Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 21

Tao Amin’ny Synagoga Tany Nazareta

Tao Amin’ny Synagoga Tany Nazareta

LIOKA 4:16-31

  • NAMAKY NY HORONAM-BOKIN’I ISAIA I JESOSY

  • NANANDRANA NAMONO AN’I JESOSY NY MPONIN’I NAZARETA

Azo inoana fa faly be ny mponin’i Nazareta. Mpandrafitra i Jesosy talohan’ny nialany tao mba hataon’i Jaona batisa, herintaona mahery izay. Mpanao fahagagana anefa no ahalalana azy izao, ka may ny hahita azy hanao fahagagana ny olona.

Vao mainka tsy andrin’izy ireo izany, rehefa tonga tao amin’ny synagoga toy ny fanaony i Jesosy. Nisy vavaka sy famakiana ny boky nosoratan’i Mosesy tao, araka ny efa fanao “tao amin’ny synagoga isan-tsabata.” (Asan’ny Apostoly 15:21) Novakina koa ny ampahany amin’ny bokin’ireo mpaminany. Tsy vaovao tamin’i Jesosy angamba ny olona maro tao, rehefa nitsangana hamaky teny izy. Efa taona maro mantsy izy no mpankao amin’ny synagoga. Natolotra azy ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany, ka notadiaviny ilay andininy miresaka an’ilay Voahosotry ny fanahin’i Jehovah. Ao amin’ny Isaia 61:1, 2 izy io ankehitriny.

Novakin’i Jesosy tao fa hitory fahafahana amin’ny babo io Voahosotra io, hanambara fa hampahiratina ny jamba, ary hilaza fa ho avy ny taona anehoan’i Jehovah fankasitrahana. Naverin’i Jesosy tamin’ny mpikarakara ilay horonana avy eo ary nipetraka izy. Nibanjina azy ny rehetra. Niteny izy avy eo ary angamba elaela. Nilaza izao teny miavaka izao izy: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.”—Lioka 4:21.

Gaga ny olona “noho ny teny mahafinaritra naloaky ny vavany” ka nifampiresaka hoe: “Tsy zanak’i Josefa ve io e?” Fantatr’i Jesosy anefa fa te hahita azy hanao fahagagana izy ireo, toy izay efa reny. Hoy àry izy: “Hampiharinareo amiko tokoa izao ilay fitenenana hoe: ‘Dokotera ô, sitrano aloha ny tenanao’, ka hilaza amiko ianareo hoe: ‘Efa renay izay efa nataonao tany Kapernaomy ka ataovy eto amin’ny taninao koa izany.’ ” (Lioka 4:22, 23) Inona no nety ho noeritreretin’ireo mpiray tanàna tamin’i Jesosy taloha ireo? Angamba hoe tokony ho tao amin’ny tanàna niaviany i Jesosy no nanasitrana voalohany, mba hahasoa ny mpiray tanindrazana taminy. Nety ho nihevitra àry izy ireo fa nataon’i Jesosy tsinontsinona.

Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’izy ireo ka nitantara zava-nitranga tamin’ny lasa izy. Maro, hoy izy, ny mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia. Tsy nirahina tany amin’izy ireny anefa i Elia, fa tany amin’ny mpitondratena iray tsy israelita tany Zarefata, tsy lavitra an’i Sidona. Nanao fahagagana namonjy aina izy tany. (1 Mpanjaka 17:8-16) Maro koa, hoy izy, ny boka teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elisa mpaminany, nefa i Namàna Syrianina no nositraniny.—2 Mpanjaka 5:1, 8-14.

Nety ho nieritreritra ny mpiray tanindrazana tamin’i Jesosy fa nanaratsy azy ireo ny fampitahana nataon’i Jesosy, satria nampiharihary fa tia tena sy tsy manam-pinoana izy ireo. Tezitra be àry ireo tao amin’ny synagoga, ka nitsangana ary nandroaka an’i Jesosy tany ivelan’ny tanàna. Nentin’izy ireo teny an-tampon’ilay tendrombohitra nisy an’i Nazareta izy ary saika hazerany teo amin’ny tevana. Afaka anefa izy ary tsy naninona. Nidina tany Kapernaomy, tany amin’ny morony avaratrandrefan’ny Ranomasin’i Galilia, izy avy eo.