Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 56

Inona no Tena Mandoto ny Olona?

Inona no Tena Mandoto ny Olona?

MATIO 15:1-20 MARKA 7:1-23 JAONA 7:1

  • NOLAZAIN’I JESOSY FA TSY METY NY MANARAKA FOMBAN-DRAZANA

Vao mainka nitory tao Galilia i Jesosy rehefa nanakaiky ny Paska taona 32. Azo inoana fa nankany Jerosalema izy avy eo mba hamonjy ny Paska, araka ny notakin’ny Lalàn’Andriamanitra. Mailo izy tamin’izay satria nitady hamono azy ny Jiosy. (Jaona 7:1) Niverina tany Galilia izy taorian’izay.

Tao Kapernaomy angamba i Jesosy rehefa nankeo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna avy tany Jerosalema. Nitady hevitra hiampangana azy ho manota amin’Andriamanitra izy ireo, ka niteny hoe: “Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fomban-drazana? Tsy manasa tanana izy, ohatra, rehefa hisakafo.” (Matio 15:2) Tsy nodidian’Andriamanitra mihitsy ny vahoakany hoe mila manao an’io fomba io, izany hoe ‘manasa tanana hatreo amin’ny kiho.’ (Marka 7:3) Nihevitra anefa ny Fariseo fa manao fahotana lehibe izay tsy manao izany.

Tsy namaly mivantana ny fiampangan’ny Fariseo i Jesosy, fa nasehony hoe minia mandika ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo. Hoy izy: “Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo? Nilaza, ohatra, Andriamanitra hoe: ‘Hajao ny rainao sy ny reninao’, ary hoe: ‘Aoka ho faty izay manevateva ny rainy na ny reniny.’ Fa hoy kosa ianareo: ‘Izay miteny amin’ny rainy na ny reniny hoe: “Efa fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra ny fananako rehetra azonao andraisan-tsoa avy amiko”, dia tsy voatery hanaja an-drainy.’ ”—Matio 15:3-6; Eksodosy 20:12; 21:17.

Nilaza ny Fariseo fa an’ny tempoly izay vola na fananana na zavatra hafa natokana ho fanomezana ho an’Andriamanitra, ka tsy azo ampiasaina amin-javatra hafa. Mbola an’ny tompony anefa ilay fanomezana, raha ny marina. Mety hilaza, ohatra, ny olona iray fa efa “korbana”, na fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra na ho an’ny tempoly, ny volany na ny fananany. Te hilaza ilay olona fa ny tempoly no tena tompon’ilay izy. Mbola an’azy ilay vola na ilay fananana ary mbola azony ampiasaina, nefa lazainy fa tsy azony anampiana ny ray aman-dreniny be taona sy sahirana. Mitsoaka adidy izy amin’izany.—Marka 7:11.

Nandika vilana ny Lalàn’Andriamanitra ny Fariseo, ka rariny raha tezitra i Jesosy. Hoy izy: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo. Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’i Isaia momba anareo hoe: ‘Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy. Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.’ ” Mafy tamin’ny Fariseo ny tenin’i Jesosy ka tsy nahateny izy ireo. Nasain’i Jesosy nanatona azy ny vahoaka ka hoy izy: “Mihainoa ka fantaro ny hevitr’izao: Tsy izay miditra amin’ny vavany no mandoto ny olona, fa izay mivoaka avy amin’ny vavany no mandoto azy.”—Matio 15:6-11; Isaia 29:13.

Tao amin’ny trano iray i Jesosy taorian’izay, ary hoy ny mpianany: “Fantatrao ve fa tafintohina ny Fariseo nony nandre izay nolazainao?” Hoy i Jesosy: “Hongotana ny zavamaniry rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra. Avelao izy, fa mpitarika jamba. Koa raha jamba no mitarika jamba, dia samy hianjera any an-kady izy ireo.”—Matio 15:12-14.

Nangataka fanazavana momba an’ilay hoe mandoto ny olona i Petera, mba ho an’ny mpianatra teo. Gaga i Jesosy ka hoy izy: “Tsy fantatrareo ve fa izay rehetra miditra ao am-bava dia mandalo ao amin’ny tsinay ary mivoaka, ka mankany amin’ny lavaka fanariana maloto? Izay mivoaka avy amin’ny vava kosa anefa dia avy ao am-po, ka izany no mandoto ny olona. Avy ao am-po, ohatra, no ivoahan’ny eritreri-dratsy, ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina. Izany no mandoto ny olona, fa ny mihinana amin’ny tanana tsy misasa tsy mandoto ny olona.”—Matio 15:17-20.

Tsy nampirisika ny olona tsy ho tia fahadiovana i Jesosy, ary tsy nilaza hoe tsy ilaina ny manasa tanana rehefa hikarakara na hihinana sakafo. Nomelohiny kosa ny mpitondra fivavahana mihatsaravelatsihy, satria ataon’izy ireo fialan-tsiny mba tsy hanarahana ny lalàna marin’Andriamanitra ny fomban-drazana. Avy ao am-po tokoa ny fanaovan-dratsy ary izany no mandoto ny olona.