Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 43

Fanoharana Momba An’ilay Fanjakana

Fanoharana Momba An’ilay Fanjakana

MATIO 13:1-53 MARKA 4:1-34 LIOKA 8:4-18

  • NILAZA FANOHARANA MOMBA AN’ILAY FANJAKANA I JESOSY

Nety ho tao Kapernaomy i Jesosy tamin’izy niteny mafy an’ireo Fariseo. Rehefa niala tao amin’ilay trano izy tamin’io andro io, dia nankeo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Nisy vahoaka niangona teo aminy. Niakatra tao amin’ny sambokely iray izy, ary nihataka ny morony ka nanomboka nampianatra momba ny Fanjakan’ny lanitra. Nilaza fanoharana maromaro izy tamin’izay. Fantatry ny mpihaino tsara ny maro tamin’ny zavatra noresahiny, ka mora kokoa tamin’izy ireo ny nahazo an’ireo lafiny mampiavaka an’ilay Fanjakana.

Niresaka momba ny mpamafy namafy voa i Jesosy. Latsaka teny amoron-dalana ny voa sasany ka lanin’ny vorona. Ny hafa kosa latsaka teny amin’ny toerana be vato, izay tsy nisy nofon-tany firy. Tsy lasa lavitra ny fakany ary main’ny masoandro ilay zavamaniry ka nalazo. Nisy koa latsaka teny amin’ny tsilo ka voagejan’ny tsilo rehefa naniry. Ny sasany kosa latsaka teny amin’ny tany tsara, ka namoa. “Nisy avo zato heny, nisy enimpolo heny, ary nisy telopolo heny.”—Matio 13:8.

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny lehilahy namafy ilay Fanjakana, tao amin’ny fanoharana iray hafa. Na natory ilay lehilahy na nifoha dia nitombo foana ilay voa, ‘nefa tsy fantany hoe tamin’ny fomba ahoana.’ (Marka 4:27) Naniry tamin’izao fotsiny ireo voa ary namoa ka azo nojinjaina.

Mbola momba ny famafazana voa ny fanoharana fahatelo. Namafy vary ny lehilahy iray, nefa nisy fahavalo namafy tsimparifary teo amin’ilay izy, “raha mbola natory ny olona.” Nanontany an’ilay lehilahy ny mpanompony raha tokony hongotana ny tsimparifary. Hoy izy: “Tsia! Sao manongotra ny vary koa ianareo rehefa manangona ny tsimparifary. Avelao ihany hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Amin’izay fotoana izay aho no hilaza amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana, ary avy eo vao angony ny vary ka ataovy ao an-trano fitehirizako vokatra.”—Matio 13:24-30.

Maro tamin’ireo nihaino an’i Jesosy no nahalala momba ny fambolena. Fantatr’izy ireo tsara ny voan-tsinapy, ka noresahin’i Jesosy koa. Lasa hazo be izy io ary afaka maka toerana eny amin’ny sampany ny vorona. Hoy i Jesosy: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy, izay nalain’olona ka namboleny tany an-tsahany.” (Matio 13:31) Tsy nampianatra momba ny zavamaniry anefa izy teo. Tiany haseho kosa fa afaka mitombo ho ngezabe ny zavatra tena kely.

Niresaka zavatra nahazatra ny maro tamin’ny mpihaino azy i Jesosy avy eo. Nilaza izy fa ny Fanjakan’ny lanitra dia toy ny “lalivay nalain’ny vehivavy iray ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana lehibe.” (Matio 13:33) Tsy hita maso ilay lalivay nefa niely tamin’ilay koba manontolo ka nampitombo azy. Lasa ngezabe ilay koba ary nisy fiovana tsy tonga dia hitan’ny maso tao aminy.

Noravan’i Jesosy ny vahoaka taorian’izay, ary niverina tany amin’ilay trano nipetrahany izy. Tsy ela dia tonga teo aminy ny mpianany, satria te hahalala izay tiany hambara.

NAHASOA NY MPIANANY NY FAMPIANARANY

Efa nandre an’i Jesosy nilaza fanoharana ny mpianatra, saingy mbola tsy be dia be toy ny tamin’ity indray mandeha ity. Hoy àry izy ireo taminy: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”—Matio 13:10.

Mba hahatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ny antony iray. Hoy i Matio: ‘Tsy niteny taminy izy raha tsy tamin’ny fanoharana, mba ho tanteraka izay nolazaina tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: “Hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra nafenina hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.”’—Matio 13:34, 35; Salamo 78:2.

Nilaza fanoharana koa i Jesosy mba hahalalana ny toe-tsain’ny olona. Maro no te hahalala azy, satria mahay mitantara izy sady manao fahagagana. Tsy nihevitra azy ho Tompo tokony hankatoavina izy ireo ary tsy nieritreritra ny hahafoy tena ka hanara-dia azy. (Lioka 6:46, 47) Tsy te hanova ny toe-tsainy sy ny fomba fiainany izy ireo. Tsy tiany hisy vokany be toy izany ilay hafatra.

Hoy i Jesosy namaly ny fanontanian’ny mpianany: ‘Noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy, satria mijery izy fa tsy mahita, mandre izy fa tsy mihaino, sady tsy mahazo ny hevitr’izany. Koa tanteraka aminy ny faminanian’i Isaia hoe: “Fa efa nanjary donto ny fon’ity vahoaka ity.”’—Matio 13:13-15; Isaia 6:9, 10.

Tsy izay rehetra nihaino an’i Jesosy anefa no toy izany. Hoy izy: ‘Sambatra ianareo, satria mahita ny masonareo, ary mandre ny sofinareo. Lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy olo-marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary naniry handre izay renareo nefa tsy nandre.’—Matio 13:16, 17.

Vonona hihaino ny fanazavan’i Jesosy ny apostoly 12 sy ny mpianatra hafa tsy mivadika, ka hoy izy: “Ianareo no navela hahazo ny hevitry ny zava-miafina masina momba ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy navela.” (Matio 13:11) Tena te hahazo izay tian’i Jesosy hambara ny mpianany, ka nohazavainy tamin’izy ireo ny hevitr’ilay fanoharana momba ny mpamafy.

Nilaza i Jesosy fa “ny voa dia ny tenin’Andriamanitra” ary ilay tany dia ny fo. (Lioka 8:11) Tena manampy antsika hahazo ny hevitr’ilay fanoharana izany.

Hoy i Jesosy momba an’ireo voa latsaka teny amoron-dalana, izay toerana voahitsakitsaky ny olona: “Avy ny Devoly ka manaisotra ny teny tsy ho ao am-pony, sao hino izy ka ho voavonjy.” (Lioka 8:12) Ary inona no tiany horesahina amin’ilay voa latsaka teny amin’ny tany be vato? Te hilaza izy fa misy olona faly mandray ny teny nefa tsy mamaka ao am-pony izany. Mihemotra izy ireo “raha vao mipoitra ny fahoriana na ny fanenjehana noho ny teny.” Miala izy ireo rehefa “tojo fotoam-pitsapana”, izay angamba fanoheran’ny mpianakavy na olon-kafa.—Matio 13:21; Lioka 8:13.

Nanazava i Jesosy avy eo fa ireo voa latsaka teny amin’ny tsilo, dia ireo olona mandre ny teny nefa tototry ny “fanahiana eto amin’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena.” (Matio 13:22) Latsaka ao am-pony ny teny nefa voageja ka tsy mamoa.

Ilay tany tsara no noresahin’i Jesosy farany. Izany dia ireo olona mandre ny teny sy mandray am-po an’izany satria mahazo ny tena hevitr’ilay izy. Inona no vokany? “Mamoa” izy ireo. Tsy mitovy anefa ny habetsahan’ny vokatra satria samy hafa ny zavatra iainan’ny olona, ohatra hoe ny taonany na ny fahasalamany. Misy mamoa avo 100 heny, misy 60 heny, ary misy 30 heny. Mandray fitahiana tokoa ireo manompo an’i Jehovah, izany hoe ireo “mandre ny teny amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitahiry izany ao am-pony, ary mamoa amin’ny fiaretana.”—Lioka 8:15.

Azo antoka fa tena gaga tamin’izany ireo mpianatr’i Jesosy nangataka fanazavana. Tena azon’izy ireo tsara mantsy izao ireo fanoharana. Tian’i Jesosy hazava amin’izy ireo izany, mba hahafahan’izy ireo hizara ny fahamarinana. Nanontany i Jesosy hoe: “Hapetraka ao ambany sobika famarana na any ambany fandriana ve ny jiro? Tsy hapetraka eo ambony fitoeran-jiro ve izany?” Hoy àry izy: “Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.”—Marka 4:21-23.

NAHAZO FAHALALANA BEBE KOKOA IZY IREO

Mbola nangataka fanazavana ny mpianatra rehefa avy nohazavain’i Jesosy ilay fanoharana momba ny mpamafy. Hoy izy ireo: “Hazavao aminay ny hevitr’ilay fanoharana momba ny tsimparifary teny an-tanimbary.”—Matio 13:36.

Hita fa tena tsy toy ny an’ireo vahoaka teo amoron-drano ny toe-tsain’ireo mpianatra. Nihaino ireo vahoaka ireo saingy tsy tena tiany ho fantatra ny hevitr’ireo fanoharana sy ny fomba ampiharana azy. Efa nahafa-po azy ireo ny hevitra ankapobeny. Nasehon’i Jesosy fa tsy toa azy ireo ny mpianany satria tonga teo aminy mba hahazo fanazavana bebe kokoa. Hoy izy:

“Tandremo izay renareo. Araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo, eny, hahazo fanampiny aza ianareo.” (Marka 4:24) ‘Nitandrina’ na nifantoka tsara tamin’izay nolazain’i Jesosy ny mpianany, ka toy ny hoe nampiasa famarana lehibe. Nomen’i Jesosy fanazavana bebe kokoa izy ireo, vokatr’izany. Hoy àry izy rehefa nanontany ny dikan’ilay fanoharana momba ny vary sy tsimparifary izy ireo:

“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona, ny tanimbary dia izao tontolo izao, ny voa tsara dia ny zanak’ilay fanjakana, fa ny tsimparifary kosa dia ny zanak’ilay ratsy, ary ny fahavalo namafy izany dia ny Devoly. Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity, ary ny mpijinja dia anjely.”—Matio 13:37-39.

Nilaza ny fiafaran’ilay fanoharana i Jesosy avy eo. Nilaza izy fa amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity dia hosarahin’ireo mpijinja na ny anjely ireo Kristianina sandoka toy ny tsimparifary sy ireo tena “zanak’ilay fanjakana.” Hangonina ireo “olo-marina” ary hamirapiratra “ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.” Horinganina kosa “ny zanak’ilay ratsy” ka tsy mahagaga raha “hitomany sy hitoloko.”—Matio 13:41-43.

Nilaza fanoharana telo tamin’ny mpianany i Jesosy avy eo. Izao no voalohany: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny. Ary noho ny hafaliany, dia lasa izy nivarotra izay nananany ka nividy izany saha izany.”—Matio 13:44.

Izao no faharoa: ‘Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpivaro-mandeha mitady perla faran’izay tsara. Rehefa nahita perla iray sarobidy izy, dia lasa nivarotra avy hatrany an’izay rehetra nananany ka nividy an’ilay perla.’—Matio 13:45, 46.

Nasongadin’i Jesosy tamin’ireo fanoharana roa ireo fa vonona hanao sorona ny olona iray mba hahazoana zavatra tena sarobidy. Azon’ny mpianany ilay ohatra momba ny perla. Nivarotra avy hatrany “an’izay rehetra nananany” ilay mpivarotra, mba hahazoany an’ilay perla. Nivarotra “izay nananany” rehetra koa ilay lehilahy nahita harena nafenina, mba hahazoany an’ilay harena. Samy afaka nahazo zava-tsarobidy sy nankamamy izany ny olona resahin’ireo fanoharana ireo. Azo oharina amin’izany ny sorona ataon’ny olona iray mba hifandraisana akaiky amin’Andriamanitra. (Matio 5:3) Efa niezaka be mba hifandray akaiky amin’Andriamanitra sy ho tena mpanara-dia an’i Jesosy ny olona sasany nandre an’ireo fanoharana ireo.—Matio 4:19, 20; 19:27.

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny harato tarihina manangona ny karazan-trondro rehetra ny Fanjakan’ny lanitra, tao amin’ilay fanoharana fahatelo. (Matio 13:47) Navahana ireo trondro ka notehirizina izay tsara fa nariana izay ratsy. Nilaza i Jesosy fa toy izany no hitranga amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. Hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny olo-marina ny anjely.

Toy ny hoe nanarato i Jesosy, rehefa niantso an’ireo mpianany voalohany mba ho lasa “mpanarato olona.” (Marka 1:17) Nilaza anefa izy fa ho tanteraka amin’ny hoavy ilay fanoharana momba ny harato tarihina, izany hoe “amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 13:49) Azon’ireo apostoly sy ny mpianatra hafa nihaino an’i Jesosy àry fa hisy zavatra tena mahaliana mbola hitranga.

Nahazo tombontsoa hafa ireo nihaino ny fanoharana nolazain’i Jesosy avy tao an-tsambokely. Nasehon’i Jesosy fa vonona ‘hanazava tamin’ny mpianany ny zava-drehetra’ izy, “rehefa nitokana izy ireo.” (Marka 4:34) “Tahaka ny tompon-trano izay mamoaka zavatra vaovao sy tranainy avy ao amin’ny trano fitehirizany” izy. (Matio 13:52) Tsy nampidera ny fahaizany mampianatra i Jesosy tamin’izy nilaza an’ireo fanoharana ireo, fa nampita fahamarinana tena sarobidy tamin’ny mpianany. “Mpampianatra ampahibemaso” miavaka tokoa izy!