izy ireo, na ampirisihina an-kolaka hanao izany. Mbola afaka manome vola hanohanana ny asa fitoriana ihany izay te hanome. Hahazo boky sy gazety foana anefa izy, na manome vola na tsia.’ Lasa nazava tamin’ny olona àry hoe tsy ny hangata-bola no tanjontsika, fa ny hanampy ny olona hahalala izay tena lazain’ny Baiboly. Lasa nazava koa fa tsy “mivarotra ny tenin’Andriamanitra” isika. (2 Kor. 2:17) Nampiharina eran-tany ilay fanovana, tatỳ aoriana.

16 Ary aiza no arotsaka izay vola tiana homena? Efa misy boaty fasiana an’izany ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ary eo amin’ny toerana tsy dia talaky maso no misy azy mba tsy ho hita be izay omen’ilay olona. Tonga dia azo alefa any amin’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa anefa ilay vola. Misy fanazavana momba ny fanomezana azontsika atao ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, isan-taona.

Inona avy no ampiasana an’izay vola azo?

17-19. Nahoana ny fanomezana omentsika no ilaina mba a) hamitana ny asa fitoriana eran-tany, b) hanorenana Efitrano Fanjakana eran-tany, ary d) hampiasain’ny fiangonana?

17 Hamitana ny asa fitoriana eran-tany. Zavatra maromaro no ataontsika mba hahavitana tsara an’io asa io, ary ilana vola daholo izy rehetra. Mamokatra boky sy gazety, ohatra, isika ary mizara izany eran-tany. Manorina sy mikojakoja Betela koa isika, mandamina sekoly ara-baiboly isan-karazany, manampy ny misionera sy ny mpiandraikitra mpitety faritany ary ny mpisava lalana manokana, ary manampy an’izay mpiray finoana tra-boina. d

18 Hanorenana Efitrano Fanjakana eran-tany. Misy fiangonana mila manorina na manavao efitrano, ka omena vola hanaovana izany. Rehefa mahangona vola fanomezana indray ny fandaminana aorian’izay, dia manampy fiangonana hafa hanorina na hanavao ny efitranony. e

19 Hampiasain’ny fiangonana. Natao hividianana an’izay zavatra ilaina ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy ikojakojana azy io ny vola sasany azon’ny fiangonana. Mandefa vola any amin’ny sampana koa ny fiangonana, mba hampiasaina amin’ny asa fitoriana maneran-tany. Ny anti-panahy aloha no miara-midinika hoe ohatrinona no halefa. Anontaniana avy eo ny hevitry ny fiangonana, izay vao alefa ilay vola. Manao tatitra momba ny volan’ny fiangonana ny mpikarakara ny kaonty, isam-bolana. Vakina amin’ny fiangonana ilay tatitra avy eo.

20. Inona avy ny “zava-tsarobidy” ananantsika, ary ahoana no azontsika ampiasana izany?

20 Zavatra be dia be tokoa no mila atao mba hamitana ny fitoriana sy fampianarana eran-tany. Rehefa mandinika an’izany isika, dia lasa te hanome “zava-tsarobidy” hanaovana an’ireo. (Ohab. 3:9, 10) Anisan’izany zava-tsarobidy izany ny herintsika sy ny fahaizantsika ary izay tombontsoa omen’i Jehovah antsika. Tiantsika hampiasaina araka izay azontsika atao ireo, mba hanaovana ny asa asain’ilay Fanjakana ataontsika. Mbola misy zava-tsarobidy hafa ananantsika anefa. Tsy inona izany fa ny vola aman-karena. Enga anie isika hanome izay azontsika omena, isaky ny afaka manao izany. Manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’izay, sady manohana ny Fanjakan’ny Mesia.

a Tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1915, pejy 218-219.

b Tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1899, pejy 201.

c Nisy manam-pahaizana nilaza fa ilay teny grika nadika hoe ‘fanapahan-kevitra’, dia midika hoe zavatra efa noeritreretina mialoha. Nanazava izy hoe: “Tsy hoe rehefa taitaitra ilay olona vao manome, fa efa nanapa-kevitra mialoha izy hoe hanome, ary vokatry ny fony ilay izy.”—1 Kor. 16:2.

d Hazavaina ao amin’ny Toko 20 hoe nahoana isika no manampy ny mpiray finoana tra-boina.

e Hazavaina ao amin’ny Toko 19 hoe nahoana isika no manorina Efitrano Fanjakana.