Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 97

Fanoharana Momba Ireo Mpiasa tao An-tanimboaloboka

Fanoharana Momba Ireo Mpiasa tao An-tanimboaloboka

MATIO 20:1-16

  • LASA “VOALOHANY” IREO MPIASA TONGA “FARANY” TEO AMIN’ILAY TANIMBOALOBOKA

Tao Pere i Jesosy ary avy nilaza hoe: ‘Maro ny voalohany no ho farany, ary ny farany ho voalohany.’ (Matio 19:30) Nilaza fanoharana momba ny mpiasa tao an-tanimboaloboka izy mba hanamafisana an’izany.

Hoy izy: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray nanana tanimboaloboka. Ary nivoaka vao maraina izy mba hanakarama olona hiasa ny tanimboalobony. Ary karama denaria iray isan’andro no nifanekeny tamin’ny mpiasa, dia nalefany nankany an-tanimboalobony izy ireo. Nivoaka indray ralehilahy tamin’ny ora fahatelo teo ho eo, ka nahita olon-kafa nijorojoro fotsiny teny an-tsena. Ary hoy izy tamin’ireo: ‘Mandehana any an-tanimboaloboka koa ianareo, dia homeko anareo izay karama ara-drariny tokony ho anareo.’ Ary lasa nandeha ireo. Dia nivoaka indray ralehilahy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy teo ho eo, ary mbola nanao toy izany koa. Tamin’ny farany, dia nivoaka izy tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo teo ho eo ka nahita olon-kafa nijorojoro, ary hoy izy: ‘Nahoana ianareo no nijorojoro fotsiny teto androany tontolo?’ Dia hoy ireo taminy: ‘Satria tsy nisy nanakarama anay.’ Ary hoy ralehilahy: ‘Mandehana any an-tanimboaloboka koa ianareo.’ ”—Matio 20:1-7.

Azo inoana fa i Jehovah Andriamanitra no tonga tao an-tsain’ireo nihaino an’i Jesosy rehefa nandre an’ilay hoe “ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray nanana tanimboaloboka.” Milaza ny Baiboly fa toy ny tompon’ny tanimboaloboka iray i Jehovah, ary ny firenen’Israely ilay tanimboaloboka. (Salamo 80:8, 9; Isaia 5:3, 4) Toa an’ireo mpiasa tao ny olona nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna. Tsy zavatra efa lasa anefa no noresahin’i Jesosy fa zava-nitranga tamin’ny androny.

Noheverina ho misasatra tsy an-kijanona amin’ny asan’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana, toa an’ireo Fariseo vao nitsapa an’i Jesosy tamin’ny resaka fisaraham-panambadiana. Toy ireo niasa tontolo andro izy ireo ka nanantena karama feno, izany hoe denaria iray ho an’ny andro iray.

Nihevitra ny mpisorona sy ny mpitondra fivavahana hafa fa kely kokoa ny fanompoana ataon’ny sarambabem-bahoaka, ka toy ireo niasa tapa-potoana tao an-tanimboaloboka izy ireo. Izy ireo no toy ireo nanomboka tamin’ny “ora fahatelo teo ho eo” (9.00 maraina) sy ireo nanomboka tamin’ny ora fahenina sy fahasivy ary fahiraika ambin’ny folo (5.00 hariva).

Noheverina ho “olom-boaozona” ireo nanara-dia an’i Jesosy. (Jaona 7:49) Nanarato na nanao asa vatana hafa izy ireny, tamin’ny ankamaroan’ny fotoanany. Naniraka an’i Jesosy hiantso azy ireny i Jehovah, ilay tompon’ny tanimboaloboka, tamin’ny faramparan’ny taona 29. Nasaina hiasa ho an’Andriamanitra ireny mpianatr’i Kristy ireny. Izy ireny no “farany”, izany hoe ireo nanomboka niasa tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo.

Hoy i Jesosy namarana an’ilay fanoharana: “Ary nony hariva ny andro, dia hoy [ilay lehilahy] tamin’ny lehiben’ny mpiasany: ‘Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy any amin’ny farany mankany amin’ny voalohany.’ Rehefa tonga ireo mpiasa izay nanomboka tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, dia samy nahazo denaria iray avy. Koa rehefa tonga ireo niasa voalohany, dia nihevitra ny hahazo bebe kokoa. Denaria iray isan’olona koa anefa no azony. Koa nimenomenona tamin’ilay tompon’ny tanimboaloboka izy ireo nony nahazo izany, ka nilaza hoe: ‘Tsy niasa afa-tsy adiny iray monja ireo farany ireo, kanefa nampitovinao karama aminay. Izahay anefa nisasatra tontolon’ny andro sy niaritra ny hafanana mandoro!’ Dia hoy izy tamin’ny iray tamin’ireo: ‘Ry sakaiza, tsy manao ny tsy rariny aminao aho. Tsy denaria iray ve no nifanekenao tamiko? Raiso ny anao ka mandehana. Tiako homena toy ny anao ireo farany ireo. Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny fananako angaha aho? Sa ianao mialona satria tsara fanahy tamin’ireo sasany ireo aho?’ Dia toy izany no hahatonga ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”—Matio 20:8-16.

Nety ho nieritreritra momba an’io tapany farany amin’ilay fanoharana io ny mpianatra. Ahoana no hahatonga ny mpitondra fivavahana jiosy ho “farany”, nefa izy ireo nihevitra fa “voalohany”? Ahoana no hahatonga ny mpianatra ho “voalohany”?

Ho lasa “voalohany” na hahazo karama feno ny mpianatr’i Jesosy, izay noheverin’ny Fariseo sy ny hafa ho “farany.” Nolavin’Andriamanitra i Jerosalema rehefa maty i Jesosy. Nifidy firenena vaovao kosa izy, dia ny “Israelin’Andriamanitra.” (Galatianina 6:16; Matio 23:38) Ireo anisan’io firenena io no tao an-tsain’i Jaona Mpanao Batisa, rehefa niresaka batisa amin’ny fanahy masina izy. Ireo “farany” no voalohany hatao batisa amin’ny fanahy masina sy homena tombontsoa ho vavolombelon’i Jesosy “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 1:5, 8; Matio 3:11) Takatry ny mpianatra ilay fiovana lehibe noresahin’i Jesosy, ka tsinjony fa tena tsy ho faly amin’izy ireo ny mpitondra fivavahana, izay lasa “farany.”