Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 30

Ny Fifandraisan’i Jesosy sy ny Rainy

Ny Fifandraisan’i Jesosy sy ny Rainy

JAONA 5:17-47

  • ANDRIAMANITRA NO RAIN’I JESOSY

  • FAMPANANTENANA FITSANGANANA AMIN’NY MATY

Nisy Jiosy nilaza fa nandika ny Sabata i Jesosy rehefa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny Sabata. Hoy àry izy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.”—Jaona 5:17.

Tsy voararan’ny lalàn’Andriamanitra momba ny Sabata ny zavatra nataon’i Jesosy. Nanao asa soa toa an’Andriamanitra izy rehefa nitory sy nanasitrana. Nanao zavatra tsara foana àry izy isan’andro. Vao mainka tezitra tamin’ny valin-teniny ireo nanakiana azy, ka nitady hamono azy. Nahoana?

Efa diso izy ireo rehefa nilaza hoe nandika ny Sabata i Jesosy. Mbola tezitra be koa anefa izy ireo noho i Jesosy nilaza ho Zanak’Andriamanitra. Nihevitra izy ireo fa nanevateva an’Andriamanitra izy rehefa nilaza fa Andriamanitra no Rainy. Noheverin’izy ireo fa nampitovy ny tenany tamin’i Jehovah izy tamin’izany. Tsy natahotra anefa i Jesosy ary niresaka bebe kokoa momba ny fifandraisany manokana amin’Andriamanitra. Hoy izy: “Ny Ray tia ny Zanaka ary mampiseho aminy ny zava-drehetra ataon’ny tenany.”—Jaona 5:20.

Ny Ray no Mpanome aina, ary nasehony izany taloha rehefa nomeny hery hananganana ny maty ny olona sasany. Hoy i Jesosy: “Toy ny ananganan’ny Ray ny maty ka amelomany azy indray, dia toy izany koa no ameloman’ny Zanaka an’izay tiany hovelomina.” (Jaona 5:21) Manome fanantenana tokoa izany! Hoy koa i Jesosy: “Izay mandre ny teniko ka mino an’ilay naniraka ahy no manana fiainana mandrakizay, ary tsy melohina izy fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana.” (Jaona 5:24) Toy ny hoe efa nanangana ny maty àry ny Zanaka.

Mbola tsy nisy fitantarana tamin’izay hoe efa nisy olona maty novelomin’i Jesosy. Niteny tamin’ireo mpanakiana azy anefa izy fa tena hitsangana ny maty. Nilaza izy fa “ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.

Tena miavaka ny anjara asan’i Jesosy, nefa nilaza mazava izy fa mbola ambany noho ny Rainy. Hoy izy: ‘Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho. Tsy ny sitrapoko no tiako hatao, fa ny sitrapon’ilay naniraka ahy.’ (Jaona 5:30) Noresahin’i Jesosy anefa ny anjara asa lehibe tanany amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah, ary sambany izy no niresaka an’izany an-karihary. Tsy izy irery anefa no nanambara an’izany tamin’ireo Jiosy mpanakiana azy. Nampahatsiahy azy ireo izy fa “naniraka olona tany amin’i Jaona” Mpanao Batisa izy ireo, ary “nanambara ny marina” i Jaona.—Jaona 5:33.

Roa taona teo ho eo talohan’izay, dia nilaza tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy i Jaona fa hisy ho avy ao aoriany. “Mpaminany” sy “Kristy” izy io. (Jaona 1:20-25) Mety ho nahalala tsara an’izany ireo mpanakiana ireo. Nampahatsiahy azy ireo i Jesosy fa tena nohajain’izy ireo i Jaona, izay efa any am-ponja. Hoy izy: “Naniry hiravoravo vetivety tamin’ny fahazavany ianareo.” (Jaona 5:35) Nanana porofo lehibe noho ny porofo nomen’i Jaona Mpanao Batisa anefa i Jesosy.

Hoy izy: “Izany asa izany [anisan’izany ilay fanasitranana vao nataony] no manaporofo fa nirahin’ny Ray aho. Ny Ray izay naniraka ahy mihitsy koa no nanome porofo momba ahy.” (Jaona 5:36, 37) Nilaza, ohatra, Andriamanitra rehefa natao batisa i Jesosy fa Zanany izy.—Matio 3:17.

Tsy misy antony tokony handavan’ireo mpanakiana ireo an’i Jesosy mihitsy àry. Manome porofo momba azy ny Soratra Masina, izay nolazain’izy ireo fa nokarohiny. Hoy i Jesosy namarana ny teniny: “Raha nino an’i Mosesy ianareo, dia ho nino ahy, satria nanoratra momba ahy i Mosesy. Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, ahoana moa no hinoanareo ny teniko?”—Jaona 5:46, 47.