Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 50

Nampiomanina mba Hitory na Misy Fanenjehana Aza

Nampiomanina mba Hitory na Misy Fanenjehana Aza

MATIO 10:16–11:1 MARKA 6:12, 13 LIOKA 9:6

  • NAMPIOFANA NY APOSTOLY I JESOSY ARY NANIRAKA AZY IREO

Nirahin’i Jesosy tsiroaroa ny apostoliny sady nomeny toromarika tena tsara momba ny fitoriana. Nampiomaniny koa izy ireo fa hisy hanohitra. Hoy izy: “Maniraka anareo aho, ka ho toy ny ondry eo afovoan’ny amboadia ianareo. ... Mitandrema amin’ny olona, fa hatolony amin’ny fitsarana eo an-toerana ianareo, ary hokaravasiny any amin’ny synagogany. Hotaritarihina hankeo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko.”—Matio 10:16-18.

Mety ho tojo fanenjehana mafy ny mpanara-dia an’i Jesosy, nefa nanome toky izy hoe: ‘Rehefa atolony ianareo, dia aza manahy ny amin’ny fomba hitenenanareo sy izay holazainareo, fa homena anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo. Tsy hoe ianareo fotsiny mantsy no miteny, fa ny fanahin’ny Rainareo no miteny amin’ny alalanareo.’ Hoy koa izy: ‘Ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho faty, ny ray hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty. Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Fa izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.’—Matio 10:19-22.

Zava-dehibe ny fitoriana ka nilaza i Jesosy fa tokony ho malina ny mpanara-dia azy mba ho afaka hitory an-kalalahana foana. Hoy izy: “Rehefa enjehiny ao amin’ny tanàna iray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa. Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho tapitra voatetinareo daholo ny tanànan’ny Israely, mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.”—Matio 10:23.

Tena tsara ny toromarika sy fampitandremana ary fampaherezana nomen’i Jesosy an’ireo apostoly 12. Ekenao angamba fa mila an’ireo koa izay hitory aorian’ny hahafatesan’i Jesosy sy hitsanganany amin’ny maty. Nilaza mantsy izy fa “ny olona rehetra” no hankahala ny mpianany, fa tsy ireo nitorian’ny apostoly fotsiny. Tsy milaza ny Baiboly hoe nentina teo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ny apostoly, nandritra ny fotoana fohy nitoriany tao Galilia. Tsy voalaza koa hoe nampamono azy ireo ho faty ny mpianakaviny.

Hita fa nieritreritra ny hoavy i Jesosy rehefa nilaza an’ireo toromarika ireo tamin’ny apostoly. Nilaza izy fa tsy ho tapitra voatetin’ny mpianany ny faritra itoriana, “mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.” Midika izany fa mbola tsy ho voatetin’ny mpitory ny faritra rehetra tokony hitoriana, dia efa ho avy i Jesosy Kristy Mpanjaka nomem-boninahitra, izay notendren’Andriamanitra ho Mpitsara.

Tsy tokony ho gaga ny apostoly raha nisy nanohitra. Hoy mantsy i Jesosy: “Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra azy, na ny mpanompo noho ny tompony.” Mazava ny teniny. Nampijalina sy nenjehina izy satria nitory ny Fanjakan’Andriamanitra, ka izany koa no hanjo ny mpianany. Hoy anefa i Jesosy: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa tsy mahafoana ny fiainanareo ho avy, fa aleo matahotra an’ilay mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.”—Matio 10:24, 28.

Ohatra tsara i Jesosy. Be herim-po izy ka naleony maty toy izay hivadika tamin’i Jehovah, izay manana ny hery rehetra. Ilay Mahery Indrindra no mahavita manafoana ny fiainan’ny olona amin’ny hoavy, na manangana azy amin’ny maty mba hiaina mandrakizay. Tena nampahery ny apostoly izany.

Nilaza fanoharana i Jesosy mba hampisehoana fa tena tia sy miahy ny mpanara-dia azy Andriamanitra. Hoy izy: “Tsy vola madinika kely vidy ve no ivarotana fody roa? Tsy hisy ho latsaka amin’ny tany anefa ireny na iray aza, ka tsy ho fantatry ny Rainareo. ... Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.”—Matio 10:29, 31.

Hampisaraka ny mpianakavy ny hafatra hotorin’ny mpianatr’i Jesosy, satria hisy hanaiky izany ary hisy tsy hanaiky. Hoy i Jesosy: “Aza mihevitra fa tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho.” Ilana herim-po tokoa ny manaiky ny fahamarinana ara-baiboly. Nilaza i Jesosy hoe: “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy, ary izay tia zanakalahy na zanakavavy mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy.”—Matio 10:34, 37.

Hisy handray tsara an’ireo mpianatra kosa anefa, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Izay manome rano mangatsiaka na eran’ny kaopy fotsiny aza, hosotroin’ny iray amin’ireto madinika ireto satria fantany fa mpianatro ilay omeny, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very mihitsy ny valisoany.”—Matio 10:42.

Vonona tsara izao ny apostoly satria nomen’i Jesosy toromarika sy fampitandremana ary fampaherezana. Lasa àry izy ireo “namakivaky an’ilay faritany ka nandeha isan-tanàna, nitory ny vaovao tsara ary nanasitrana teny rehetra teny.”—Lioka 9:6.