Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 27

Niantso An’​i Matio i Jesosy

Niantso An’​i Matio i Jesosy

MATIO 9:9-13 MARKA 2:13-17 LIOKA 5:27-32

  • NIANTSO AN’I MATIO MPAMORY HETRA I JESOSY

  • NIARAKA TAMIN’NY MPANOTA I KRISTY MBA HANAMPIANA AZY IREO

Nijanona kelikely tao Kapernaomy eo amoron’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy rehefa avy nanasitrana an’ilay lehilahy malemy. Tonga teo aminy indray ny vahoaka ary nanomboka nampianatra azy ireo izy. Rehefa niala teo izy, dia hitany nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra i Matio na Levy, ka hoy izy taminy: “Andao hanara-dia ahy.” (Matio 9:9) Fanasana miavaka tokoa izany!

Efa nahafantapantatra momba ny fampianaran’i Jesosy sy ny asa nataony tao Kapernaomy angamba i Matio, toa an-dry Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Nanao toa azy ireo i Matio, satria ‘nitsangana avy hatrany ka nanaraka an’i Jesosy’, araka ny nolazainy tao amin’ny Filazantsarany. (Matio 9:9) Niala tsy ho mpamory hetra izy ary lasa mpianatr’i Jesosy.

Nanao fanasam-be i Matio tatỳ aoriana, angamba ho fankasitrahana ny nitaoman’i Jesosy azy ho mpianany. Iza no nasainy, ankoatra an’i Jesosy sy ny mpianany? Nanasa mpamory hetra maro niara-niasa taminy taloha izy. Izy ireny no nanangona ny hetra ho an’ny Fanjakana Romanina, izay halan’ny olona. Nakana hetra ny sambo tonga tany an-tseranana, ny mpanao dia lavitra nandalo tamin’ny lalambe tao an-tanàna, ary ny entana avy tany an-toeran-kafa. Ahoana no niheveran’ny ankamaroan’ny Jiosy ny mpamory hetra? Tsy tian’ny olona izy ireny satria matetika no nitaky vola mihoatra noho ny tokony ho izy. Nisy “mpanota” koa tao amin’ilay fanasana, izany hoe olona malaza ho mpanao ratsy.—Lioka 7:37-39.

Nahita an’i Jesosy niaraka tamin’ny olona toy ireny tao amin’ilay fanasana ireo Fariseo nihevi-tena ho marina, ka niteny tamin’ny mpianatr’i Jesosy hoe: “Fa nahoana ny mpampianatra anareo no miara-mihinana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” (Matio 9:11) Ren’i Jesosy izany ka hoy izy: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary. Mandehana àry, ka ianaro ny dikan’ny hoe: ‘Famindram-po no sitrako, fa tsy sorona.’ Fa tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.” (Matio 9:12, 13; Hosea 6:6) Nantsoin’ny Fariseo hoe “mpampianatra” i Jesosy nefa tsy tena neken’izy ireo izany. Afaka nianatra tamin’i Jesosy momba ny atao hoe marina anefa izy ireo.

Toa nasain’i Matio ireo mpamory hetra sy mpanota, satria tiany handre an’i Jesosy sy hampiany. Maro tamin’izy ireo no lasa “mpanara-dia an’i Jesosy.” (Marka 2:15) Te hanampy azy ireo hifandray tsara amin’Andriamanitra i Jesosy. Tsy nanambany azy ireo izy, toa an’ireo Fariseo nihevi-tena ho marina. Nangoraka sy namindra fo kosa izy. Afaka nanampy an’izay tsy nifandray tsara tamin’Andriamanitra izy, toy ny dokotera afaka manasitrana marary.

Nahoana i Jesosy no namindra fo tamin’ny mpamory hetra sy mpanota? Tsy hoe tsy niraharaha ny fahotan’izy ireo izy fa te hampiseho fitiavana, toy ny nataony tamin’ireo marary nositraniny. Tadidio, ohatra, ilay izy nangoraka sy nikasika an’ilay lehilahy boka sady niteny hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” (Matio 8:3) Tokony hamindra fo koa isika, ka hanampy an’ireo mila fanampiana. Ny hanampy azy ireo hifandray tsara amin’Andriamanitra no tena tokony hataontsika.