Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 67

“Mbola Tsy Nisy Olona Niteny Tahaka Izany Mihitsy”

“Mbola Tsy Nisy Olona Niteny Tahaka Izany Mihitsy”

JAONA 7:32-52

  • NIRAHINA HISAMBOTRA AN’I JESOSY NY MPIAMBINA

  • NIARO AN’I JESOSY I NIKODEMOSY

Mbola namonjy ny Fetin’ny Tranolay (na Trano Rantsankazo) tany Jerosalema i Jesosy. Faly izy fa “nino azy ny ankamaroan’ny vahoaka.” Tsy nahafaly ny mpitondra fivavahana anefa izany. Naniraka olona hisambotra an’i Jesosy àry izy ireo. (Jaona 7:31, 32) Tsy niafina i Jesosy na izany aza.

Mbola nampianatra an-karihary tao Jerosalema izy. Hoy izy: “Mbola hijanona kelikely eto aminareo aho, alohan’ny handehanako any amin’ilay naniraka ahy. Hitady ahy ianareo fa tsy hahita ahy, ary izay misy ahy tsy azonareo aleha.” (Jaona 7:33, 34) Tsy azon’ny Jiosy ny teniny, ka nifampiresaka izy ireo hoe: “Mikasa ho aiza àry izy io, ka tsy ho hitantsika? Ary sao dia mikasa hankany amin’ny Jiosy miely patrana any amin’ny Grika àry izy, ka hampianatra ny Grika? Inona no dikan’ny teniny hoe: ‘Hitady ahy ianareo fa tsy hahita ahy, ary izay misy ahy tsy azonareo aleha’?” (Jaona 7:35, 36) Te hilaza anefa i Jesosy fa ho faty izy ary hatsangana amin’ny maty ho any an-danitra, ka tsy ho afaka hanaraka azy any ny fahavalony.

Tonga ny andro fahafito tamin’ilay fety. Nandraraka rano avy tao amin’ny Dobon’i Siloama ny mpisorona iray isa-maraina, nandritra an’ilay fety. Nikoriana nankeo am-pototry ny alitaran’ny tempoly ilay rano. Te hampahatsiahy an’io fanao io angamba i Jesosy ka niteny mafy hoe: “Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona ahy ka hisotro. Izay mino ahy, dia ‘hisy rano velona hikoriana avy ao anatiny ao’, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.”—Jaona 7:37, 38.

Ny tian’i Jesosy holazaina dia izay hitranga rehefa ho voahosotry ny fanahy masina sy ho voantso ho any an-danitra ny mpianany. Aorian’ny hahafatesan’i Jesosy no hitranga izany fanosorana fanahy masina izany. Toy ny nisy rano manome aina nanomboka nikoriana, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nanomboka nitory ny fahamarinana mantsy ireo mpianatra voahosotry ny fanahy tamin’izay.

Gaga tamin’ny fampianaran’i Jesosy ny sasany ka nilaza hoe: “Tena io mihitsy Ilay Mpaminany!” Toa ilay mpaminany voalazan’ny faminaniana hoe lehibe noho i Mosesy no tao an-tsainy. Nisy koa niteny hoe: “Io no Kristy!” Nisy anefa nilaza hoe: “Avy any Galilia angaha moa no iavian’i Kristy? Fa angaha moa ny Soratra Masina tsy nilaza an’i Kristy ho avy amin’ny taranak’i Davida, avy any Betlehema, tanàna kely nonenan’i Davida?”—Jaona 7:40-42.

Nizarazara àry ny vahoaka. Nisy te hisambotra an’i Jesosy, nefa tsy nisy sahy nikasika azy. Niverina tany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo ireo mpiambina, nefa tsy nitondra an’i Jesosy. Hoy àry ny Fariseo: “Nahoana no tsy nentinareo atỳ izy?” Namaly ireo hoe: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.” Tezitra ny mpitondra fivavahana ka naneso hoe: “Voafitaka koa angaha ianareo? Fa angaha moa mba misy mino azy ny lohandohany eo amin’ny Jiosy na ny Fariseo? Fa olom-boaozona ireo vahoaka tsy mahalala ny Lalàna ireo.”—Jaona 7:45-49.

Sahy niaro an’i Jesosy anefa i Nikodemosy, Fariseo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Nankany amin’i Jesosy tamin’ny alina izy, roa taona sy tapany teo ho eo talohan’izay, ary nampiseho fa nino azy. Hoy izy tamin’ity indray mandeha ity: “Angaha moa ny lalàntsika manameloka olona, raha tsy efa re aloha ny teniny ka fantatra izay ataony?” Niaro tena ny Fariseo ka nilaza hoe: “Angaha koa ianao avy any Galilia? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilia.”—Jaona 7:51, 52.

Tsy milaza mivantana ny Soratra Masina hoe hisy mpaminany avy any Galilia. Milaza anefa ny Tenin’Andriamanitra fa avy any no hiavian’i Kristy. Voalaza ao mantsy fa hisy “hazavana lehibe” ho hitan’ny olona any “Galilian’ireo hafa firenena.” (Isaia 9:1, 2; Matio 4:13-17) Teraka tao Betlehema sy taranak’i Davida koa i Jesosy, araka ny faminaniana. Nety ho efa nahalala an’izany ny Fariseo, nefa toa izy ireo no nahatonga ny olona hanana hevi-diso maro momba an’i Jesosy.