Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 80

Ilay Mpiandry Tena Tsara sy ny Valan’ondry

Ilay Mpiandry Tena Tsara sy ny Valan’ondry

JAONA 10:1-21

  • NIRESAKA MOMBA AN’ILAY MPIANDRY TENA TSARA SY NY VALAN’ONDRY I JESOSY

Mbola nampianatra tany Jodia i Jesosy rehefa nilaza fanoharana momba ny ondry sy valan’ondry. Mora azon’ny mpihaino izany. Tsaroan’ny Jiosy angamba ny tenin’i Davida hoe: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho. Mampandry ahy eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso izy.” (Salamo 23:1, 2) Nampirisika ny firenen’Israely koa i Davida hoe: “Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah Mpanao antsika. Fa izy no Andriamanitsika, ary isika no olona karakarainy eo an-kijanany.” (Salamo 95:6, 7) Efa ela àry ny Israelita teo ambanin’ny Lalàna no noharina tamin’ny andian’ondry.

Tao anaty “valan’ondry” ireo “ondry” ireo, satria vao teraka dia teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy. Toy ny fefy ny Lalàna satria niaro azy ireo mba tsy hanao ny fanao ratsin’ireo tsy nanana ny Lalàna. Nisy anefa Israelita nampijaly ny andian’ondrin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra eo amin’ny vavahadin’ny valan’ondry, fa mananika any an-toeran-kafa dia mpangalatra sy mpandroba. Fa izay miditra eo amin’ny vavahady kosa no mpiandry ondry.”—Jaona 10:1, 2.

Ireo nisandoka ho Mesia na Kristy angamba no tao an-tsain’ny olona. Toy ny mpangalatra sy mpandroba izy ireny. Tsy tokony hanaraka an’ireny ny olona fa hanaraka an’ilay “mpiandry ondry” nolazain’i Jesosy hoe:

“Izy no vohan’ny mpiandry vavahady, ary mihaino ny feony ny ondry. Dia antsoiny amin’ny anarany avy ny ondriny, ka tarihiny hivoaka. Koa rehefa tafavoakany daholo ny ondriny rehetra, dia mandeha eo alohan’ireo izy, ary ny ondry manaraka azy satria fantatr’ireo ny feony. Tsy hanaraka olona tsy fantany mihitsy ireo, fa handositra azy kosa satria tsy fantany ny feony.”—Jaona 10:3-5.

Toy ny mpiandry vavahady i Jaona Mpanao Batisa. Efa nilaza izy fa i Jesosy no tokony harahin’ny “ondry” eo ambanin’ny Lalàna. Nahafantatra ny feon’i Jesosy tokoa ny “ondry” sasany tany Galilia sy Jodia. ‘Hotarihiny hivoaka’ ho aiza izy ireo? Inona no vokany raha manaraka azy izy ireo? Nety ho nieritreritra an’ireo ny olona sasany nihaino an’io fanoharana io satria ‘tsy azony izay nolazain’i Jesosy taminy.’—Jaona 10:6.

Nanazava i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izaho no vavahadin’ondry. Mpangalatra sy mpandroba izay rehetra naka ny toerako, nefa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no vavahady. Izay miditra eo amiko dia ho voavonjy, ary hiditra sy hivoaka izy ary hahita tanimbilona.”—Jaona 10:7-9.

Hita hoe zava-baovao ilay noresahin’i Jesosy. Efa nisy hatramin’ny taonjato maro ny fifaneken’ny Lalàna, ary fantatry ny mpihaino fa tsy vavahady nitarika ho amin’izy io i Jesosy. Tsy maintsy ho valan’ondry hafa àry no hidiran’ny ondry tarihin’i Jesosy. Inona no soa horaisin’izy ireo amin’izany?

Hoy ihany i Jesosy momba ny andraikiny: “Izaho kosa tonga mba hananany fiainana, eny, hananany fiainana maharitra. Izaho no mpiandry tena tsara. Ny mpiandry tena tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondry.” (Jaona 10:10, 11) Efa nampahery ny mpianany i Jesosy hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32) Hotarihin’i Jesosy ao amin’ilay vala vaovao ny “ondry vitsy”, mba “hananany fiainana, eny, hananany fiainana maharitra.” Tombontsoa tokoa ny anisan’izy io!

Hoy ihany i Jesosy: “Manana ondry hafa tsy ao amin’ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry.” (Jaona 10:16) Tsy ao amin’io vala io ny “ondry hafa”, ka tsy maintsy ho ao amin’ny vala hafa noho ilay misy ny “ondry vitsy” handova ny Fanjakana. Tsy mitovy ny hoavin’ny ondry ao amin’ireo vala roa ireo, nefa samy handray soa amin’izay hataon’i Jesosy izy ireo. Hoy i Jesosy: “Izao no itiavan’ny Ray ahy: Satria afoiko ny aiko mba hahazoako azy indray.”—Jaona 10:17.

Maro no niteny hoe: “Misy demonia izy, sady adala.” Nisy anefa nihaino tsara sy vonona hanaraka an’ilay Mpiandry Tena Tsara. Hoy izy ireo: “Tsy tenin’olona misy demonia izany. Ny demonia angaha afaka mampahiratra ny mason’ny jamba?” (Jaona 10:20, 21) Azo inoana fa ny nanasitranan’i Jesosy an’ilay lehilahy teraka jamba no tian’izy ireo holazaina.