Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankavia: Mpisava lalana tany Korea, 1931; Ankavanana: Mitory amin’ny tenin’ny tanana, any Korea

FIZARANA 2

Ny Fitoriana Momba Ilay Fanjakana—Mitory Eran-tany ny Vahoakan’ilay Fanjakana

Ny Fitoriana Momba Ilay Fanjakana—Mitory Eran-tany ny Vahoakan’ilay Fanjakana

TSY miasa ianao androany, ka mifoha maraina fa handeha hitory. Reradreraka anefa ianao ka misalasala kely hoe handeha ihany ve. Satrinao hiverina hitsotsotra eo am-pandriana! Mivavaka kely àry ianao, ary tapa-kevitra fa handeha ihany. Anabavy efa be taona no miara-manompo aminao. Faly be ianao satria tsara fanahy be izy. Mampahery anao koa ny mahita azy mazoto foana, na dia efa be taona aza. Lasa saina koa ianao hoe: ‘Any an-tany hafa any izao misy mpiara-manompo mitory hoatr’izao koa, dia mitovy amin’ny anay ny zavatra resahiny sy ny gazety zarainy. Dia mitovy koa ny toromarika azonay!’ Lasa maivamaivana erỳ ianao rehefa mody, ka miteny hoe: ‘Soa ihany aho fa nandeha!’

Naminany i Jesosy hoe hotorina eran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny andro farany. (Mat. 24:14) Tanteraka ve izany? Eny, satria io amin’izao no asa tena ataon’ilay Fanjakana, ary olona an-tapitrisany eran-tany no lasa mino fa tena misy io Fanjakana io. Hodinihintsika ato amin’ity fizarana ity àry hoe iza no manao an’io asa io, ahoana no anaovan’izy ireo izany, ary inona ny fitaovana ampiasainy.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 6

Iza no Manao An’ilay Asa?

Nahoana i Jesosy no natoky fa hisy olona be dia be hitory amin’ny andro farany? Inona no hataonao mba hikatsahana an’ilay Fanjakana alohan’ny zavatra hafa?

TOKO 7

Inona avy no Efa Nataontsika mba Hitoriana?

Inona avy no efa nataon’ny vahoakan’i Jehovah, mba hitoriana amin’ny olona be dia be araka izay azo atao, alohan’ny hahatongavan’ny farany?

TOKO 8

Inona avy ny Fitaovana Ampiasaintsika mba Hitoriana Eran-tany?

Hita hoe tena manampy antsika i Jesosy rehefa jerena ny isan’ny fiteny andikana ny boky sy gazetintsika. Miaiky àry ve isika fa tena misy ny Fanjakany?

TOKO 9

Inona no Vokatr’ilay Asa Fijinjana?

Nisy zavatra roa nampianarin’i Jesosy ny mpianany momba ny asa fijinjana. Inona avy izany, ary mbola ilaintsika ve ny mahafantatra azy ireo?