Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 3

Teraka Ilay Hanomana ny Lalana

Teraka Ilay Hanomana ny Lalana

LIOKA 1:57-79

  • TERAKA I JAONA MPANAO BATISA ARY NOMENA ANARANA

  • NILAZA MIALOHA NY ASA HATAON’I JAONA I ZAKARIA

Efa akaiky hiteraka i Elizabeta. Nijanona tao aminy telo volana i Maria havany. Handao azy izao i Maria, ka hanao dia lavitra mianavaratra mankany Nazareta. Enim-bolana eo ho eo koa sisa dia hiteraka zazalahy izy.

Teraka soa aman-tsara i Elizabeta tsy ela taorian’ny nandehanan’i Maria, ary salama tsara izy sy ilay zazakely. Nasehony tamin’ny mpiara-monina taminy sy ny havany ilay zanany lahikely, ka niara-paly taminy izy ireo.

Voalazan’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely fa tokony hoforana ny zazalahy rehefa feno valo andro. (Levitikosy 12:2, 3) Tamin’io koa izy no nomena anarana. Tian’ny olona sasany hatao hoe Zakaria ny anaran’ilay zaza, hoatran’ny rainy. Hoy anefa i Elizabeta: “Tsy izany mihitsy! Jaona no hatao anarany.” (Lioka 1:60) Tadidinao angamba fa Jaona no tokony ho anaran’ilay zaza, araka ny tenin’ny anjely Gabriela.

Tsy nanaiky anefa ny mpiara-monina sy ny havan’i Elizabeta fa nilaza hoe: “Tsy misy manana izany anarana izany ange ny havanao e!” (Lioka 1:61) Nanao fihetsika izy ireo nanontany an’i Zakaria hoe iza no hatao anaran-janany. Nangataka takela-kazo i Zakaria ary nanoratra hoe: “Jaona no anarany.”—Lioka 1:63.

Lasa afaka niteny indray i Zakaria taorian’izay. Tsaroanao angamba fa lasa moana izy rehefa tsy nino ny tenin’ilay anjely hoe hiteraka zazalahy i Elizabeta. Gaga ny mpiara-monina hoe niteny indray i Zakaria, ka hoy izy ireo: “Ho zaza hanao ahoana loatra re io e?” (Lioka 1:66) Hitan’izy ireo tamin’ny fomba nanomezana anarana an’i Jaona fa nomba azy ny tanan’Andriamanitra.

Feno fanahy masina i Zakaria avy eo, ka niteny hoe: “Hisaorana anie i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, satria nitsinjo sy nanafaka ny vahoakany izy! Ary nanangana tandroka famonjena ho antsika tao amin’ny taranak’i Davida mpanompony izy.” (Lioka 1:68, 69) I Jesosy Tompo, izay mbola ho teraka, no nantsoiny hoe “tandroka famonjena.” Nilaza i Zakaria fa hampiasain’Andriamanitra i Jesosy mba ‘hanomezana antsika an’ilay voninahitra hanao fanompoana masina ho azy, rehefa avy nafahana teo an-tanan’ny fahavalontsika isika. Hanao fanompoana masina tsy amin-tahotra isika, ka tsy hivadika ary hanao ny marina eo anatrehany, mandritra ny androm-piainantsika.’—Lioka 1:74, 75.

Naminany toy izao momba an’ilay zanany lahy i Zakaria: ‘Hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra ianao. Ary handeha eo alohan’i Jehovah ianao, eny, hialoha azy hanomana ny lalany, ka hanome ho an’ny vahoakany fahalalana momba ny famonjena, amin’ny alalan’ny famelan-keloka, noho ny halehiben’ny fangoraham-pon’Andriamanitsika. Hisy mazava hiposaka ho antsika avy any amin’ny avo, noho izany fangoraham-po izany, mba hanome fahazavana ho an’izay mipetraka ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana, mba hitarika ny diantsika ka handehanantsika soa aman-tsara ao amin’ny lalan’ny fiadanana.’ (Lioka 1:76-79) Tena mampahery io faminaniana io.

Efa tonga tany aminy tany Nazareta i Maria tamin’izay, ary mbola tsy nanambady izy. Inona àry no hanjo azy rehefa ho hitan’ny olona fa bevohoka izy?