Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ry rahalahy sy anabavy mpitory ilay Fanjakana,

ERITRERETO hoe Betelita tany Brooklyn ianao, tamin’ny andron’ny Rahalahy Russell. Zoma 2 Oktobra 1914 tamin’izay. Hisakafo maraina ianareo, ary efa nipetraka teo amin’ny sezanareo avy sady niandry an’ny Rahalahy Russell. Iny fa nisokatra ny varavarana, ary niditra izy. Nijanona kely teo hoatran’ny fanaony izy, ary nitsikitsiky sady nanao hoe: “Manahoana daholo!” Tsy tonga dia nankeny amin’ny sezany anefa izy, fa nitehaka sady niteny hoe: “Tapitra ny Andron’ny Jentilisa; nifarana ny andron’ireo mpanjakany!” Te hilaza izy tamin’izay fa nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Faly be ianareo rehetra, satria efa ela no niandrasanareo an’izany. Nitehaka ela be sady mafy be àry ianareo.

Efa 100 taona izay ny Rahalahy Russell no nilaza an’io vaovao lehibe io. Efa be dia be mihitsy ny zava-bitan’ilay Fanjakana nandritra izay fotoana izay. Nampiasa an’io Fanjakana io, ohatra, i Jehovah mba hanadiovana tsikelikely antsika vahoakany teo amin’ny lafiny ara-panahy. An’arivony fotsiny isika tamin’ny 1914, nefa efa 7 900 000 mahery izao. Mampiofana ny vahoakany koa i Jehovah, anisan’izany ianao. Azo antoka fa efa betsaka ny soa azonao avy amin’izany.

Matetika angamba ianao no maheno mpiara-manompo miteny hoe: “Tena mandroso be ny fandaminan’i Jehovah.” Marina ny tenin’izy ireo. Oharin’ny Baiboly amin’ny kalesy ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah. Mandroso haingana be mihitsy io kalesy io, nanomboka tamin’ny 1914. Ho hitanao ato fa nahita hevitra isan-karazany itoriana ny vaovao tsara eran-tany ny fandaminana. Efa namoaka lahateny tamin’ny gazety, ohatra, isika, nitondra takelaka misy soratra, nandefa sarimihetsika, nampiasa karatra fitoriana sy grafofaonina, nitory tamin’ny radio, ary namorona tranonkala tao amin’ny Internet mihitsy aza.

Tahin’i Jehovah isika ka efa mahavita mamoaka boky sy gazety tsara tarehy amin’ny fiteny 670 mahery. Zaraintsika maimaim-poana koa izy ireny. Be dia be koa ny rahalahy sy anabavy mahafoy tena manorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary Betela, na any amin’ny tany mahantra izany, na any amin’ny tany manankarena. Tiantsika koa ny mpiray finoana amintsika, ka tonga dia manampy azy ireo isika rehefa misy loza mahazo azy. Tena “natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana” tokoa isika.—Ohab. 17:17.

“Mitetika ny hanisy ratsy” antsika “amin’ny alalan’ny lalàna” indraindray ny mpitondra fivavahana sy ny olon-kafa. Tsy mahomby anefa matetika ny zavatra ataon’izy ireo, fa vao mainka aza ‘mampandroso ny vaovao tsara.’ Tena mampahery izany.—Sal. 94:20; Fil. 1:12.

Samy mpanompon’i Jesosy Mpanjaka isika, ary tena faly izahay miara-miasa aminareo. Tena tianay daholo ianareo. Matoky izahay fa vao mainka ianareo hankasitraka ny fitahiana rehetra omen’i Jehovah anareo, rehefa mamaky an’ity boky ity.—Mat. 24:45.

Mirary soa ho anareo izahay.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah