Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankavia: Zavatra avy any Soisa nalefa ho an’ny rahalahy tany Alemaina, tamin’ny 1946; Ankavanana: Efitrano Fanjakana any Japon, ravan’ny tsunami tamin’ny 2011, ka namboarina indray

FIZARANA 6

Manohana An’ilay Fanjakana ny Vahoakany

Manohana An’ilay Fanjakana ny Vahoakany

AOKA hatao hoe nisy rivo-doza teny aminareo ka nisy tondra-drano be. Nanapa-kevitra avy hatrany ny Komitin’ny Sampana fa hasiana sakafo, akanjo, rano, ary zavatra hafa ho an’izay rahalahy sy anabavy tra-boina ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Gaga ianao niditra tao satria lasa feno entana tao. Efa elaela ihany ny efitranonareo no vita. Mety ho nanampy nanorina an’ilay izy mihitsy aza ianao, ka faly rehefa mieritreritra ny asa nataonareo tamin’izany. Vao mainka anefa ianao izao faly satria ampiasaina hanampiana tra-boina ilay efitrano. Efa milamina tsara daholo ny zavatra omena azy ireo. Ireny ry zareo fa milahatra mankao, ary faly erỳ fa nahazo izay nilainy. Misy aza latsa-dranomaso mihitsy.

Nilaza i Jesosy fa hifankatia ny vahoakany, ary izany no hampiavaka azy ireo. (Jaona 13:34, 35) Ho hitantsika ato fa tena mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manao trano ivorian’ny mpiray finoana aminy sy mifanampy rehefa misy loza. Porofo izany hoe i Jesosy no Mpanjakan’izy ireo.

ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY

TOKO 18

Avy Aiza ny Vola Ampiasaintsika?

Avy aiza ny vola ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary inona avy no ampiasan’izy ireo izany?

TOKO 19

Trano Manome Voninahitra An’i Jehovah

Faly i Jehovah rehefa manorina trano hivavahana aminy isika. Mbola misy zavatra mahafaly azy noho izany anefa. Inona izany?

TOKO 20

Mifanampy ny Vahoakan’ilay Fanjakana

Anisan’ny fanompoana masina tokony hataon’ny mpanompon’i Jehovah ny hoe manampy tra-boina. Nahoana?