Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 18

Nandroso ny Asan’i Jesosy fa Nihena ny Asan’i Jaona

Nandroso ny Asan’i Jesosy fa Nihena ny Asan’i Jaona

MATIO 4:12 MARKA 6:17-20 LIOKA 3:19, 20 JAONA 3:22–4:3

  • NANAO BATISA NY OLONA IREO MPIANATR’I JESOSY

  • NOGADRAINA I JAONA MPANAO BATISA

Niala tao Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany, rehefa avy nankalaza ny Paska tamin’ny lohataonan’ny taona 30. Tsy tonga dia nody tany Galilia anefa izy ireo fa nankany Jodia. Nanao batisa olona maro izy ireo tany. Efa herintaona teo ho eo koa izay no nanao batisa i Jaona Mpanao Batisa, ary angamba tany amin’ny lohasaha akaikin’ny Reniranon’i Jordana. Mbola niaraka taminy ny mpianany sasany.

Nanome toromarika ny mpianany mba hanao batisa i Jesosy, fa tsy izy no nanao izany mivantana. Samy nampianatra an’ireo Jiosy nibebaka noho ny nandikany ny fifaneken’ny Lalàn’Andriamanitra i Jesosy sy Jaona, tamin’io fotoana io.—Asan’ny Apostoly 19:4.

Nialona ireo mpianatr’i Jaona ka nitaraina hoe: ‘Hitanao ilay lehilahy [Jesosy] niaraka taminao iny? Manao batisa izy ary mankany aminy daholo ny olona.’ (Jaona 3:26) I Jaona kosa tsy nialona an’i Jesosy. Faly izy fa nandroso ny asan’i Jesosy ary tiany mba hifaly koa ny mpianany. Nampahatsiahy azy ireo izy hoe: “Ianareo mihitsy no vavolombelona fa efa nilaza aho hoe: ‘Tsy izaho no Kristy, fa nirahina hialoha azy fotsiny aho.’ ” Nilaza fanoharana izy avy eo mba hahazoan’ny rehetra ny teniny. Hoy izy: “Izay manana ny ampakarina no mpampakatra. Na izany aza, dia faly be ny naman’ny mpampakatra rehefa mitsangana ka mandre ny feon’ny mpampakatra. Ary efa feno ankehitriny izany fifaliako izany.”—Jaona 3:28, 29.

Toy ny naman’ilay mpampakatra i Jaona, satria faly izy nampahafantatra an’i Jesosy tamin’ny mpianany, volana maromaro talohan’izay. Nanara-dia an’i Jesosy ny sasany tamin’izy ireo ary nohosorana ny fanahy masina tatỳ aoriana. Tian’i Jaona hanara-dia an’i Jesosy koa ny mpianany hafa. Ny hampiomana ny olona mba handray tsara ny hafatr’i Kristy mantsy no tena tanjon’i Jaona. Hoy izy: “Tsy maintsy mitombo iny olona iny, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”—Jaona 3:30.

Nisy Jaona iray hafa efa nanomboka nanara-dia an’i Jesosy talohan’izay. Nilaza ny fiavian’i Jesosy izy ary nilaza fa nisy zava-dehibe nataon’i Jesosy mba hamonjena ny olona. Hoy izy: “Izay avy any ambony dia ambonin’ny hafa rehetra. ... Ny Ray tia ny Zanaka ka nomeny ho eo am-pelatanany ny zava-drehetra. Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jaona 3:31, 35, 36) Tena ilain’ny olona ny mahalala an’izany.

Nosamborin’i Heroda Mpanjaka i Jaona Mpanao Batisa, taoriana kelin’ny nilazany fa hihena ny andraikiny sy ny asany. Nogadrainy i Jaona satria nampiharihary fa naka vadin’olona izy. Nalain’i Heroda ho vadiny mantsy i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny. Ren’i Jesosy fa nosamborina i Jaona, ka niala tao Jodia izy sy ny mpianany ary nankany Galilia.—Matio 4:12; Marka 1:14.