Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 19

Trano Manome Voninahitra An’i Jehovah

Trano Manome Voninahitra An’i Jehovah

INONA NO HORESAHINA ATO?

Nahoana isika no manorina Efitrano Fanjakana sy Betela eran-tany?

1, 2. a) Inona no nataon’ny vahoakan’i Jehovah efa hatramin’ny ela, ka nahafaly azy ireo? b) Inona no tena mahafaly an’i Jehovah?

 EFA ela ny vahoakan’i Jehovah no faly be rehefa hanao trano hivavahana aminy. Nazoto erỳ, ohatra, ny Israelita rehefa nasaina nanorina ny tranolay masina, ary nanome zavatra be dia be hanaovana azy io. (Eks. 35:30-35; 36:1, 4-7) Nahazo voninahitra i Jehovah rehefa vita ilay trano.

2 Tsy ny zavatra nomen’ny Israelita hanaovana an’ilay trano anefa no tena nanome voninahitra an’i Jehovah sy tena nahafaly azy. (Mat. 23:16, 17) Faly be kosa izy rehefa terem-panahy hanompo azy ny vahoakany, sady mazoto manao izany. (Eks. 35:21; Mar. 12:41-44; 1 Tim. 6:17-19) Tena mampahery izany. Nahoana? Efa tsy misy intsony izao ny tranolay sy ny tempoly, nefa mbola tsy hadinon’i Jehovah mihitsy hoe nahafoy zavatra be dia be ny vahoakany sady niasa mafy mba hanaovana azy ireny.—Vakio ny 1 Korintianina 15:58; Hebreo 6:10.

3. Inona no ho hitantsika ato amin’ity toko ity?

3 Mazoto manao trano hivavahana amin’i Jehovah koa ny vahoakany ankehitriny. Ampian’i Jesosy Kristy Mpanjaka izy ireo, ka mahavita zavatra miavaka. Hita koa hoe mitahy azy ireo i Jehovah. (Sal. 127:1) Ho hitantsika ato amin’ity toko ity hoe firy ny trano efa vitan’izy ireo, nahoana izany no manome voninahitra an’i Jehovah, ary inona no nolazain’ny rahalahy sy anabavy sasany nanao an’ireny trano ireny.

Nahoana isika no manorina Efitrano Fanjakana?

4. a) Nahoana isika no mila manorina trano hivoriana betsaka kokoa? b) Nahoana no nisy biraon’ny sampana maromaro natambatra? (Jereo ilay hoe “ Nahoana no Nahena ny Isan’ny Betela Eran-tany?”)

4 Hitantsika tao amin’ny Toko 16 fa asain’i Jehovah miara-mivory isika mba hivavaka aminy. (Heb. 10:25) Lasa matanjaka ny finoantsika rehefa mivory isika. Lasa mazoto mitory koa isika. Efa akaiky mantsy ny farany, ka asain’i Jehovah vitaina haingana io asa io. Inona no vokatr’izany? Olona ana hetsiny isan-taona no lasa vahoakan’i Jehovah. (Isaia 60:22) Mila manao trano maro kokoa àry isika, mba hivorian’izy ireo sy hanaovana pirinty boky sy gazety hampiasainy.

5. Nahoana no mety tsara raha antsoina hoe Efitrano Fanjakana ny trano fivoriantsika? (Jereo koa ilay hoe “ Eglizy Fahazavana Vaovao.”)

5 Vao nisy kelikely ny Mpianatra ny Baiboly, dia efa nahita hoe tokony hanana toerana hivoriana izy ireo. Nanao trano tany Virginie Andrefana, any Etazonia, àry izy ireo tamin’ny 1890. Anisan’ny trano fivoriana voalohany naorintsika angamba izy io. Lasa nanana trano fivoriana maromaro isika, taoriana kelin’ny 1930, ka ny sasany naorintsika ary ny sasany trano nohavaozina. Mbola tsy nisy anarana anefa izy ireny, raha tsy tamin’ny 1935. Nitsidika an’i Hawaii ny Rahalahy Rutherford tamin’izay. Nisy Betela vao naorina tany, ary nisy trano fivoriana natao koa teo akaikiny. Nisy nanontany i Rutherford hoe ahoana no hiantsoana an’ilay trano fivoriana. Namaly izy hoe: “Maninona raha atao hoe ‘Efitrano Fanjakana’? Isika tsinona mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.” (Mat. 24:14) Lasa io àry no niantsoana ny ankamaroan’ny trano fivoriantsika maneran-tany.

6, 7. Inona no vokany rehefa nahita hevitra isika hoe hamita Efitrano Fanjakana ao anatin’ny andro vitsivitsy?

6 Lasa be dia be ny Efitrano Fanjakana nilaina, taorian’ny 1970. Nitady hevitra àry ireo rahalahy tany Etazonia, ka nahita fomba hamitana trano ao anatin’ny andro vitsivitsy, nefa tsara tarehy sady vita tsara ilay trano. Efitrano 200 teo ho eo no vitan’izy ireo tany Etazonia sy Kanada, tamin’ny 1983. Namorona komity hanara-maso an’ilay asa koa ry zareo. Hita hoe nety izany, ka neken’ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1986. Lasa nisy 60 tamin’ilay komity àry tany Etazonia, tamin’ny 1987, ary Komitim-paritra Momba ny Fanorenana no anarany. a Lasa nisy an’ilay komity koa tany Afrika Atsimo, Alemaina, Aostralia, Arzantina, Espaina, Frantsa, Japon, ary Meksika, tamin’ny 1992. Miasa mafy ny mpanorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe. Asa masina koa no ataon’izy ireny, ka tokony hanohana sy hanampy azy isika.

7 Vetivety dia vita ny Efitrano Fanjakana amboarintsika, ka matetika no gaga ny olona. Nisy efitrano naorina, ohatra, tany Martos, any Espaina, ary niresaka an’izany ny gazety iray. Izao no matoan-dahatsoratra teo amin’ilay izy: “Mahafindra Tendrombohitra ny Finoana.” Hoy ilay gazety: “Tia tena be izao ny olona. Mahagaga anefa fa nisy olona be dia be avy any an-toeran-kafa [eto Espaina], tonga tatỳ Martos mba hanao trano maimaim-poana. Vitany haingana be koa ilay trano nefa tsy misy hokianina. Nilamina tsara koa ry zareo rehefa niasa. Mbola tsy nisy nahavita hoatr’izany mihitsy! Fa ahoana no nahatonga an’izany?” Nitantara ilay gazety hoe nanontany rahalahy iray niasa teo amin’ilay toerana ry zareo, ka hoy ny navaliny: “Satria izahay ampianarin’i Jehovah hanao zavatra tsara.”

Atỳ amin’ny tany mahantra

8. Inona no nataon’ny Filan-kevi-pitantanana nanomboka tamin’ny 1999, ary nahoana?

8 Lasa nitombo be ny vahoakan’i Jehovah tatỳ amin’ny tany mahantra, taloha kelin’ny taona 2000. Niezaka nanorina Efitrano Fanjakana àry ry zareo. Naneso sy nanambany azy ireo anefa ny olona satria tsotsotra ny efitrano sasany nataon’izy ireo, fa tsy mba hoatran’ny an’ny fivavahana hafa. Nataon’ny Filan-kevi-pitantanana àry izay hanampiana ny fiangonana atỳ amin’ny tany mahantra hahazo efitrano haingana, nanomboka tamin’ny 1999. Ny vola nomen’ny fiangonana tany amin’ny tany mandroso no nakana, mba hanorenana efitrano ho azy ireo. Hisy “fitoviana” amin’izay eo amin’ny fiangonana eran-tany. (Vakio ny 2 Korintianina 8:13-15.) Nisy rahalahy sy anabavy avy any an-tany hafa koa nanolo-tena hanampy azy ireo hanorina an’ilay izy.

9. Inona ilay asa sarotra nila natao, ary inona no vokany?

9 Hoatran’ny tsy ho vita ilay asa tamin’ny voalohany. Efitrano Fanjakana 18 300 mahery mantsy, tamin’ny 2001, no nilaina tany amin’ny tany mahantra miisa 88. Nomen’i Jehovah fanahy masina anefa isika sady nampian’i Jesosy Kristy Mpanjaka, ka nahavariana ny zava-bitantsika. (Mat. 19:26) Efitrano 26 849 no vita tao anatin’ny 15 taona teo ho eo, nanomboka tamin’ny 1999 ka hatramin’ny 2013. b Mbola mitaona olona be dia be ho lasa vahoakany anefa i Jehovah, ka efitrano 6 500 teo ho eo indray no nilaina tamin’ny 2013. An-jatony koa no mbola ilaina isan-taona.

Tsy mora ny manorina Efitrano Fanjakana atỳ amin’ny tany mahantra

10-12. Nahoana no manome voninahitra an’i Jehovah ny Efitrano Fanjakana?

10 Manome voninahitra an’i Jehovah ireny trano ireny. Nilaza, ohatra, ny sampan’i Zimbabwe hoe: “Lasa avo roa heny matetika ny isan’ny mpanatrika, vao vita iray volana fotsiny ny Efitrano Fanjakana.” Hoatran’ny tsy mazoto hivory mantsy ny olona any amin’ny tany maro, raha vao trano tsotsotra loatra ilay ivoriana. Vao mahavita Efitrano Fanjakana anefa isika, dia feno ilay izy ka mila manao hafa indray. Tsy ny paozin’ilay efitrano ihany no manintona ny olona, fa ny toetran’ireo rahalahy sy anabavy nanorina azy io koa. Hitany fa tena mifankatia ry zareo, ka lasa miova ny fiheverany ny Vavolombelon’i Jehovah. Diniho ange ireto e!

11 Indonezia: Nisy efitrano naorina tany, ary nandinika an’ireo Vavolombelona nanao an’ilay izy ny lehilahy iray. Gaga be izy hoe niasa an-tsitrapo daholo ry zareo. Hoy izy: “Miaiky anareo aho! Tsy mikarama ianareo nefa falifaly daholo sady mazoto miasa. Tsy misy fivavahana hoatr’anareo mihitsy!”

12 Ukraine: Nisy vehivavy iray nandalo isan’andro teo amin’ny Efitrano Fanjakana iray vao aorina. Azoazony an-tsaina hoe hatao Efitrano Fanjakana ilay trano, ary Vavolombelon’i Jehovah no manao azy. Hoy izy tamin-dry zareo: “Vavolombelon’i Jehovah ny zandriko vavy, dia izy no nahalalako momba anareo. Mijery anareo manao an’ity eto foana aho, dia miaiky hoe tena mifankatia ianareo. Mba tiako koa raha lasa Vavolombelon’i Jehovah aho.” Nianatra Baiboly àry izy, ary natao batisa tamin’ny 2010.

13, 14. a) Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’ilay mpivady tany Arzantina? b) Inona no azonao atao mba hanome voninahitra an’i Jehovah ny efitrano ivorianareo?

13 Arzantina: Nisy mpivady nankany amin’ny Efitrano Fanjakana iray vao aorina, ary nanatona ny rahalahy nanara-maso an’ilay izy. Hoy ilay rangahy: ‘Mandinika anareo foana izahay, dia tapa-kevitra hoe aleo izahay ato no hivavaka fa mba tena te hahalala an’Andriamanitra. Inona kay no tokony hataonay?’ Nasaina hianatra Baiboly àry izy mivady. Nilaza ry zareo hoe hianatra raha hampianarina koa ny zanany. Mazava ho azy fa nanaiky hampianatra azy mianakavy ny mpitory tao amin’ilay fiangonana.

14 Tsy teo angamba ianao rehefa naorina ny efitrano ivorianareo, ka tsy mba afaka nanampy nanorina azy io. Be dia be anefa ny zavatra azonao atao mba hanome voninahitra an’i Jehovah ilay izy. Mazotoa manasa olona hivory ao, na ny olona ampianarinao Baiboly izany, na ny olona tsidihinao, na ny olon-kafa. Mandraisa anjara rehefa diovina ilay efitrano, na rehefa misy zavatra mila amboarina ao. Azonao atao foana koa ny manokana vola hatao fanomezana hikojakojana an’ilay efitrano sy hanorenana efitrano hafa. (Vakio ny 1 Korintianina 16:2.) Hahazo voninahitra i Jehovah, raha manao an’ireo ianao.

“Hanolo-tena an-tsitrapo” izy ireo

15-17. a) Iza no tena manao ny asa rehefa manorina efitrano na Betela? b) Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Timo sy Lina ary Darren sy Sarah?

15 Rehefa misy Efitrano Fanjakana na Efitrano Fivoriambe na Betela aorina ao amin’ny tany iray, dia ny rahalahy sy anabavy ao no tena manao an’ilay asa. Tsy miasa irery anefa ry zareo matetika, fa misy rahalahy sy anabavy efa manana traikefa amin’ny resaka trano tonga avy any an-tany hafa mba hanampy azy ireo. Mpanao fanorenana iraisam-pirenena no iantsoana an’ireny rahalahy sy anabavy ireny. Efa nandamina tsara ny fiainany izy ireny mba ho afaka handeha any an-tany hafa. Misy mijanona any herinandro vitsivitsy. Ny hafa indray an-taonany maro mihitsy, ary mifindrafindra any amin’izay tany anirahana azy.

Timo sy Lina Lappalainen (Jereo ny fehintsoratra 16)

16 Tsy mora ny fiainan’ny mpanao fanorenana iraisam-pirenena, nefa mahafinaritra. Efa nanorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary Betela tany Amerika Atsimo sy Azia ary Eoropa, ohatra, i Timo sy Lina. Efa 25 taona izy roa no nivady. Hoy i Timo: “Niova isaky ny roa taona teo ho eo ny tany nanendrena ahy, tato anatin’ny 30 taona.” Hoy i Lina: “Tany folo izay no efa nandehanako niaraka tamin’i Timo. Miova isaky izay tany aleha ny sakafo, toetany, fiteny, faritany itoriana, ary ny namana. Ela be izahay vao zatra sady mafy be ilay izy.” c Nisy soa azon’izy ireo anefa. Hoy i Lina: “Notahin’i Jehovah izahay sady mbola tsy nisy fitahiana tsara hoatr’izany. Hitanay, ohatra, hoe tena tia anay ny mpiara-manompo sady nandray tsara anay. Nikarakara anay foana koa i Jehovah. Nahazo avo zato heny koa izahay satria lasa nanana reny, dia anadahy, dia rahavavy be dia be, araka ilay nampanantenain’i Jesosy ao amin’ny Marka 10:29, 30.” Hoy koa i Timo: “Tianay be mihitsy ny asanay. Ampiasainay hampitomboana ny fananan’ilay Mpanjakanay mantsy ny zavatra hainay. Tsisy asa ambony noho izany.”

17 Mpanao fanorenana iraisam-pirenena koa i Darren sy Sarah, ka efa tany Afrika, Amerika Afovoany, Amerika Atsimo, Azia, Eoropa, ary Pasifika Atsimo. Tsy mora ny fiainan’izy ireo, nefa mahazo fitahiana be dia be ry zareo. Hoy i Darren: “Mahafinaritra be ny miara-miasa amin’ny rahalahy any amin’ny tany samihafa. Hita hoe tia an’i Jehovah daholo isika, dia izay no mampiray saina antsika. Hoatran’ny kofehy mampifamatotra antsika rehetra ilay izy.” Hoy i Sarah: “Mifanerasera amin’ny ranadahy sy rahavavy samy hafa fiaviana izahay, dia lasa miana-javatra be dia be aho. Vao mainka aho te hanao izay tsara indrindra vitako, rehefa mahita hoe mahafoy zavatra be dia be ry zareo mba hanompoana an’i Jehovah.”

18. Inona ny porofo fa tanteraka izao ny Salamo 110:1-3?

18 Manana olana indraindray ny vahoakan’ilay Fanjakana. Efa nilaza anefa i Davida Mpanjaka fa “hanolo-tena an-tsitrapo” izy ireo. (Vakio ny Salamo 110:1-3.) Izany mihitsy izao no mitranga. Miasa mafy isika rehetra mba hanohanana an’ilay Fanjakana. (1 Kor. 3:9) Efa nahavita nanorina Betela be dia be sy Efitrano Fivoriambe an-jatony ary Efitrano Fanjakana an’aliny, ohatra, isika. Hita mihitsy hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra sady efa mitondra. Ilay Mpanjakan’izy io mantsy no maniraka antsika hanao an’ireny, ka faly isika mankatò azy. Manome voninahitra an’i Jehovah koa ny zava-bitantsika, ary tena mendrika an’izany izy.

a Niisa 132 ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana tany Etazonia, tamin’ny 2013, ary rahalahy sy anabavy 230 000 mahery no voatendry hiara-miasa tamin’ireo. Efitrano Fanjakana 75 eo ho eo isan-taona no vita any Etazonia, ary ireo komity ireo no manara-maso izany. Efitrano 900 eo ho eo koa no havaozina na amboarina.

b Ny isan’ny Efitrano Fanjakana vita tany amin’ny tany mahantra ihany io, fa be dia be koa ny efitrano natao tany amin’ny tany manankarena.

c Marina fa manorina trano no tena ataon’ny mpanompo iraisam-pirenena sy ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena, any amin’izay tany andefasana azy. Miara-mitory amin’ny fiangonana ao amin’ilay tany koa anefa ry zareo rehefa hariva na faran’ny herinandro.