Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 76

Nisakafo tao Amin’ny Fariseo Iray

Nisakafo tao Amin’ny Fariseo Iray

LIOKA 11:37-54

  • NANAMELOKA NY FARISEO MPIHATSARAVELATSIHY I JESOSY

Nanaiky hisakafo tao amin’ny Fariseo iray i Jesosy tany Jodia. Toa tsy sakafo hariva ilay izy fa antoandro. (Lioka 11:37, 38) Fanaon’ny Fariseo ny nanasa tanana hatrany amin’ny kiho rehefa hisakafo. Tsy nanao izany anefa i Jesosy. (Matio 15:1, 2) Tsy noraran’ny Lalàn’Andriamanitra io fanao io, nefa tsy nitaky izany koa Andriamanitra.

Gaga ilay Fariseo nahita an’i Jesosy tsy nanaraka an’ilay fombafomba. Tsikaritr’i Jesosy izany ka hoy izy: “Ianareo Fariseo manadio ny ivelan’ny kaopy sy ny vilia, nefa ny ao anatinareo feno fandrobana sy faharatsiana. Ry tsy misaina, tsy izay nanao ny anatiny ihany ve no nanao ny ivelany?”—Lioka 11:39, 40.

Ny fihatsarambelatsihin’izy ireo no olana, fa tsy ilay hoe tsy manasa tanana alohan’ny hisakafo. Zatra nanasa tanana ny Fariseo sy ny olon-kafa, nefa tsy nanadio ny fony mba tsy hisy faharatsiana. Hoy àry i Jesosy: “Izay ao am-ponareo no omeo ho fiantrana ny mahantra, dia hadio daholo ny zava-drehetra momba anareo.” (Lioka 11:41) Tena marina izany. Ny fo feno fitiavana no tokony handrisika hanome fa tsy ny fisehoana ho marina mba hampitolagaga ny hafa.

Tsy hoe tsy nanome ny Fariseo. Hoy i Jesosy: “Manome ny ampahafolon’ny anana toy ny solila sy ny rota ary ny anana hafa rehetra ianareo, nefa lalovanareo fotsiny ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra! Iretsy tsy maintsy nataonareo, nefa tsy tokony hodianareo tsy hita koa ireto.” (Lioka 11:42) Nitaky ny hanomezana ny ampahafolon’ny vokatra ny Lalàn’Andriamanitra. (Deoteronomia 14:22) Anisan’izany ny solila sy ny rota, izay zavamaniry mampahatsiro sakafo. Nitandrina tsara mba handoa ny ampahafolon’ireo ny Fariseo. Tsy noraharahainy anefa ny zava-dehibe kokoa tamin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny sy ny manetry tena.—Mika 6:8.

Hoy ihany i Jesosy: “Lozanareo Fariseo, satria tianareo ny toerana eny aloha ao amin’ny synagoga sy ny hoarahabain’ny olona eny an-tsena! Lozanareo, satria toy ny fasana tsy miharihary ianareo, ka hitsahin’ny olona nefa tsy fantany akory!” (Lioka 11:43, 44) Nety ho nahahitsaka an’ireny fasana ireny ny olona ka naloto. Nasongadin’i Jesosy tamin’izany fa tsy miharihary ny fahalotoan’ny Fariseo.—Matio 23:27.

Nitaraina ny lehilahy iray nahay ny Lalàn’Andriamanitra hoe: “Mpampianatra ô, manala baraka anay koa ange izany teninao izany e!” Tokony ho tsapan’izy ireo anefa fa tsy nanampy ny olona izy ireo. Hoy i Jesosy: “Lozanareo mahay Lalàna koa, satria ampitondrainareo entana sarotra entina ny olona, nefa ny tenanareo tsy mikasika izany amin’ny rantsantananareo anankiray akory! Lozanareo, satria manorina ny fasan’ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo no namono azy ireny!”—Lioka 11:45-47.

Noharin’i Jesosy tamin’ny entana ny lovantsofina sy ny fanazavan’ny Fariseo ny fomba hampiharana ny Lalàna. Noteren’izy ireo hanaraka an’izany ny rehetra, ka lasa nitondra enta-mavesatra. Tsy nanamora ny fiainan’ny olona izy ireo. Ny razamben’izy ireo no namono ny mpaminany, nanomboka tamin’i Abela. Nanahaka ny toe-tsaina sy fanaon’ny razambeny izy ireo, nefa niseho ho nanaja ny mpaminany ka nanao fasana ho azy ireo. Tiany hovonoina aza ilay Mpaminanin’Andriamanitra lehibe indrindra. Nilaza i Jesosy fa hataon’Andriamanitra ampamoaka io taranaka io. Nitranga izany 38 taona teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny taona 70.

Hoy ihany i Jesosy: “Lozanareo mahay Lalàna, satria nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, ary ianareo tsy niditra nefa izay handeha hiditra nosakananareo!” (Lioka 11:52) Ireo lehilahy tokony hampianatra ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra ireo indray no nanao izay tsy hahafantaran’ny olona azy io sy hahazoany ny heviny.

Nanao ahoana ny fihetsiky ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna? Tezitra izy ireo ka nanohitra mafy an’i Jesosy rehefa niala teo izy. Nototofany fanontaniana izy nefa tsy hoe mba hahalalana zavatra. Te hamandrika azy kosa izy ireo mba hilazany zavatra azo isamborana azy.