Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 90

“Fananganana ny Maty sy Fiainana”

“Fananganana ny Maty sy Fiainana”

JAONA 11:17-37

  • TONGA I JESOSY TAORIAN’NY NAHAFATESAN’I LAZAROSY

  • “FANANGANANA NY MATY SY FIAINANA”

Avy tany Pere i Jesosy ary efa nanakaiky an’i Betania, tanàna telo kilaometatra teo ho eo tany atsinanan’i Jerosalema. Maty vao haingana i Lazarosy ka mbola nalahelo be i Maria sy Marta anabaviny. Maro no tonga nampionona azy ireo.

Nisy niteny tamin’i Marta hoe tonga i Jesosy ka lasa haingana izy nitsena azy. Nolazainy izay nety ho efa noeritreretin’izy roa vavy nandritra ny efatra andro. Hoy izy: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” Mbola nanana fanantenana anefa izy. Hoy izy: “Fantatro fa homen’Andriamanitra anao izay rehetra angatahinao.” (Jaona 11:21, 22) Nino izy fa nety ho mbola afaka hanampy ny anadahiny i Jesosy.

Namaly i Jesosy hoe: “Hitsangana ny anadahinao.” Nihevitra i Marta fa ilay fitsanganana amin’ny maty eto an-tany nantenain’i Abrahama sy ny olon-kafa no tao an-tsain’i Jesosy. Nino izy fa tena hitranga izany ka hoy izy: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.”—Jaona 11:23, 24.

Nety ho afaka nanamaivana ny fahorian’i Marta avy hatrany ve anefa i Jesosy? Nampahatsiahiviny fa nomen’Andriamanitra hery handresena ny fahafatesana izy. Hoy izy: “Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy.”—Jaona 11:25, 26.

Tsy te hilaza i Jesosy hoe tsy ho faty mihitsy ny mpianany tamin’izany. Na izy aza tsy maintsy ho faty, araka ny efa nolazainy. (Matio 16:21; 17:22, 23) Tiany hasongadina kosa fa mety hahazo fiainana mandrakizay izay maneho finoana azy. Maro no hahazo izany rehefa avy atsangana amin’ny maty. Mety tsy ho faty mihitsy anefa ny olona tsy mivadika, izay velona amin’ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity. Afaka matoky ireo rehetra maneho finoana an’i Jesosy fa tsy hijanona mandrakizay ao amin’ny fahafatesana.

Vao nilaza i Jesosy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.” Afaka nanangana an’i Lazarosy izay efa maty nandritra ny andro maromaro ve anefa izy? Nanontaniany i Marta hoe: “Mino izany ve ianao?” Hoy i Marta: “Eny, Tompo ô! Mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga eo amin’izao tontolo izao.” Nino izy fa ho afaka hanao zavatra amin’io andro io ihany i Jesosy. Nody haingana àry izy ka nilazany mangingina ny rahavaviny hoe: “Ao ny Mpampianatra, ary antsoiny ianao.” (Jaona 11:25-28) Tonga dia niala tao an-trano i Maria, ary nanaraka azy ny olona satria nihevitra fa ho any am-pasan’i Lazarosy izy.

Nankany amin’i Jesosy anefa i Maria ary niankohoka teo an-tongony sady nitomany. Namerina an’ilay tenin’ny rahavaviny izy hoe: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” Nalahelo be sy ory dia ory i Jesosy nahita an’i Maria sy ny vahoaka nitomany, ka nirotsaka ny ranomasony. Nanohina ny fon’ny olona izany. Nisy nanontany hoe: ‘Raha afaka nampahiratra ny mason’ny jamba i Jesosy, tsy ho hainy ve ny nisakana an’ity iray ity tsy ho faty?’—Jaona 11:32, 37.