Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 85

Fifaliana Noho Ilay Mpanota Nibebaka

Fifaliana Noho Ilay Mpanota Nibebaka

LIOKA 15:1-10

  • FANOHARANA MOMBA NY ONDRY VERY SY ILAY VOLA MADINIKA VERY

  • FALY NY ANJELY ANY AN-DANITRA

Imbetsaka i Jesosy no nanamafy fa ilaina ny manetry tena. (Lioka 14:8-11) Tena te hahita lehilahy sy vehivavy manetry tena sy maniry hanompo an’Andriamanitra izy. Nety ho mbola nalaza ho mpanota anefa ny sasany taminy.

Hitan’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna fa nahaliana an’ireny olona ireny i Jesosy sy ny hafatra nentiny. Nihevitra azy ireny ho tsinontsinona anefa izy ireo ka nimenomenona hoe: “Ilehio mandray tsara ny mpanota sady miara-mihinana aminy.” (Lioka 15:2) Nihevi-tena ho ambony ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ary nataony toy ny vovoka hitsahin’ny tongony ny sarambabem-bahoaka. Tena halany izy ireny ka nantsoiny tamin’ny teny hebreo hoe ‛am ha’arets na “olon’ny tany.”

I Jesosy kosa nanaja sy nangoraka ny olona rehetra ary tsara fanahy taminy. Maro tamin’ireo olona ambany saranga àry no tena te hihaino azy, anisan’izany ireo nalaza ho mpanota. Nisy nanakiana azy anefa noho izy nanampy an’ireny olona ireny. Inona àry no tsapany sy nataony?

Mamaly izany ny fanoharana iray mampihetsi-po nolazain’i Jesosy. Toy ilay efa nolazainy tany Kapernaomy izy io. (Matio 18:12-14) Nataony toy ny hoe olo-marina sy voaro tao anaty valan’Andriamanitra ny Fariseo. Nohariny tamin’ny ondry very kosa ny olona ambany.

Hoy izy: ‘Iza aminareo moa, raha manana ondry 100 ka very ny anankiray, no tsy hamela ny 99 any an-tany efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary hataony eo an-tsorony ilay izy rehefa hitany, sady hiravoravo izy. Dia hovoriny ny namany sy ny mpiara-monina aminy rehefa tonga any an-tranony izy, ka hilazany hoe: “Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ilay ondriko very.”’—Lioka 15:4-6.

Ahoana no nanazavan’i Jesosy an’izany? Hoy izy: ‘Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana mihoatra noho izany any an-danitra ny amin’ny mpanota anankiray mibebaka noho ny amin’ny olo-marina 99 izay tsy mila mibebaka.’—Lioka 15:7.

Azo antoka fa taitra ny Fariseo rehefa niresaka momba ny fibebahana i Jesosy. Nihevi-tena ho marina izy ireo ary nieritreritra fa tsy nila nibebaka. Nanakiana an’i Jesosy ny sasany taminy, roa taona teo ho eo talohan’izay, noho izy niara-nisakafo tamin’ny mpamory hetra sy mpanota. Hoy anefa izy: “Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.” (Marka 2:15-17) Tsy nahafaly an’ireo tany an-danitra ireo Fariseo nihevi-tena ho marina, satria tsy nahatsapa hoe nila nibebaka. Faly kosa ny any an-danitra rehefa misy mpanota tena mibebaka.

Nilaza fanoharana hafa i Jesosy mba hanamafisana fa misy fifaliana be any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka. Zava-nitranga tao amin’ny trano iray ilay izy. Hoy izy: “Iza moa no vehivavy manam-bola madinika drakma folo, ka very ny anankiray, no tsy handrehitra jiro sy hamafa trano ka hitady azy tsara mandra-pahitany azy? Dia hovoriny ny vehivavy namany sy ny mpiara-monina aminy rehefa hitany ilay izy, ka hilazany hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ilay vola very.’ ”—Lioka 15:8, 9.

Toy ny nanazavan’i Jesosy an’ilay fanoharana momba ny ondry very ny nanazavany an’io. Hoy izy: “Lazaiko aminareo fa mifaly toy izany koa ny anjelin’Andriamanitra rehefa misy mpanota anankiray mibebaka.”—Lioka 15:10.

Mba eritrereto ange e! Tena mahaliana an’ireo anjelin’Andriamanitra ny hoe misy mpanota mibebaka. Tena miavaka izany, satria hahazo toerana ambony kokoa noho ny an’ny anjely izay mpanota mibebaka sy tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (1 Korintianina 6:2, 3) Tsy mialona anefa ny anjely. Ahoana àry no tokony ho fihetseham-pontsika rehefa misy mpanota manatona an’Andriamanitra ka tena mibebaka?