Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 36

Manamboninahitra Iray Tena Nanam-pinoana

Manamboninahitra Iray Tena Nanam-pinoana

MATIO 8:5-13 LIOKA 7:1-10

  • NOSITRANINA NY MPANOMPON’ILAY MANAMBONINAHITRA

  • HOTAHINA IREO MANANA FINOANA

Nankany Kapernaomy i Jesosy taorian’ilay toriteny. Nisy anti-panahin’ny Jiosy nanatona azy tany. Manamboninahitry ny tafika romanina no naniraka azy ireo, izany hoe lehilahy tsy mitovy fiaviana amin’izy ireo.

Tsy Jiosy ilay manamboninahitra nefa nitady fanampiana tamin’i Jesosy. Narary mafy efa ho faty mantsy ny mpanompony iray tena tiany. Nilaza tamin’i Jesosy ireo anti-panahy fa ‘nandry tao an-trano’ ilay mpanompo ary ‘nalemy ka nijaly mafy’, izany hoe nanaintaina be angamba. (Matio 8:6) Nilaza izy ireo fa mendrika ny hampiana ilay manamboninahitra. Hoy izy ireo: “Tia ny firenentsika izy sady nanorina synagoga teto.”—Lioka 7:4, 5.

Nanaraka an’ireo anti-panahy àry i Jesosy. Rehefa akaiky ho tonga izy ireo dia naniraka ny namany hilaza toy izao ilay manamboninahitra: “Aza misahirana mankatỳ amiko, tompoko, fa tsy mendrika ny handray anao ao ambany tafontranoko aho. Izany no antony nieritreretako hoe tsy mendrika hankeny aminao aho.” (Lioka 7:6, 7) Efa zatra nibaiko io manamboninahitra io, ka hita amin’ny teniny fa tena nanetry tena izy. Hita koa fa tsy toy ny Romanina hafa izay nasiaka tamin’ny mpanompony izy.—Matio 8:9.

Azo antoka fa fantany hoe tsy tia niaraka tamin’ny tsy Jiosy ny Jiosy. (Asan’ny Apostoly 10:28) Izany angamba no nahatonga azy haniraka ny namany hilaza tamin’i Jesosy hoe: “Mitenena fotsiny, dia ho sitrana ny mpanompoko.”—Lioka 7:7.

Nahagaga an’i Jesosy izany ka hoy izy: “Lazaiko aminareo fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany aho, na teo amin’ny Israely aza.” (Lioka 7:9) Rehefa niverina ireo iraka dia nahita fa efa sitrana ilay mpanompo narary mafy.

Nohamafisin’i Jesosy avy eo fa hahazo fitahiana ny tsy Jiosy manam-pinoana. Hoy izy: “Maro ny avy any atsinanana sy ny avy any andrefana no ho tonga, ka handry ilika hisakafo miaraka amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.” Ary ireo Jiosy tsy manam-pinoana? Nilaza i Jesosy fa “hatsipy any amin’ny haizina any ivelany” izy ireo. “Any izy no hitomany sy hitoloko.”—Matio 8:11, 12.

Ny Jiosy no voalohany nantsoina hiara-manjaka amin’i Kristy. Nolavin’Andriamanitra àry izay Jiosy tsy nankasitraka an’io tombontsoa io. Ny hafa firenena kosa no nekena ho “ao amin’ny fanjakan’ny lanitra”, ka toy ny hoe hiara-misakafo amin’i Jesosy.