Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 151

Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra

Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra

(Romanina 8:19)

  1. Iza avy ireo voafidy hanjaka

    Any an-danitra?

    Tsy ho ela izany dia

    Hasehon’Andriamanitra.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    ’Reo zanak’i Jehovah ireo

    Hasehony avokoa

    Ka hiaraka amin’i Kristy,

    Handray ny valisoa.

  2. Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka,

    Amin’ny fahefany,

    No ho avy hanangona an’ireo

    ’Zay mbola eto an-tany.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Reo zanak’i Jehovah ireo

    Hasehony avokoa

    Ka hiaraka amin’i Kristy,

    Handray ny valisoa.

    (TETEZANA)

    Avy eo ireo no hiara-hanao

    ’Lay ady farany,

    Ary hampakarin’i Kristy

    Mba hiaraka aminy.

    (AVERINA ISAN’ANDININY)

    Reo zanak’i Jehovah ireo

    Hasehony avokoa

    Ka hiaraka amin’i Kristy,

    Handray ny valisoa.