Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 32

Inona no Azo Atao Amin’ny Sabata?

Inona no Azo Atao Amin’ny Sabata?

MATIO 12:9-14 MARKA 3:1-6 LIOKA 6:6-11

  • NANASITRANA NY TANAN’NY LEHILAHY IRAY I JESOSY TAMIN’NY SABATA

Nankao amin’ny synagoga iray i Jesosy, indray Sabata, angamba tao Galilia. Nahita lehilahy iray maty tanana izy tao. (Lioka 6:6) Nijery tsara azy ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Nahoana? Niharihary ny tena tanjon’izy ireo rehefa nanontany izy ireo hoe: “Azo atao ve ny manasitrana amin’ny sabata?”—Matio 12:10.

Nihevitra ny mpitondra fivavahana jiosy fa tsy azo atao ny manasitrana amin’ny Sabata raha tsy misy aina tandindomin-doza. Nilaza, ohatra, izy ireo fa tsy azo atao ny mamerina taolana amin’ny laoniny na mamatotra taolana na hozatra folaka rehefa Sabata, satria tsy atahorana hahafaty ireo. Tsy noho izy ireo nalahelo an’ilay lehilahy mijaly àry no nahatonga an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo hanontany an’i Jesosy. Nitady hirika hanamelohana an’i Jesosy kosa izy ireo.

Hitan’i Jesosy anefa hoe ratsy saina izy ireo. Fantany fa hentitra loatra izy ireo sady tsy nanaraka ny Soratra Masina, rehefa nampihatra ny lalàna momba izay tsy azo atao amin’ny Sabata. (Eksodosy 20:8-10) Efa nokianina tsy amin’antony i Jesosy noho ny asa soa nataony. Vonona ny hifanandrina tamin’izy ireo àry izy, ka niteny tamin’ilay lehilahy maty tanana hoe: “Mitsangàna ka mankanesa etsy afovoany etsy.”—Marka 3:3.

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo: “Iza aminareo raha manana ondry iray latsaka any anaty lavaka amin’ny sabata, no tsy haka azy sy hampiakatra azy?” (Matio 12:11) Nampidi-bola ny ondry, ka tsy havelan’izy ireo ao an-davaka hatramin’ny ampitso, sao ho faty ao ka hahafaty antoka azy. Milaza koa ny Soratra Masina hoe: “Mitsimbina ny ain’ny biby fiompiny ny marina.”—Ohabolana 12:10.

Nanatsoaka hevitra mety tsara i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Rehefa dinihina anefa, dia sarobidy lavitra noho ny ondry ny olona! Koa azo atao ny manao soa amin’ny sabata.” (Matio 12:12) Tsy nandika ny Sabata àry i Jesosy raha nanasitrana an’ilay lehilahy. Hita hoe be fangorahana izy sady nitombina tsara ny fanazavany. Tsy nahatohitra azy ny mpitondra fivavahana ka nangina fotsiny.

Sady tezitra i Jesosy no nalahelo noho ny toe-tsain’izy ireo, ka niteny tamin’ilay lehilahy hoe: “Atsory ny tananao.” (Matio 12:13) Natsotrany ny tanany ka sitrana ary faly be izy. Nanao ahoana kosa ireo namandrika an’i Jesosy?

Tsy mba faly ireo Fariseo hoe sitrana ny tanan’ilay lehilahy. Lasa nivoaka kosa izy ireo ary avy hatrany dia nikaon-doha “niaraka tamin’ireo mpomba an’i Heroda ny amin’ny fomba hamonoana an’i Jesosy.” (Marka 3:6) Toa anisan’ireo mpomba an’i Heroda ilay antokom-pivavahana atao hoe Sadoseo. Mpifahavalo ny Fariseo sy ny Sadoseo tamin’ny ankapobeny, nefa niray saina tsara mba hanohitra an’i Jesosy tamin’izay.