Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 66

Tamin’ny Fetin’ny Tranolay Tao Jerosalema

Tamin’ny Fetin’ny Tranolay Tao Jerosalema

JAONA 7:11-32

  • NAMPIANATRA TAO AMIN’NY TEMPOLY I JESOSY

Lasa nalaza be i Jesosy taorian’ny batisany. Jiosy an’arivony no nahita ny fahagagana vitany ary niely eran’ilay firenena ny resaka momba izay nataony. Namonjy ny Fetin’ny Tranolay (na Trano Rantsankazo) ny olona ary maro no nitady azy.

Nizarazara be ny hevitry ny olona momba an’i Jesosy. Nisy nilaza hoe: “Olona tsara fanahy izy.” Nisy koa niteny hoe: “Tsy tsara fanahy izy, fa mpamita-bahoaka.” (Jaona 7:12) Nitakoritsika be momba izany ny olona nandritra ireo andro voalohany tamin’ilay fety. Tsy nisy sahy niaro an’i Jesosy teo anatrehan’ny vahoaka anefa, satria maro no natahotra ny mpitondra jiosy.

Niseho tao amin’ny tempoly i Jesosy rehefa nisasaka ilay fety. Maro no gaga satria tena nahay nampianatra izy. Tsy nianatra tany amin’ny sekolin’ireo raby izy ka talanjona ny Jiosy ary niteny hoe: “Ahoana koa no mba ananan’io fahaizana sy fahalalana hoatr’izany, nefa tsy nianatra tany amin’ny sekolintsika izy?”—Jaona 7:15.

Nanazava i Jesosy hoe: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy. Raha misy olona te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ho fantatr’izany olona izany raha avy amin’Andriamanitra ny fampianarako, na miteny araka ny nahim-poko fotsiny aho.” (Jaona 7:16, 17) Mifanaraka amin’ny Lalàn’Andriamanitra ny fampianaran’i Jesosy ka tokony hiharihary fa te hanome voninahitra an’Andriamanitra izy fa tsy nitady laza.

Hoy ihany i Jesosy: “Tsy i Mosesy ve no nanome anareo ny Lalàna? Tsy misy mankatò ny Lalàna anefa ianareo. Nahoana no tadiavinareo hovonoina aho?” Vahiny angamba ny sasany tamin’ny vahoaka ka tsy nahalala fa nisy nikasa hamono i Jesosy. Tsy nino izy ireo hoe mpampianatra mahay be hoatr’azy dia hisy hamono. Nihevitra àry izy ireo fa hafahafa i Jesosy matoa nilaza an’izany. Hoy izy ireo: “Misy demonia ianao. Iza koa izao no mitady hamono anao eo?”—Jaona 7:19, 20.

Nitady hamono an’i Jesosy ny mpitondra jiosy, herintaona sy tapany talohan’izay. Avy nanasitrana lehilahy iray tamin’ny Sabata izy tamin’izay. Nampisaintsaina azy ireo i Jesosy tamin’ity indray mandeha ity ary nasehony fa tsy misaina tsara izy ireo. Nampahatsiahiviny fa takin’ny Lalàna ny hamorana ny zazalahy amin’ny andro fahavalo, na dia Sabata aza. Nanontany izy avy eo hoe: “Koa raha amin’ny sabata aza no anaovana famorana mba tsy handikana ny lalàn’i Mosesy, dia tezitra mafy amiko ve ianareo, satria nositraniko tanteraka ny olona iray, tamin’ny andro sabata? Aza mitsara ivelany intsony, fa mba mitsarà araka ny rariny.”—Jaona 7:23, 24.

Nahalala ny zava-nitranga ny mponin’i Jerosalema ka niteny hoe: “Tsy io moa ilay tadiavin-dry zareo [mpitondra] hovonoina? Jereo anefa fa miteny ampahibemaso izy, kanefa tsy miteny na inona na inona aminy ry zareo. Sao dia efa tena fantatr’ireo lohandohany eto amintsika àry fa izy no Kristy?” Nahoana àry no mbola tsy nino ihany ny olona fa i Jesosy no Kristy? Hoy izy ireo: ‘Isika mahalala izay niavian’io lehilahy io. Rehefa tonga anefa i Kristy, dia tsy misy mahalala izay iaviany.’—Jaona 7:25-27.

Mbola tao amin’ny tempoly i Jesosy no namaly hoe: “Fantatrareo aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Sady tsy tonga araka ny nahim-poko aho. Tena misy ilay naniraka ahy, fa ianareo no tsy mahalala azy. Izaho mahalala azy, satria izaho no solontenany ary Izy no naniraka ahy.” (Jaona 7:28, 29) Nazava ny teniny ka nisy te hisambotra azy, angamba mba hanagadrana na hamonoana azy. Tsy nahavita izany anefa izy ireo satria mbola tsy tonga ny fotoana hahafatesan’i Jesosy.

Maro no nino an’i Jesosy na izany aza, ary izany no tokony ho izy. Efa nandeha teo ambony rano izy, nampitony rivotra, nampiasa mofo sy trondro vitsivitsy mba hanomezana sakafo olona an’arivony, nanasitrana ny marary toy ny malemy tongotra sy ny jamba ary ny boka, ary nanangana ny maty mihitsy. Rariny raha nanontany izy ireo hoe: “Rehefa tonga i Kristy, hanao famantarana maro noho ny vitan’ity lehilahy ity ve izy?”—Jaona 7:31.

Nandre ny vahoaka nilaza izany ny Fariseo ka naniraka mpiambina hisambotra an’i Jesosy izy ireo sy ny lehiben’ny mpisorona.