Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 17

Nampianatra An’i Nikodemosy Tamin’​ny Andro Alina i Jesosy

Nampianatra An’i Nikodemosy Tamin’​ny Andro Alina i Jesosy

JAONA 2:23–3:21

  • NIRESAKA TAMIN’I NIKODEMOSY I JESOSY

  • NY DIKAN’NY HOE “ATERAKA INDRAY”

Nanao famantarana miavaka na fahagagana i Jesosy tao Jerosalema, nandritra ny Paska taona 30. Maro àry no nino azy. Talanjona i Nikodemosy, Fariseo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Te hahalala bebe kokoa izy ka nitsidika an’i Jesosy. Maizina izy vao nankany, angamba satria natahotra hoe ho afa-baraka amin’ny mpitondra fivavahana jiosy raha nisy nahita.

Hoy i Nikodemosy: “Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra ianao, satria tsy misy mahavita ireny famantarana nataonao ireny raha tsy Andriamanitra no momba azy.” Nilaza taminy i Jesosy hoe tsy maintsy “ateraka indray” izay te hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Jaona 3:2, 3.

Ahoana anefa no hampety an’izany? Hoy i Nikodemosy: ‘Fa angaha moa ny olona afaka miditra indray ao an-kibon-dreniny mba hateraka?’—Jaona 3:4.

Tsia, ary tsy izany no dikan’ny hoe ateraka indray. Hoy i Jesosy: “Tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy.” (Jaona 3:5) ‘Nateraky ny rano sy ny fanahy’ i Jesosy rehefa natao batisa sy nilatsahan’ny fanahy masina. Nisy feo avy tany an-danitra koa tamin’izay nanao hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Matio 3:16, 17) Te hilaza Andriamanitra teo fa lasa zanany ara-panahy i Jesosy, ka afaka manantena ny hiditra ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Nisy olona efa vita batisa koa nilatsahan’ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nateraka indray àry izy ireo ka lasa zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy.—Asan’ny Apostoly 2:1-4.

Tsy azon’i Nikodemosy izay nampianarin’i Jesosy azy momba an’ilay Fanjakana. Nohazavain’i Jesosy bebe kokoa àry ny anjara asany, noho izy olombelona Zanak’Andriamanitra. Hoy izy: “Tahaka ny nanandratan’i Mosesy an’ilay bibilava tany an-tany efitra no tsy maintsy anandratana koa ny Zanak’olona, mba hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy.”—Jaona 3:14, 15.

Nokaikerin’ny bibilava misy poizina ny Israelita fahiny, ka tsy maintsy nijery an’ilay bibilava varahina mba ho velona. (Nomery 21:9) Mila maneho finoana ny Zanak’Andriamanitra koa izay rehetra tsy te ho faty sy te hiaina mandrakizay. Tsy tanteraka izany raha tsy noho ny fitiavan’i Jehovah, araka ny nasongadin’i Jesosy tamin’i Nikodemosy. Hoy izy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Nolazain’i Jesosy mazava tsara fa izy no hamonjy ny olombelona. Tao Jerosalema no nilazany izany, enim-bolana teo ho eo taorian’ny nanombohany ny fanompoany.

Hoy ihany i Jesosy: “Tsy ny hanameloka an’izao tontolo izao no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany ho amin’izao tontolo izao.” Midika izany fa tsy nirahina hanambara izy hoe meloka na tokony horinganina ny olona rehetra. Nilaza kosa izy fa nirahina mba ‘hamonjy izao tontolo izao amin’ny alalany.’—Jaona 3:17.

Natahotra i Nikodemosy ka maizina izy vao nankao amin’i Jesosy. Mahaliana àry ny famaranan-tenin’i Jesosy. Hoy izy: “Izao no fototry ny fanamelohana: Tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava, saingy naleon’ny olona ny haizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny ataony. Fa izay zatra manao ratsy dia mankahala ny mazava, sady tsy manatona ny mazava sao hibaribary ny ataony. Izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho izay ataony, ka ho hita fa natao araka ny sitrapon’Andriamanitra izany.” I Jesosy io “mazava” io ary hita teo amin’ny fiainany sy ny fampianarany izany.—Jaona 3:19-21.

Anjaran’io Fariseo sy mpampianatra ny Israely io àry ny misaintsaina an’izay reny momba ny zavatra hataon’i Jesosy mba hanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra.