Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 2

Mbola Tsy Teraka i Jesosy dia Efa Nomem-boninahitra

Mbola Tsy Teraka i Jesosy dia Efa Nomem-boninahitra

LIOKA 1:34-56

  • NITSIDIKA AN’I ELIZABETA HAVANY I MARIA

Rehefa avy nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela fa hiteraka an’i Jesosy izy ary ho Mpanjaka mandrakizay i Jesosy, dia hoy i Maria: “Ahoana no hetezan’izany, nefa izaho tsy nanao firaisana tamin-dehilahy?”—Lioka 1:34.

Hoy i Gabriela: “Ho tonga aminao ny fanahy masina ary ny herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Izany no antony hiantsoana an’ilay haterakao hoe masina, Zanak’Andriamanitra.”—Lioka 1:35.

Te hanampy an’i Maria hino an’ilay hafatra angamba i Gabriela, ka niteny hoe: “I Elizabeta havanao koa efa mitoe-jaza na dia efa antitra aza, ary efa mandray enim-bolana izao ny kibony, dia izy ilay nantsoina hoe vehivavy momba. Tsy hisy tsy ho tanteraka mantsy izay lazain’Andriamanitra.”—Lioka 1:36, 37.

Neken’i Maria ny tenin’i Gabriela, araka ilay nolazainy hoe: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao!”—Lioka 1:38.

Niomana hitsidika an’i Elizabeta havany i Maria, raha vao lasa i Gabriela. Nipetraka tsy lavitra an’i Jerosalema, tany amin’ny havoanan’i Jodia, i Elizabeta sy Zakaria. Telo na efatra andro angamba vao tonga tany, raha avy tao Nazareta nisy an’i Maria.

Tonga tany amin-dry Zakaria i Maria tamin’ny farany. Niditra ny trano izy ary niarahaba an’i Elizabeta. Feno fanahy masina i Elizabeta, ka niteny taminy hoe: “Tahin’Andriamanitra ianao amin’ny vehivavy rehetra, ary tahina ilay hateraky ny kibonao! Ahoana no mba nahatongavan’izao voninahitra izao amiko, fa ny renin’ny Tompoko no tonga ato amiko? Jereo fa raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba, dia nibitaka noho ny hafaliana be ny zaza ato an-kiboko!”—Lioka 1:42-44.

Tena faly i Maria ka hoy izy: “Mankalaza an’i Jehovah aho, ary tsy tanako ny hafaliako amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy, satria nijery ny fahambanian’ny mpanompovaviny izy. Manomboka izao, dia hilaza ahy ho sambatra ny taranaka rehetra, satria nanao asa lehibe ho ahy Ilay mahery.” I Jehovah no nomen’i Maria voninahitra, na teo aza ny tombontsoa azony. Hoy izy: “Masina ny anarany. Hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony, dia amin’izay matahotra azy.”—Lioka 1:46-50.

Nahazo fanahy masina i Maria ka naminany toy izao, ho fiderana an’Andriamanitra: “Nanao asa lehibe tamin’ny sandriny mahery izy, ary nampiely ny mpirehareha, dia ireo mirehareha noho ny fikasan’ny fony. Naetriny hiala tamin’ny seza fiandrianany ny manana fahefana, fa nasandrany kosa ny ambany. Nataony voky zava-tsoa ny noana, ary noroahiny hiala maina ny manankarena. Nanampy ny Israely mpanompony izy, mba hotsaroany ny famindram-pony, araka izay nolazainy tamin’ny razantsika, dia i Abrahama sy ny taranany, mandrakizay.”—Lioka 1:51-55.

Nijanona telo volana teo ho eo tao amin’i Elizabeta i Maria. Azo inoana fa nanampy an’i Elizabeta izy nandritra ireo herinandro faramparany talohan’ny hahaterahany. Azo antoka fa nahafinaritra erỳ ny fiarahan’ireo vehivavy roa tsy mivadika ireo, izay samy bevohoka noho ny fanampian’Andriamanitra.

Mariho fa mbola tsy teraka i Jesosy dia efa nomem-boninahitra. Nantsoin’i Elizabeta hoe “Tompoko” izy. “Nibitaka noho ny hafaliana” koa ilay zaza tao an-kibon’i Elizabeta raha vao nipoitra i Maria. Tsy toy izany mihitsy anefa no nitondran’ny olona an’i Maria sy ilay zaza haterany, araka ny ho hitantsika.