Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 49

Nitory Tany Galilia sy Nampiofana ny Apostoly Izy

Nitory Tany Galilia sy Nampiofana ny Apostoly Izy

MATIO 9:35–10:15 MARKA 6:6-11 LIOKA 9:1-5

  • NITORY TAO GALILIA INDRAY I JESOSY

  • NIRAHINY HITORY IREO APOSTOLY

Tena nazoto nitory i Jesosy nandritra ny roa taona teo ho eo. Naka aina amin’izay ve izy? Vao mainka aza izy nitory bebe kokoa ary “nitety ny tanàna rehetra [tany Galilia], na kely na lehibe, ka nampianatra tany amin’ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra.” (Matio 9:35) Tsapany avy amin’ny zavatra hitany fa ilaina ny mitory amin’ny faritra maro kokoa. Ahoana no hahavitany izany?

Hitan’i Jesosy tamin’ny dia nataony fa nila fampaherezana sy nila nampiana hifandray amin’Andriamanitra ny olona. Toy ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo ka naparitaka sy nampahorina. Nangoraka azy ireo izy ka niteny tamin’ny mpianany hoe: “Eny, be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.”—Matio 9:37, 38.

Fantatr’i Jesosy ny fomba hahavitana an’ilay fitoriana. Nantsoiny ny apostoly 12 ary nampiarahiny tsiroaroa ka lasa ekipa enina. Nomeny izao toromarika mazava izao izy ireo: “Aza mandeha any amin’ny lalan’ny hafa firenena, ary aza miditra ao amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa any amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely ihany mandeha. Rehefa mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ ”—Matio 10:5-7.

Ilay Fanjakana noresahin’i Jesosy tao amin’ny vavaka modely no nasainy notorina. Ilay hoe ‘efa manakaiky ilay Fanjakana’ dia midika hoe efa eo i Jesosy Kristy, ilay notendren’Andriamanitra ho Mpanjaka. Inona anefa no porofo fa solontenan’io Fanjakana io tokoa ny mpianany? Nomen’i Jesosy hery izy ireo mba hanaovana fahagagana maimaim-poana, toy ny manasitrana sy manangana ny maty. Ahoana anefa no hahazoan’izy ireo izay nilainy, toy ny sakafo isan’andro?

Nilaza i Jesosy fa tsy tokony hitondra vatsy izy ireo rehefa handeha hitory. Tsy tokony hitady volamena na volafotsy na varahina hatao ao anaty kitapony koa izy ireo. Tsy nila kitapom-batsy izy ireo na akanjo sy kapa fanampiny. Nahoana? Satria nanome toky i Jesosy hoe: “Ny mpiasa mendrika hahazo ny sakafony.” (Matio 10:10) Hanome izay tena ilain’ireo mpianatra ny olona mankasitraka ny hafatra entiny. Hoy i Jesosy: “Na aiza na aiza trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo amin’izany faritra izany.”—Marka 6:10.

Natoron’i Jesosy koa ny fomba anatonana ny olona rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Hoy izy: “Rehefa miditra ao an-trano ianareo, dia arahabao ny ao. Raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho tonga aminy ny fiadanana irinareo ho azony, fa raha tsy mendrika kosa, dia aoka hiverina aminareo ny fiadananareo. Na aiza na aiza misy tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo rehefa miala ao amin’izany trano na tanàna izany ianareo.”—Matio 10:12-14.

Mety ho ny iray tanàna mihitsy koa no handa an’ilay hafatra. Nilaza i Jesosy fa ho mafy ny fanamelohana miandry ny tanàna toy izany. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho mora kokoa ny hanjo ny tanin’i Sodoma sy Gomora amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo izany tanàna izany.”—Matio 10:15.