Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 12

Natao Batisa i Jesosy

Natao Batisa i Jesosy

MATIO 3:13-17 MARKA 1:9-11 LIOKA 3:21, 22 JAONA 1:32-34

  • NATAO BATISA I JESOSY ARY LASA VOAHOSOTRA

  • NILAZA I JEHOVAH FA ZANANY I JESOSY

Tokotokony ho 30 taona izao i Jesosy. Tonga teo amin’i Jaona Mpanao Batisa teo amin’ny Reniranon’i Jordana izy, enim-bolana teo ho eo taorian’ny nanombohan’i Jaona nitory. Tsy hoe te hitsidika fotsiny izy na te hahita ny fandrosoan’ny asan’i Jaona, fa nangataka ny hatao batisa.

Nanda i Jaona ary tsy mahagaga izany. Hoy izy: “Izaho no tokony hataonao batisa, ka ianao indray ve no manatona ahy?” (Matio 3:14) Fantany fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Tsaroanao ve fa nibitaka noho ny hafaliana i Jaona tao an-kibon’i Elizabeta reniny, rehefa nitsidika azy io i Maria, izay bevohoka an’i Jesosy? Azo inoana fa notantarain’ny reniny azy izany. Tsy maintsy ho nolazaina taminy koa fa nisy anjely nilaza ny hahaterahan’i Jesosy, ary nisy anjely niseho tamin’ny mpiandry ondry tamin’ny alina nahaterahany.

Fantatr’i Jaona fa ho an’ireo mibebaka noho ny fahotany ny batisany. Tsy misy ota anefa i Jesosy. Tsy nety nanao batisa an’i Jesosy àry izy, nefa hoy i Jesosy: “Ataovy ihany aloha amin’ity indray mandeha ity, fa izao no fomba tsara hanatanterahantsika an’izay rehetra marina.”—Matio 3:15.

Nahoana no nety ny nanaovana batisa an’i Jesosy? Tsy hoe natao batisa i Jesosy satria nibebaka noho ny fahotany. Nasehony tamin’ny batisany kosa fa vonona hanao ny sitrapon’ny Rainy izy. (Hebreo 10:5-7) Mpandrafitra izy, nefa tonga izao ny fotoana hanombohany ny fanompoany. Izany no nanirahan’ny Rainy azy ho etỳ an-tany. Araka ny hevitrao, nanantena hahita zava-mahagaga ve i Jaona rehefa nanao batisa an’i Jesosy?

Hoy i Jaona tatỳ aoriana: “Ilay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano mihitsy no nilaza tamiko hoe: ‘Izay olona hitanao idinan’ny fanahy sy itoerany, dia izy ilay manao batisa amin’ny fanahy masina.’ ” (Jaona 1:33) Efa nanantena àry izy fa hirotsaka eo amin’ny olona iray hataony batisa ny fanahin’Andriamanitra. Nety tsy ho gaga izy nahita ny “fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy”, raha vao nivoaka avy tao anaty rano i Jesosy.—Matio 3:16.

Tsy izay ihany anefa no nitranga. “Nisokatra [koa] ny lanitra.” Midika angamba izany hoe rehefa natao batisa i Jesosy, dia niverina tao an-tsainy ny fiainany tany an-danitra talohan’ny naha olombelona azy. Tsaroany àry ny fiainany tamin’izy anjely zanak’i Jehovah. Tadidiny, ohatra, ny fahamarinana nampianarin’Andriamanitra azy tany an-danitra talohan’ny nidinany tetỳ an-tany.

Nisy feo koa avy tany an-danitra nilaza hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Matio 3:17) Tsy feon’i Jesosy io, satria izy aza niaraka tamin’i Jaona teo. Feon’Andriamanitra ilay izy. Hita amin’izany fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, fa tsy Andriamanitra.

Tsara homarihina fa olombelona i Jesosy sady zanak’Andriamanitra, toa an’i Adama lehilahy voalohany. Hoy i Lioka mpianatr’i Jesosy rehefa avy nitantara ny batisan’i Jesosy: “Telopolo taona teo ho eo i Jesosy rehefa nanomboka ny asany. Izy ilay zanak’i Josefa, araka ny fiheveran’ny olona, ary Josefa zanak’i Hely, ... zanak’i Davida, ... zanak’i Abrahama, ... zanak’i Noa, ... zanak’i Adama, ... zanak’Andriamanitra.”—Lioka 3:23-38.

Olombelona sady “zanak’Andriamanitra” toa an’i Adama i Jesosy. Niova ny fifandraisany tamin’Andriamanitra rehefa natao batisa izy. Lasa Zanak’Andriamanitra ara-panahy izy, ka afaka nampianatra ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra sy nanoro izay tokony hatao mba hahazoana ny fiainana. Hafa mihitsy ny fiainany nanomboka teo, ary nanao sorona ny ainy mba hamonjena ny olombelona mpanota izy tamin’ny farany.