Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 21

Handringana ny Fahavalony Ilay Fanjakana

Handringana ny Fahavalony Ilay Fanjakana

INONA NO HORESAHINA ATO?

Inona no hitranga aloha kelin’ny Hara-magedona?

1, 2. a) Inona ny porofo fa efa manjaka ilay Mpanjakantsika nanomboka tamin’ny 1914? b) Inona no hojerentsika ato?

 HITANTSIKA tany aloha fa efa nahavita zavatra be dia be ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia nanana fahavalo aza. (Sal. 110:2) Nahangona olona be dia be hitory ny vaovao tsara, ohatra, izy io, nanadio ny vahoakany teo amin’ny lafiny ara-panahy, ary nanampy azy ireo hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Nahavita nampiray saina ny vahoakany eran-tany koa izy io, na dia niezaka nampizarazara azy ireo aza ny fahavalony. Tena mampahery izany! Porofo ireny rehetra ireny fa efa manjaka ilay Mpanjakantsika, nanomboka tamin’ny 1914.

2 Mbola hanao zavatra miavaka io Fanjakana io tsy ho ela. Ho “tonga” ‘hanorotoro sy hanafoana’ ny fahavalony izy io. (Mat. 6:10; Dan. 2:44) Mbola hisy zavatra hafa hitranga anefa alohan’izay, ary misy faminaniana maromaro miresaka an’izany ao amin’ny Baiboly. Aleo hojerentsika ny sasany.

Aloha kelin’ilay “fandringanana tampoka”

3. Inona ny zavatra voalohany hitranga atsy ho atsy?

3 Hisy hiteny hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!” Io no hitranga voalohany atsy ho atsy, rehefa jerena ny 1 Tesalonianina 5:2, 3. (Vakio.) Nilaza i Paoly ao fa ho avy ny “andron’i Jehovah.” Hanomboka izy io rehefa hisy hanafika i “Babylona Lehibe.” (Apok. 17:5) Alohan’izay anefa, dia hiteny ireo firenena hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!” Mety ho indray mandeha fotsiny izy ireo no hiteny an’io na imbetsaka. Tsy ireo firenena ihany anefa no hiteny an’izany, fa mety ho ny mpitondra fivavahana koa. (Jer. 6:14; 23:16, 17; Apok. 17:1, 2) Anisan’ity tontolo ity koa mantsy izy ireo. Rehefa misy miteny àry hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!”, dia midika izany fa efa hanomboka ny andron’i Jehovah. “Tsy ho afa-mandositra mihitsy” ny fahavalon’ilay Fanjakana amin’izay.

4. Nahoana no mahasoa antsika ny mahalala hoe inona no hitranga?

4 Soa ihany isika fa mahalala an’izany rehetra izany. Nahoana? Hoy i Paoly: ‘Tsy ao amin’ny maizina ianareo, ka hoe hahatratra anareo tampoka toy ny mpangalatra izany andro izany.’ (1 Tes. 5:3, 4) Tsy hoatran’ny olona eto amin’ity tontolo ity isika, fa mahalala izay hitranga. Mbola tsy tena haintsika anefa aloha hatreto hoe ahoana no hahatanterahan’ilay 1 Tesalonianina 5:3. Tsy maintsy miandry isika, dia ho hitantsika eo ihany izay hitranga. Aoka àry isika “hifoha hatrany sy hisaina tsara foana.”—1 Tes. 5:6; Zef. 3:8.

Hanomboka ny fahoriana lehibe

5. Rahoviana no hanomboka ny “fahoriana lehibe”?

5 Hisy hanafika ny fivavahana. Hoy i Paoly: “Rehefa milaza izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka.” Inona no dikan’izany? Rehefa misy tselatra eny amin’ny lanitra, dia misy varatra avy hatrany aorian’izay. Toy izany koa fa rehefa misy milaza hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!”, dia hisy “fandringanana tampoka” avy hatrany aorian’izay. Haringana aloha i “Babylona Lehibe” na ilay “mpivaro-tena”, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, anisan’izany ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. (Apok. 17:5, 6, 15) Amin’izay no hanomboka ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21; 2 Tes. 2:8) Tsy hampoizin’ny olona maro izany. Mihevitra ny tenany ho toy ny “mpanjakavavy” mantsy ilay mpivaro-tena, ka mieritreritra hoe “tsy halahelo mihitsy.” Ho diso hevitra anefa izy. Ho foana “ao anatin’ny iray andro monja” izy, izany hoe indray mipy maso dia ho ringana.—Apok. 18:7, 8.

6. Iza no handringana an’i “Babylona Lehibe”?

6 Iza no handringana azy? ‘Ilay bibidia mena midorehitra sady manana tandroka folo.’ Ny Firenena Mikambana (ONU) io bibidia io, raha jerena ny bokin’ny Apokalypsy. Ny fitondrana rehetra manohana azy kosa ilay “tandroka folo.” (Apok. 17:3, 5, 11, 12) Hataon’izy ireo ahoana i “Babylona Lehibe”? Handroba an’izay ananany rehetra sy “hanapitra ny nofony” ry zareo, ary “handoro azy tanteraka amin’ny afo.”—Vakio ny Apokalypsy 17:16. a

7. Ahoana no nahatanterahan’ny Matio 24:21, 22 tamin’ny taona 66, ary ahoana no hahatanterahany amin’ny hoavy?

7 “Hohafohezina izany andro izany.” Nampahafantarin’i Jesosy antsika koa izay hitranga, rehefa manafika an’i “Babylona Lehibe” ny ONU. Hoy izy: ‘Hohafohezina izany andro izany noho ny olom-boafidy.’ (Vakio ny Matio 24:21, 22.) Efa tanteraka izany tamin’ny taona 66, rehefa nanafika an’i Jerosalema ny Romanina. (Mar. 13:20) “Nohafohezin’i Jehovah” ilay fanafihana tamin’izay, ka tsy ringana ny Kristianina tany Jerosalema sy Jodia. Mbola ho tanteraka fanindroany anefa io tenin’i Jesosy io amin’ny fahoriana lehibe. Rehefa hanafika ny fivavahana ny ONU, dia ‘hohafohezin’i Jehovah’ ilay izy, mba tsy ho ringana miaraka amin’ny fivavahan-diso ny fivavahana marina. I Jesosy no hasainy hanao izany. Ny fivavahana marina àry sisa no ho tavela, fa tsy hisy intsony ny fivavahan-diso. (Sal. 96:5) Inona no hitranga aorian’izay?

Aloha kelin’ny Hara-magedona

8, 9. Inona no mety ho tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy hoe ho maizina ny masoandro sy volana ary kintana, ary hanao ahoana ny olona rehefa mahita izany?

8 Hisy zavatra maromaro hitranga aloha kelin’ny Hara-magedona, rehefa jerena ny faminanian’i Jesosy momba ny andro farany. Andeha isika handinika zavatra roa noresahiny ao amin’ny Matio sy Marka ary Lioka.—Vakio ny Matio 24:29-31; Mar. 13:23-27; Lioka 21:25-28.

9 Hisy zavatra hafahafa eny amin’ny lanitra. Hoy i Jesosy: “Ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana, ho latsaka avy any an-danitra ny kintana.” Azo oharina amin’ny masoandro sy volana ary kintana ny mpitondra fivavahana, satria any ny olona no mitady hazavana na tari-dalana. Tsy hangataka tari-dalana any intsony anefa izy ireo, ka ho toy ny hoe lasa maizina ny mpitondra fivavahana. Mety ho zavatra hafahafa eny amin’ny lanitra mihitsy koa anefa no tian’i Jesosy holazaina. (Isaia 13:9-11; Joela 2:1, 30, 31) Hanao ahoana ny olona rehefa mahita izany? “Ho ory” izy ireo satria “ho very hevitra.” (Lioka 21:25; Zef. 1:17) “Ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga” ny fahavalon’ilay Fanjakana, hatramin’ny “mpanjaka” ka hatramin’ny “mpanompo.” Hikoropaka hitady toerana hiafenana izy ireo fa tsy hahita, satria tsy maintsy hiharan’ny fahatezeran’ilay Mpanjakantsika.—Lioka 21:26; 23:30; Apok. 6:15-17.

10. a) Ahoana no hitsaran’i Jesosy ny firenena rehetra? b) Hanao ahoana ny ondry sy ny osy rehefa mahafantatra ny hoaviny?

10 Hitsara ny firenena rehetra i Jesosy. Mbola hisy zavatra hafa ho hitan’ny fahavalon’ilay Fanjakana, ka vao mainka hihorohoro izy ireo. Hoy i Jesosy: ‘Hahita ny Zanak’olona ho avy amin-kery lehibe sy voninahitra ao amin’ny rahona ny olona.’ (Mar. 13:26) Hisy zavatra hafahafa hitranga indray àry, ary ho hita fa tena mahery i Jesosy. Izany no hanaporofoany fa hitsara ny firenena rehetra izy. Ary ahoana no hitsarany azy ireo? Mbola ao amin’ilay faminaniana momba ny andro farany ihany izy no manazava izany. (Vakio ny Matio 25:31-33, 46.) Milaza izy hoe hanavaka ny olona, ka izay manohana an’ilay Fanjakana hatramin’ny farany no hataony hoe “ondry.” ‘Hitraka’ izy ireo, satria “efa manakaiky ny fanafahana” azy. (Lioka 21:28) Hataony hoe “osy” kosa izay manohitra an’ilay Fanjakana. “Hikapo-tratra sy hitomany” izy ireo, satria fantany fa ‘haringana mandrakizay’ izy.—Mat. 24:30; Apok. 1:7.

11. Inona no tokony hotadidintsika?

11 Mbola hisy zavatra maromaro hitranga, rehefa avy mitsara ny “firenena rehetra” i Jesosy, ary aorian’izay vao ho tonga ny Hara-magedona. (Mat. 25:32) Hijery roa amin’izany isika izao. Voalohany, hanafika ny vahoakan’i Jehovah i Goga, ary faharoa, hangonina ho any an-danitra izay voahosotra mbola eto an-tany. Tokony hotadidintsika anefa fa tsy lazain’ny Baiboly hoe rahoviana marina ireo no hitranga. Mety hoe vao manomboka manafika kelikely i Goga, dia hangonina ny voahosotra.

12. Inona no hataon’i Satana amin’ny vahoakan’ilay Fanjakana?

12 Hanafika antsika i Goga. Hanafika an’izay voahosotra mbola eto an-tany sy ny ondry hafa i Goga avy any Magoga. (Vakio ny Ezekiela 38:2, 11.) Efa nanafika ny voahosotra foana i Satana taorian’ny nandroahana azy tany an-danitra, indrindra fa rehefa ‘voangona’ ho ao amin’ny fiangonana kristianina izy ireo. (Apok. 12:7-9, 17; Mat. 13:30) Hitan’i Satana mantsy fa tena mitahy azy ireo i Jehovah. Tsy nahavoa foana anefa izy ka hiala nenina farany. Efa ringana daholo ny fivavahan-diso amin’izay, ary ny vahoakan’i Jehovah sisa no ho tavela. Toy ny hoe ao amin’ny tanàna “tsy misy manda na bara hidiny na vavahady” izy ireo amin’i Satana, ka hohararaotiny. Hampirisika ny vahoakany hanafika ny vahoakan’ilay Fanjakana izy.

13. Inona no hataon’i Jehovah mba hanavotana ny vahoakany?

13 Ahoana no hataon’i Goga? Hoy ny Ezekiela 38:15, 16: ‘Ho tonga avy any amin’izay misy anao ianao, eny, ho tonga avy any amin’ny farany avaratra, hiaraka amin’ny firenena maro izay mitaingin-tsoavaly daholo. Vahoaka maro be ireo, sady tafika lehibe. Hiakatra hanafika ny oloko ianao, toy ny rahona mandrakotra ny tany.’ Hoatran’ny ho sarotra ny hifanandrina amin’izany olona be dia be izany. Tsy hipetra-potsiny anefa i Jehovah. Hoy izy: ‘Ho tezitra mafy aho, dia hantsoiko hamely azy ny sabatra.’ (Ezek. 38:18, 21; vakio ny Zakaria2:8.) Hiady ho an’ny vahoakany àry i Jehovah. Io ady io ilay atao hoe Hara-magedona.

14, 15. Inona no hitranga raha vao manomboka kelikely miady amin’ny vahoakan’i Jehovah i Satana?

14 Inona no hataon’i Jehovah amin’izay? Aleo aloha hodinihintsika ilay zavatra faharoa noresahintsika teny amin’ny fehintsoratra 11. Hitranga izy io raha vao manomboka manafika kelikely i Satana, ary ho vita alohan’ny Hara-magedona.

15 Hangonina izay voahosotra mbola etỳ an-tany. Samy miresaka an’izany ny Filazantsaran’i Matio sy Marka. Hita ao hoe anisan’ny zavatra hitranga alohan’ny Hara-magedona ny fanangonana an’ireo “olom-boafidy” na voahosotra. (Jereo ny fehintsoratra 7.) I Jesosy no hanao izany. “Haniraka ny anjely izy sady hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, avy any amin’ny faran’ny tany ka hatrany amin’ny faravodilanitra.” (Mar. 13:27; Mat. 24:31) Efa fantatsika fa hasiana tombo-kase farany ireo voahosotra mbola eto an-tany. (Apok. 7:1-3) Tsy io anefa ilay fanangonana tian’i Jesosy horesahina. Alohan’ny fahoriana lehibe mantsy no hitranga ilay fanisiana tombo-kase farany. Zavatra hiseho mandritra ny fahoriana lehibe kosa no noresahiny. Azo antoka àry fa vao manomboka kelikely miady amin’ny vahoakan’i Jehovah i Satana, dia hangonina ho any an-danitra izay voahosotra mbola etỳ an-tany.

16. Inona no hataon’ny voahosotra amin’ny Hara-magedona?

16 Efa any an-danitra daholo ny 144 000 vao ho tonga ny Hara-magedona. Amin’izay mantsy izy ireo no homena “tehim-by”, izany hoe homena fahefana hanampy an’i Jesosy, ilay Mpanjaka sady Mpiady, mba handringana ny fahavalon’ilay Fanjakana. (Apok. 2:26, 27) Hanaraka an’i Jesosy sy ny anjely izy ireo avy eo, ka hifanandrina amin’ilay “tafika lehibe” mitady handripaka ny vahoakan’i Jehovah. (Ezek. 38:15) Amin’izay no ho raikitra ny ady Hara-magedona.—Apok. 16:16.

Hifarana ny fahoriana lehibe

Ady Hara-magedona

17. Inona no hanjo ny “osy” amin’ny Hara-magedona?

17 Haringana ny osy. Ny ady Hara-magedona no hamarana ny fahoriana lehibe. Efa avy mitsara ny “firenena rehetra” i Jesosy aloha kelin’io, ka haringany amin’izay ny “osy.” (Mat. 25:32, 33) ‘Hamely ny firenena’ amin’ny “sabatra maranitra lava lela” izy. “Ho any amin’ny fandringanana mandrakizay” tokoa ny “osy” amin’izay, hatramin’ny “mpanjaka” ka hatramin’ny “mpanompo.”—Apok. 19:15, 18; Mat. 25:46.

18. a) Hanao ahoana ny “ondry”? b) Inona no hataon’i Jesosy rehefa ringana daholo ny olona manohitra an’ilay Fanjakana?

18 Ary hanao ahoana ny “ondry”? Marina fa hoatran’ny hoe tsy misy mpiaro izy ireo. Tsy hahavita handripaka azy ireo indray anefa ny “osy”, na dia tafika lehibe aza. Hivadika ny rasa, ka tsy ho fongana ny “ondry.” Izy ireo ilay “vahoaka be” ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:9, 14) Rehefa ringana daholo ny olona manohitra an’ilay Fanjakana, dia hatsipin’i Jesosy any amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demonia. Tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony izy ireo mandritra ny 1 000 taona, fa ho toy ny maty.—Vakio ny Apokalypsy 6:2; 20:1-3.

Inona no tokony hataonao dieny izao?

19, 20. Inona no ianarantsika avy amin’ny Isaia 26:20 sy 30:21?

19 Mbola ho betsaka àry ny zavatra mampitaintaina ho avy. Inona no tokony hataonao raha te ho vonona amin’izany ianao? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana, taona maromaro lasa izay: “Izay mankatò ihany no ho tafavoaka velona.” Manaporofo izany ny tenin’i Jehovah tamin’ireo Jiosy babo tany Babylona. Nilaza izy fa hisy hanafika i Babylona, ka nisy zavatra tsy maintsy nataon’ny Jiosy raha te ho tafavoaka velona izy ireo. Hoy izy: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonao anatiny, ry oloko, ka hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fanamelohana.” (Isaia 26:20) Mariho fa baiko no nomen’i Jehovah azy ireo. Nijanona tao an-tranony izay Jiosy nankatò an’ireo, ka tsy nifanehatra tamin’ny miaramila nanafika an’i Babylona. Izay nankatò ihany àry tamin’izay no tafavoaka velona. b

20 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy maintsy mankatò an’izay toromarika omen’i Jehovah antsika koa isika, raha te ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. (Isaia 30:21) Any amin’ny fiangonana isika no omen’i Jehovah toromarika. Mila miezaka mankatò azy ireny amin’ny fo manontolo àry isika dieny izao. (1 Jaona 5:3) Raha zatra manao izany isika, dia ho mora amintsika ny hankatò amin’ny hoavy. Hiaro antsika foana amin’izay i Jehovah Raintsika sy Jesosy Mpanjakantsika, ka ho eo isika rehefa ho ringana daholo ny fahavalon’ilay Fanjakana. (Zef. 2:3) Tsy mba irinao ve ny hahita izany?

a Mety ho ny fivavahan-diso rehetra ihany anefa aloha no tsy hisy intsony, fa mbola tsy ho ringana ny mpivavaka rehetra ao. Rehefa jerena mantsy ny Zakaria 13:4-6, dia mbola ho velona ny ankamaroan’ny mpivavaka ao amin’i Babylona Lehibe amin’izay, satria mody hampiseho hoe efa niala tamin’ny fivavahany.