Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankavia: Krismasy farany tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, tamin’ny 1926; Ankavanana: Voamariky ny olona hoe hafa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah

FIZARANA 3

Ny Lalàna ao Amin’ilay Fanjakana—Mankatò ny Lalàn’Andriamanitra Isika

Ny Lalàna ao Amin’ilay Fanjakana—Mankatò ny Lalàn’Andriamanitra Isika

VOAMARIKAO hoe nitazatazana anareo mianakavy kely ny lehilahy iray mipetraka eo akaikinareo. Niarahaba azy ianareo sady lasa ihany. Gaga ianao avy eo fa niantso anao izy, dia nilaza hoe: “Azafady ange e! Mba saika hanontany kely aho!” Nanatona teny ianao ka hoy izy hoe: “’Nareo ho’ ah’ hitako hoe tena hafa mihitsy e! Fa maninona kay?” Tsy azonao tsara ny tiany holazaina ka nanontany ianao hoe: “Hafa ahoana?” Dia nilaza izy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah moa ’nareo e? Voamariko hoe ’nareo tsy hoatran’ny fivavahana hafa. ’Nareo, ohatra, tsy manao fety, tsy manao politika, tsy mifoka, dia tsy manao miaramila koa. Dia ’nareo mianakavy kely koa tsara toetra be. Fa inona no mahatonga an’izany?”

Miavaka tokoa isika satria vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. I Jesosy no Mpanjakantsika ary manadio antsika foana izy, izany hoe manampy antsika hanahaka azy sy tsy hanao ny fanaon’ity tontolo ratsy ity. Ho hitantsika ato hoe inona no nataony, mba hanampiana ny vahoakan’i Jehovah hadio ara-panahy sy hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Hojerentsika koa hoe ahoana no nanatsarany ny zavatra sasany teo anivon’ny fandaminana. Ho hitantsika fa nahazo voninahitra i Jehovah noho izany rehetra izany.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 10

‘Nanadio’ ny Vahoakany Ilay Mpanjaka

Inona no itovizan’ny Krismasy sy ny lakroa?

TOKO 11

Nihanazava ny Lalàn’Andriamanitra

Inona no dikan’ireo efitra fiambenana sy vavahady avo be tao amin’ilay fahitan’i Ezekiela, ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny?

TOKO 12

Vahoaka Voalamina Tsara

Nahoana no tokony hihavana tsara ny olon-drehetra eo anivon’ny fiangonana, raha tiana hilamina tsara izy io?