Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 89

Nampianatra tao Pere i Jesosy Tamin’izy ho any Jodia

Nampianatra tao Pere i Jesosy Tamin’izy ho any Jodia

LIOKA 17:1-10 JAONA 11:1-16

  • TENA RATSY NY MANAFINTOHINA NY HAFA

  • ILAINA NY MAMELA HELOKA SY MANANA FINOANA

Nijanona kely tao Pere tany “ampitan’ny Reniranon’i Jordana” i Jesosy, tamin’izy nianatsimo ho any Jerosalema.—Jaona 10:40.

Niaraka tamin’i Jesosy ny mpianany sy ny “vahoaka be”, anisan’izany ny mpamory hetra sy ny mpanota. (Lioka 14:25; 15:1) Nanaraka azy koa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna, izay nanakiana ny teniny sy ny nataony. Betsaka ny zavatra tokony hosaintsainin’izy ireo rehefa avy nihaino ny fanoharan’i Jesosy momba ny ondry very sy ny zanaka very ary ilay mpanankarena sy Lazarosy.—Lioka 15:2; 16:14.

Mbola nieritreritra ny fanakianan’ny Fariseo sy ny fanesoany azy angamba i Jesosy ka niresaka tamin’ny mpianany. Nilaza hevitra efa noresahiny tany Galilia izy.

Hoy, ohatra, izy: “Tsy maintsy misy toe-javatra mahatafintohina, kanefa lozan’izay iavian’izany! ... Koa mitandrema ianareo. Ary teneno mafy ny rahalahinao raha manota, ka mamelà azy raha mibebaka izy. Fa na manota aminao impito aza izy ao anatin’ny indray andro, ka miverina impito eo aminao, manao hoe: ‘Mibebaka aho’, dia tsy maintsy mamela azy ianao.” (Lioka 17:1-4) Tsaroan’i Petera angamba teo ilay fanontaniany hoe hatramin’ny impito ve no hamela heloka.—Matio 18:21.

Ho vitan’ny mpianatra ve ny hampihatra ny tenin’i Jesosy? Nangataka izy ireo hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” Nanome toky àry izy hoe: “Raha manam-pinoana ianareo, na bitika toy ny voan-tsinapy aza, ary hilaza amin’itsy voaroihazo itsy hoe: ‘Aoka ianao hiongotra ka haniry any an-dranomasina!’, dia hankatò anareo izy.” (Lioka 17:5, 6) Mahavita zavatra lehibe tokoa ny finoana, na dia kely fotsiny aza.

Nasehon’i Jesosy avy eo fa tena ilaina ny manetry tena sy mihevi-tena araka ny antonony ka hoy izy tamin’ny apostoly: “Raha misy aminareo manana mpanompo miasa tany na miandry ondry, ka mody avy any an-tsaha io, iza aminareo moa no hilaza aminy hoe: ‘Avia haingana ianao eto, ary mandria ilika hisakafo’? Tsy hilaza aminy kosa ve izy hoe: ‘Karakarao ny sakafo harivako, ary anaovy ny aron’akanjonao ka rosoy hanina aho mandra-pitsahatro mihinana sy misotro, ary rehefa vita izany, dia mahazo mihinana sy misotro kosa ianao’? Ho velom-pisaorana an’ilay mpanompo ve izy, satria nanao izay nasainy natao izy io? Toy izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tokony ho nataonay no nataonay.’ ”—Lioka 17:7-10.

Tokony ho takatry ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay fa ilaina ny manao loha laharana ny sitrapon’Andriamanitra. Tokony hitadidy koa ny tsirairay fa tombontsoa ny anisan’ny ankohonan’Andriamanitra sy manompo azy.

Toa taoriana kelin’izay no nisy iraka tonga avy any amin’i Maria sy Marta, anabavin’i Lazarosy. Nipetraka tany Betania any Jodia izy telo mianadahy ireo. Hoy ilay iraka: “Tompo ô, marary ilay tsy foinao.”—Jaona 11:1-3.

Tsy ketraka noho ny alahelo i Jesosy, na dia reny aza hoe narary mafy i Lazarosy namany. Hoy kosa izy: “Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ho voninahitr’Andriamanitra, mba homem-boninahitra ny Zanak’Andriamanitra.” Mbola nijanona roa andro tany amin’ny nisy azy izy. Hoy izy tamin’ny mpianany avy eo: “Andao indray ho any Jodia.” Hoy anefa ireo: “Raby ô, vao haingana ange ny Jodianina no nitady hitora-bato anao e! Dia hankany indray ve ianao?”—Jaona 11:4, 7, 8.

Hoy i Jesosy: “Tsy adiny roa ambin’ny folo moa no mazava ny andro? Raha misy mandeha amin’ny antoandro, dia tsy midona amin-javatra izy, satria hitany ny fahazavan’izao tontolo izao. Fa raha misy kosa mandeha amin’ny alina, dia midona amin-javatra izy, satria ny fahazavana tsy ao anatiny.” (Jaona 11:9, 10) Toa te hilaza izy fa mbola tsy tapitra ny fotoana natokan’Andriamanitra hanompoany. Nila nampiasa tsara araka izay azo atao ny fotoana fohy nananany àry izy.

Hoy ihany i Jesosy: “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.” Toa lasa nieritreritra ireo mpianany fa miala sasatra fotsiny i Lazarosy ary mbola ho sitrana, ka hoy izy ireo: “Tompo ô, ho sitrana izy raha matory.” Notsorin’i Jesosy àry hoe: “Maty i Lazarosy. ... Fa andao isika ho any aminy.”—Jaona 11:11-15.

Fantatr’i Tomasy fa mety hisy hamono an’i Jesosy any Jodia ka te hanampy azy izy. Hoy àry izy tamin’ireo mpianatra hafa: “Andao koa isika handeha, mba hiara-maty aminy.”—Jaona 11:16.