Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 53

Mpitondra Iray Mahavita Mifehy ny Toetrandro

Mpitondra Iray Mahavita Mifehy ny Toetrandro

MATIO 14:22-36 MARKA 6:45-56 JAONA 6:14-25

  • TIAN’NY OLONA HATAO MPANJAKA I JESOSY

  • NANDEHA TEO AMBONY RANO I JESOSY ARY NAMPITONY NY RIVOTRA

Tena nisy vokany ny nanaovan’i Jesosy fahagagana mba hanomezana sakafo olona an’arivony. Niaiky ny olona hoe izy “ilay mpaminany ho tonga amin’izao tontolo izao”, na ny Mesia. (Jaona 6:14; Deoteronomia 18:18) Nihevitra àry izy ireo fa hahay hitondra izy. Nitady hevitra hakana azy an-keriny mba hatao mpanjaka izy ireo.

Fantatr’i Jesosy ilay tetika. Noravany àry ny vahoaka ary nasainy niverina tao an-tsambokely ny mpianany, mba ho any Betsaida ary avy eo ho any Kapernaomy. Izy kosa nandeha nitokana tany an-tendrombohitra mba hivavaka, ny alin’iny.

Nazava ny volana rehefa haraina ny andro ary nitazana an’ilay sambokely i Jesosy. Nifofofofo ny rivotra ka nanonja be ny rano. “Sahirana mafy nivoy” àry ny apostoly satria “notoherin’ny rivotra.” (Marka 6:48) Nidina avy teny an-tendrombohitra i Jesosy ary nanomboka namakivaky ny onja mba ho eny amin’izy ireo. Efa “nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra” izy ireo tamin’izay. (Jaona 6:19) Rehefa hitan’ireo apostoly fa toa hisongona azy i Jesosy, dia natahotra izy ireo ka niantsoantso hoe: “Misy zavatra hafahafa iny!”—Marka 6:49.

Nampitony azy ireo i Jesosy ka nilaza hoe: “Mahereza fa izaho ihany ity. Aza matahotra.” Hoy anefa i Petera: “Raha ianao tokoa io, Tompoko, dia asaivo manatona anao eny ambony rano aho.” Hoy i Jesosy: “Avia àry!” Dia nidina avy tao an-tsambokely i Petera, ka nandeha teo ambony rano ary nanatona an’i Jesosy. Natahotra anefa izy rehefa nijery an’ilay tafio-drivotra, ka nanomboka nilentika. Niantsoantso izy hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Nanatsotra ny tanany àry i Jesosy ka nihazona azy, sady niteny hoe: “Ry kely finoana, nahoana ianao no nanjary nisalasala?”—Matio 14:27-31.

Nankao an-tsambokely i Jesosy sy Petera, ary nitsahatra ny rivotra. Gaga be ny mpianatra hoe afaka nandeha teo ambony rano i Jesosy sady nampitony ny rivotra! Tsy tokony ho gaga anefa izy ireo, raha azony ny tian’i Jesosy hampitaina tamin’izy namahana olona an’arivony, ora vitsy talohan’izay. Niankohoka teo anatrehan’i Jesosy izy ireo ka niteny hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.”—Marka 6:52; Matio 14:33.

Tsy ela izy ireo dia tonga tao Genesareta, lemaka kanto sy mamokatra tany atsimon’i Kapernaomy. Najanony teo ilay sambokely ary niakatra an-tanety izy ireo. Fantatry ny olona i Jesosy, ka nitondra marary teo aminy izy ireo sy ny olona avy teny amin’ny manodidina. Vao nikasika ny mikiramborambo tamin’ny akanjo ivelan’i Jesosy ny marary dia sitrana tanteraka.

Tsikaritr’ilay vahoaka nahita ny nanomezan’i Jesosy sakafo olona an’arivony fa tsy teo intsony izy. Rehefa tonga àry ny sambokely avy tany Tiberiasy, dia niditra tao izy ireo ary nankany Kapernaomy mba hitady an’i Jesosy. Hoy izy ireo rehefa nahita azy: “Raby ô, fa oviana ianao no tonga teto?” (Jaona 6:25) Nibedy azy ireo i Jesosy, ary nisy antony tsara nanaovany an’izany araka ny ho hitantsika.