Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 92

Nahay Nankasitraka ny Boka Iray

Nahay Nankasitraka ny Boka Iray

LIOKA 17:11-19

  • NANASITRANA BOKA FOLO I JESOSY

Nankany Efraima, teo avaratratsinanana kelin’i Jerosalema i Jesosy, satria niala an’ilay tetiky ny Fitsarana Avo Jiosy mba hamonoana azy. Nijanona tao niaraka tamin’ny mpianany izy ary tsy hitan’ny fahavalony. (Jaona 11:54) Niainga indray anefa i Jesosy, satria efa akaiky ho tonga ny Paska taona 33. Nianavaratra namakivaky an’i Samaria izy ary tonga hatrany Galilia. Io no diany farany tany, talohan’ny nahafatesany.

Vao niainga kelikely izy dia nahita boka folo lahy, teo anelanelan’ny tanàna kely roa. Mihalevona ny sela amin’ny vatan’ny boka indraindray, ohatra hoe ny sela amin’ny rantsantanany na ny rantsantongony na ny sofiny. (Nomery 12:10-12) Tsy maintsy nitoka-monina ny boka ary nasain’ny Lalàn’Andriamanitra niantsoantso hoe: “Maloto e! Maloto e!”—Levitikosy 13:45, 46.

Tsy nanakaiky an’i Jesosy àry ireo boka folo. Niantso mafy anefa izy ireo hoe: “Ry Jesosy Mpampianatra ô, mba iantrao izahay!” Nahita azy ireo i Jesosy ka niteny hoe: “Mandehana miseho any amin’ny mpisorona.” (Lioka 17:13, 14) Hita amin’izany fa nanaja ny Lalàn’Andriamanitra i Jesosy. Ny mpisorona mantsy no nolazain’ny Lalàn’Andriamanitra fa manana fahefana hilaza hoe sitrana ny boka iray. Afaka niaraka tamin’ny olona salama indray izy taorian’izay.—Levitikosy 13:9-17.

Natoky ireo boka folo fa manana hery hanaovana fahagagana i Jesosy. Nankany amin’ny mpisorona àry izy ireo na dia mbola tsy sitrana aza. Novalian-tsoa ny finoan’izy ireo teny an-dalana. Hitan’izy ireo sy tsapany fa sitrana izy.

Nanohy ny lalany ny sivy. Niverina nitady an’i Jesosy kosa ny iray, izay Samaritanina. Fa nahoana? Tena nankasitraka an’izay nataon’i Jesosy izy. Fantany fa Andriamanitra no nanasitrana azy, ka ‘nanome voninahitra azy tamin’ny feo avo’ izy. (Lioka 17:15) Niankohoka teo anatrehan’i Jesosy izy ary nisaotra, rehefa nahita azy.

Hoy i Jesosy tamin’ny olona teo: “Tsy efa voadio daholo moa izy folo? Fa aiza ny sivy? Dia tsy nisy niverina mba hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity hafa firenena ity ihany ve?” Niteny tamin’ilay Samaritanina izy avy eo hoe: “Mitsangàna ka mandehana. Ny finoanao no nahasitrana anao.”—Lioka 17:17-19.

Nasehon’i Jesosy tamin’izy nanasitrana an’ireo boka folo fa manampy azy i Jehovah Andriamanitra. Sitrana ny iray taminy noho ny zavatra nataon’i Jesosy, ary azo inoana fa teo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana izy io. Tsy mampiasa an’i Jesosy mba hanasitrana toy izany intsony Andriamanitra ankehitriny. Ho afaka handeha eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay koa anefa isika, raha mino an’i Jesosy. Mahay mankasitraka toa an’ilay Samaritanina àry ve isika?