Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankavia: Rahalahy tratran’ny polisy nitory ka handeha hosamboriny. Tany Eindhoven, any Holandy, tamin’ny 1945; Ankavanana: Voarara ve ny mitory any aminareo?

FIZARANA 4

Natao ‘Mafy Orina Araka ny Lalàna ny Vaovao Tsara’

Natao ‘Mafy Orina Araka ny Lalàna ny Vaovao Tsara’

ERITRERETO hoe mitory isan-trano ianao sy ny mpitory iray hafa. Iny fa misy polisy manatona anareo, ary manontany hoe: “Ianareo ve izany mpivavaka mitety trano etỳ izany? Nisy olona nitaraina tany aminay mantsy hoe leo be, hono, ry zareo fa tonga any aminy foana ianareo.” Manazava moramora aminy ianao hoe Vavolombelon’i Jehovah ianareo. Dia inona àry izao no hitranga?

Miankina amin’ny zava-misy ao amin’ilay tany izany matetika. Tia antsika Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, ny fitondrana any amin’ny tany sasany, ka mamela antsika hitory sy hivory. Nisy koa nanenjika antsika taloha, nefa lasa tsara fanahy amintsika. Niezaka mafy an-taonany maro mantsy ny rahalahintsika tany amin’ireny tany ireny, mba ‘hiaro ny vaovao tsara sy hanamafy orina azy io araka ny lalàna.’ (Fil. 1:7) Handinika izay nataon’izy ireo isika ato amin’ity fizarana ity. Imbetsaka niakatra fitsarana izy ireo, ary matetika no nandresy. Tena mahavariana ilay izy sady mampahery, ary manaporofo hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho nandresy mihitsy mantsy isika raha tsy teo izy io.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 13

Niakatra Fitsarana ny Vahoakan’ilay Fanjakana

Ho hitanao ato fa nisy mpitsara sahy nanome rariny antsika indraindray, tsy nisy hafa tamin’i Gamaliela tamin’ny taonjato voalohany.

TOKO 14

Ny Fanjakan’Andriamanitra Ihany no Tohanantsika

Nenjehina ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy nety nanao miaramila. Imbetsaka anefa izy ireo no nisy nanampy, ary tsy ampoizinao mihitsy hoe iza izany.

TOKO 15

Nitaky ny Zony ny Vahoakan’i Jehovah

Niady tany amin’ny fitsarana ny vahoakan’i Jehovah, mba havela hankatò ny lalàn’ny Fanjakan’Andriamanitra.