Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 51

Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana Nisy Vonoan’olona

Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana Nisy Vonoan’olona

MATIO 14:1-12 MARKA 6:14-29 LIOKA 9:7-9

  • NASAIN’I HERODA NOTAPAHINA NY LOHAN’I JAONA MPANAO BATISA

Nanompo tao Galilia ny apostolin’i Jesosy. Tsy mba afaka nanao toy izany kosa i Jaona Mpanao Batisa, ilay nampahafantatra an’i Jesosy. Efa ho roa taona izy izao no nigadra.

Sahy nilaza i Jaona hoe tsy nety ny nataon’i Heroda Antipasy Mpanjaka, rehefa nalainy ho vadiny i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny. Nisaraka tamin’ny vadiny voalohany mantsy i Heroda mba hanambadiana an’i Herodiasy. Tsy ara-dalàna sady fijangajangana ny nataony, araka ny Lalàn’i Mosesy izay nolazainy fa narahiny. Nogadrain’i Heroda àry i Jaona, ary i Herodiasy angamba no nampirisika azy hanao izany.

Tsy hitan’i Heroda izay hatao amin’i Jaona satria ‘nihevitra azy ho mpaminany’ ny olona. (Matio 14:5) Efa masaka tao an-tsain’i Herodiasy kosa ny tiany hatao. “Nitahiry lolompo tamin’i Jaona” izy ka nitady fomba hamonoana azy foana. (Marka 6:19) Nahita hirika ihany izy.

Nanao fety be i Heroda rehefa nitsingerina ny andro nahaterahany, taloha kelin’ny Paska taona 32. Tonga daholo ny manam-pahefana ambony sy ny manamboninahitry ny tafika ary ny lohandohany tao Galilia. Nasaina nandihy ho an’ireo vahiny i Salome, zanak’i Herodiasy tamin’i Filipo vadiny voalohany. Variana erỳ izy ireo nijery azy.

Faly be tamin’ilay zana-badiny i Heroda ka niteny hoe: “Angataho amiko izay rehetra tianao, fa homeko anao.” Nianiana mihitsy izy hoe: “Na inona na inona angatahinao, dia homeko anao, eny fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza.” Nanontany ny reniny àry aloha i Salome hoe: “Inona no tokony hangatahiko?”—Marka 6:22-24.

Tonga ilay fotoana efa nandrasan’i Herodiasy mafy. Namaly avy hatrany izy hoe: “Ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.” Niverina haingana tany amin’i Heroda i Salome ka niteny hoe: “Tiako raha homenao ahy izao ankehitriny izao eo ambony vilia ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa.”—Marka 6:24, 25.

Nalahelo be i Heroda. Efa ren’ny vahiny rehetra anefa ilay fianianany, ka ho afa-baraka izy raha mivadika amin’ny teniny. Tsy sahy nanda àry izy na dia voatery hamono olona tsy manan-tsiny aza. Naniraka ny mpiambina ny fonja izy mba hanao izany zavatra mahatsiravina izany. Tsy ela dia nitondra ny lohan’i Jaona teo ambony vilia izy io. Natolony an’i Salome ilay izy ary nentin’i Salome tany amin’ny reniny.

Ren’ny mpianatr’i Jaona izay nitranga ka tonga izy ireo naka ilay faty ary nandevina azy. Notantarainy tamin’i Jesosy avy eo izay nitranga.

Raiki-tahotra i Heroda tatỳ aoriana rehefa henony fa nanasitrana sy namoaka demonia i Jesosy. Lasa saina izy hoe sao dia mba i Jaona Mpanao Batisa “nitsangana tamin’ny maty” i Jesosy. (Lioka 9:7) Te hihaona mafy taminy àry i Heroda. Tsy te hihaino ny fampianaran’i Jesosy anefa izy, fa te hanamarina raha i Jaona tokoa io.