Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankavia: Anabavy any Alabama, any Etazonia, mandefa lahatenin’ny Rahalahy Rutherford, taloha kelin’ny 1940; Ankavanana: Soisa

FIZARANA 1

Ny Marina Momba Ilay Fanjakana—Lasa Nahalala Tsikelikely Momba Ilay Fanjakana Isika

Ny Marina Momba Ilay Fanjakana—Lasa Nahalala Tsikelikely Momba Ilay Fanjakana Isika

NISY mpitory namaky andinin-teny tamin’ny olona iray nampianariny Baiboly. Gaga be ilay mpianatra rehefa azony tsara ny dikan’ilay izy. Hoy izy: “Dia hisy Paradisa ve izany eto an-tany? Dia tsy ho faty intsony izany isika?” Nitsikitsiky ilay mpitory, sady niteny hoe: “Izay mihitsy ka! Sa tsy izay no lazainy eo?” Mbola variana be ihany ilay mpianatra, ka nilaza hoe: “Mbola tsy naheno an’izany mihitsy aho!” Efa niteny hoatr’izany koa izy vao haingana, tamin’izy vao nahalala hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra.

Efa nilaza hoatr’izany koa angamba ny olona nampianarinao Baiboly, ary tsy ianao irery no sendra an’izany. Mampahatsiahy antsika izany hoe nahazo fanomezana sarobidy isika. Lasa nahalala ny fahamarinana mantsy isika, anisan’izany ny marina momba ilay Fanjakana. Ahoana anefa no nahazoantsika an’io fanomezana io? Hiresaka an’izany ity fizarana ity. Ho hitantsika ato hoe lasa nahalala tsikelikely ny marina momba ilay Fanjakana ny vahoakan’i Jehovah, ka porofo izany hoe tena misy io Fanjakana io. Efa hatramin’ny 1914 ilay Mpanjakan’izy io no nanampy azy ireo hahalala ny fahamarinana.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 3

Nampahafantarin’i Jehovah ny Fikasany

Nieritreritra ny hanangana ny Fanjakan’ny Mesia ve Andriamanitra tamin’ny voalohany? Inona no nolazain’i Jesosy momba an’io Fanjakana io?

TOKO 4

Nanamasina ny Anarany i Jehovah

Inona no efa nataon’i Jehovah mba hanamasinana ny anarany? Inona no azonao atao mba hanamasinana an’io anarana io?

TOKO 5

Fantatra ny Marina Momba Ilay Fanjakana

Oviana no nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra? Iza no vahoakan’io Fanjakana io? Inona no tokony hataontsika raha tena manohana azy io isika?