Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 5

Taiza i Jesosy no Teraka ary Oviana?

Taiza i Jesosy no Teraka ary Oviana?

LIOKA 2:1-20

  • TERAKA TAO BETLEHEMA I JESOSY

  • NITSIDIKA AN’I JESOSY IREO MPIANDRY ONDRY

Namoaka didy i Aogosto Kaisara, mpanjaka romanina, fa tsy maintsy misoratra anarana ny vahoaka rehetra. Tsy maintsy nankany Betlehema, any atsimon’i Jerosalema, àry i Josefa sy Maria, satria tany no nahaterahan’i Josefa.

Maro no tonga hisoratra anarana tao Betlehema. Tsy nisy trano azon’i Josefa sy Maria nipetrahana intsony, afa-tsy tany amin’ny tranom-biby, izay nisy ampondra sy biby hafa. Tao i Jesosy no teraka. Nofonosin’i Maria lamba ilay zazakely ary nampatoriny teo amin’ny fihinanam-bilona.

Tsy maintsy ho Andriamanitra no nahatonga an’i Aogosto Kaisara hampanao an’ilay fisoratana anarana. Nahoana? Satria izany no nahatonga an’i Jesosy ho teraka tao Betlehema, tanànan’i Davida Mpanjaka razambeny. Efa ela ny Soratra Masina no nilaza fa ao amin’io tanàna io no ho teraka ilay Mpitondra nampanantenaina.—Mika 5:2.

Alina miavaka tamin’izay! Nisy hazavana nanjelanjelatra nanodidina ny mpiandry ondry maromaro tany an-tsaha. Tsy inona izany fa ny voninahitr’i Jehovah. Hoy ny anjely iray tamin’izy ireo: “Aza matahotra fa tonga hilaza vaovao tsara aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra. Fa Mpamonjy no teraka ho anareo androany ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo. Ary izao no famantarana ho anareo: Hahita zaza menavava nofehezina lamba sady mandry ao anaty fihinanam-bilona ianareo.” Tampoka teo dia nisy anjely maro nipoitra ka niteny hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiadanana etỳ ambonin’ny tany eo amin’ny olona ankasitrahany.”—Lioka 2:10-14.

Hoy ireo mpiandry ondry rehefa lasa ireo anjely: “Andao ho any Betlehema avy hatrany mba hijery izany zava-nitranga nampahafantarin’i Jehovah antsika izany.” (Lioka 2:15) Lasa haingana àry izy ireo, ka hitany teo amin’ilay toerana natoron’ilay anjely i Jesosy vao teraka. Gaga ny rehetra rehefa nandre an’ireo mpiandry ondry nitantara an’izay nolazain’ilay anjely. Notadidin’i Maria izay rehetra nolazain’izy ireo ary nosaintsaininy.

Maro no mino fa teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy. Manorana sy mamirifiry anefa ny andro any amin’ny faritra misy an’i Betlehema rehefa Desambra. Misy lanezy mihitsy aza indraindray. Mahalana vao hisy mpiandry ondry hiandry ny ondriny eny an-tsaha amin’ny alina, amin’io fotoana io. Azo inoana koa fa tsy amin’ny ririnina be ny mpanjaka romanina no handidy ny vahoakany hanao dia mandritra ny andro maromaro mba hisoratra anarana. Efa mora mikomy mantsy ireo vahoaka ireo. Azo inoana fa tamin’ny volana Oktobra tany ho any i Jesosy no teraka.