Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 81

Inona no Dikan’ny hoe Iray Ihany i Jesosy sy ny Ray?

Inona no Dikan’ny hoe Iray Ihany i Jesosy sy ny Ray?

JAONA 10:22-42

  • “IZAHO SY NY RAY DIA IRAY IHANY”

  • NOLAVIN’I JESOSY NY FIAMPANGANA HOE MANAO NY TENANY HO ANDRIAMANITRA IZY

Namonjy ny Fetin’ny Fitokanana (na Hanoukka) tao Jerosalema i Jesosy. Fahatsiarovana ny nitokanana indray ny tempoly izy io. Nanao alitara teo ambonin’ilay alitara lehibe tao amin’ny tempolin’Andriamanitra mantsy i Antiokosa Faha-4 Epifana, mpanjaka syrianina, zato taona mahery talohan’izay. Azon’ny zanakalahin’ny mpisorona jiosy iray anefa i Jerosalema, ary notokanany ho an’i Jehovah indray ny tempoly. Lasa nisy fety àry isaky ny 25 Kisleo. Nanomboka tamin’ny faramparan’ny Novambra ka hatramin’ny voalohandohan’ny Desambra ny volana Kisleo.

Ririnina tamin’izay ka nangatsiaka. Nandeha teo amin’ny lala-mitafon’i Solomona tao amin’ny tempoly i Jesosy. Nitangoronan’ny Jiosy izy ary nanontaniany hoe: “Mandra-pahoviana ianao no hampisalasala anay? Tsory aminay raha ianao no Kristy.” (Jaona 10:22-24) Hoy i Jesosy: “Efa nolazaiko taminareo, saingy tsy mino ianareo.” Tsy nilaza mivantana tamin’ireo izy hoe izy no Kristy, toy ny tamin’ilay vehivavy samaritanina teo am-pantsakana. (Jaona 4:25, 26) Efa nampahafantariny anefa ny momba azy, tamin’izy niteny hoe: “Mbola tsy ary akory i Abrahama, dia efa nisy aho.”—Jaona 8:58.

Tian’i Jesosy hampitaha ny asa ataony amin’izay voalaza fa hataon’i Kristy ny olona ka hiaiky fa izy no Kristy. Izany no nahatonga azy handrara ny mpianany indraindray mba tsy hilazalaza hoe izy no Mesia. Notsoriny tamin’ireo Jiosy ratsy fanahy ireo anefa izao hoe: “Ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko no porofo manamarina ahy. Tsy mino anefa ianareo.”—Jaona 10:25, 26.

Nahoana izy ireo no tsy nino fa i Jesosy no Kristy? Hoy i Jesosy: ‘Tsy mino ianareo, satria tsy anisan’ny ondriko. Ny ondriko mantsy mihaino ny feoko, ary izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy. Dia omeko fiainana mandrakizay izy, ary tsy ho ringana mihitsy sady tsy hisy handrombaka azy etỳ an-tanako. Izay nomen’ny Raiko ahy dia sarobidy noho ny zavatra hafa rehetra.’ Nasehony fa mifandray akaiky izy sy ny Rainy. Hoy izy: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” (Jaona 10:26-30) Tsy iray ara-bakiteny i Jesosy sy ny Rainy, satria izy teto an-tany fa ny Rainy any an-danitra. Midika kosa izany fa miray saina izy ireo, ary iray ny fikasany.

Nahatezitra ny Jiosy ny tenin’i Jesosy, ka naka vato hitorahana azy indray izy ireo. Tsy natahotra anefa i Jesosy. Hoy izy: “Asa tsara maro avy tamin’ny Ray no nasehoko taminareo, koa iza amin’ireo no itorahanareo vato ahy?” Hoy ireo: ‘Tsy noho ny asa tsara no itorahanay vato anao, fa noho ny teny fanevatevana, satria ianao manao ny tenanao ho andriamanitra.’ (Jaona 10:31-33) Tsy nihambo ho andriamanitra mihitsy i Jesosy, koa nahoana izy ireo no nilaza izany?

Nisy zavatra nolazain’i Jesosy fa vitany, nefa noheverin’ny Jiosy fa Andriamanitra irery no mahavita izany. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa ‘omeny fiainana mandrakizay’ ny ‘ondry.’ (Jaona 10:28) Tsy misy olona mahavita izany anefa. Efa nilaza an-karihary i Jesosy fa nahazo fahefana avy tamin’ny Ray, nefa tsy noraharahain’ny Jiosy izany.

Te hanaporofo i Jesosy fa diso izy ireo ka hoy izy: “Tsy voasoratra ao amin’ny Lalànareo [ao amin’ny Salamo 82:6] ve hoe: ‘Hoy aho: “andriamanitra ianareo”’? Koa raha antsoiny hoe ‘andriamanitra’ ireo nomelohin’ny tenin’Andriamanitra, ... nahoana aho, izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny ho amin’izao tontolo izao, no lazainareo hoe manevateva an’Andriamanitra satria aho nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra aho?”—Jaona 10:34-36.

Ny mpitsara olombelona manao ny tsy rariny aza antsoin’ny Soratra Masina hoe “andriamanitra.” Nahoana àry ny Jiosy no nanakiana an’i Jesosy noho izy nilaza fa “Zanak’Andriamanitra”? Tokony haharesy lahatra azy ireo izao teniny izao: “Aza mino ahy raha tsy manao ny asan’ny Raiko aho. Fa raha manao izany kosa aho, na tsy mino ahy aza ianareo, dia minoa kosa noho ny asa ataoko, mba hahafantaranareo ary mbola hahafantaranareo hatrany fa ny Ray dia tafaray amiko, ary izaho tafaray amin’ny Ray.”—Jaona 10:37, 38.

Nitady hisambotra an’i Jesosy àry ny Jiosy, saingy afa-nandositra indray izy. Niala tao Jerosalema izy ary nankany ampitan’ny Reniranon’i Jordana. Tany i Jaona no nanomboka nanao batisa, efa ho efa-taona talohan’izay. Toa tsy lavitra ny farany atsimo amin’ny Ranomasin’i Galilia izy io.

Nisy vahoaka tonga teo amin’i Jesosy ary niteny hoe: “Tsy mba nanao famantarana i Jaona na iray aza. Marina daholo anefa izay rehetra nolazainy momba ity lehilahy ity.” (Jaona 10:41) Maro àry ny Jiosy lasa nino an’i Jesosy.