Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 99

Nanasitrana Jamba sy Nanampy An’i Zakaiosy i Jesosy

Nanasitrana Jamba sy Nanampy An’i Zakaiosy i Jesosy

MATIO 20:29-34 MARKA 10:46-52 LIOKA 18:35–19:10

  • NANASITRANA JAMBA TAO JERIKO I JESOSY

  • NIBEBAKA ILAY MPAMORY HETRA ATAO HOE ZAKAIOSY

Tonga tao Jeriko i Jesosy sy ireo niara-dia taminy. Lalana iray andro teo ho eo avy tao Jerosalema i Jeriko. Azo lazaina hoe roa ny tanànan’i Jeriko. Niala iray kilaometatra mahery avy teo amin’ilay tanàna vaovao naorina tamin’ny andron’ny Romanina ilay tanàna fahiny. Nivoaka avy tao amin’ilay Jeriko iray i Jesosy sy ny vahoaka ary nanatona an’ilay Jeriko iray hafa. Nisy jamba roa mpangataka nandre ny kotaban’ny vahoaka. Bartimeo no anaran’ny iray.

Ren’i Bartimeo sy ilay namany fa nandalo i Jesosy, ka niantsoantso izy ireo hoe: “Mba iantrao izahay, ry Tompo Zanak’i Davida ô!” (Matio 20:30) Niteny mafy azy ireo mba hangina ny olona, nefa vao mainka niantsoantso izy roa lahy. Ren’i Jesosy izany ka nijanona izy ary naniraka olona hiantso azy ireo. Nankeo amin’ireo jamba àry ny olona, ka niteny tamin’ny iray hoe: “Mahereza, mitsangàna, fa miantso anao izy.” (Marka 10:49) Faly be izy ka nesoriny haingana ny akanjony ivelany, ary niantsambotra nankeo amin’i Jesosy izy.

Nanontany i Jesosy hoe: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” Namaly izy roa lahy hoe: “Mba ataovy mahiratra ny masonay, Tompo ô!” (Matio 20:32, 33) Nangoraka azy ireo i Jesosy ka nikasika ny mason’izy ireo ary niteny tamin’ilay iray hoe: “Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao.” (Marka 10:52) Lasa nahiratra ireo jamba ka azo antoka fa nidera an’Andriamanitra. Nidera an’Andriamanitra koa ny vahoaka rehefa nahita an’izany. Nanara-dia an’i Jesosy izy roa lahy avy eo.

Nisy vahoaka be nanodidina an’i Jesosy rehefa nandalo tao Jeriko izy. Te hahita an’ilay nanasitrana ny jamba ny rehetra. Nifanesika teo amin’i Jesosy ny olona ka tsy nahatazana azy akory ny sasany. Anisan’izy ireo i Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra tao Jeriko sy ny manodidina. Fohy kely izy ka tsy nahita an’izay nitranga. Nihazakazaka nialoha an’i Jesosy àry izy, ary nianika aviavidia teo amin’ilay lalana. Nahatazana tsara izy teny. Nihananatona i Jesosy ka nahita azy teny ambony hazo, ary nilaza hoe: “Ry Zakaiosy, midìna haingana, fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao aho anio.” (Lioka 19:5) Nidina i Zakaiosy ary nandeha haingana nankany an-tranony mba handray an’ilay vahiny manan-kaja.

Nimenomenona ny olona rehefa nahita an’izany. Nihevitra izy ireo fa mpanota i Zakaiosy ka tsy tokony hivahiny ao aminy i Jesosy. Nanambaka olona mantsy i Zakaiosy rehefa nitaky hetra ka lasa nanan-karena.

Nimenomenona toy izao ny olona rehefa niditra ny tranon’i Zakaiosy i Jesosy: “Lasa niantrano ao amin’ny lehilahy mpanota izy.” Hitan’i Jesosy anefa fa mety hibebaka i Zakaiosy, ary tsy diso hevitra izy. Nitsangana i Zakaiosy ary niteny taminy hoe: “Tompo ô, omeko ny mahantra ny antsasaky ny fananako, ary izay rehetra nalaiko tsy ara-drariny tamin’ny fanambakana dia honerako avo efatra heny.”—Lioka 19:7, 8.

Nety tsara ny fomba nanaporofoan’i Zakaiosy fa tena nibebaka izy. Nety ho nandray an-tsoratra ny hetra naloan’ny Jiosy izy, ka afaka nikajy ny hetra nalainy. Nianiana izy fa honerany avo efatra heny izay nalainy. Betsaka noho izay notakin’ny lalàn’Andriamanitra izany. (Eksodosy 22:1; Levitikosy 6:2-5) Nampanantena koa izy fa homeny ny mahantra ny antsasaky ny fananany.

Faly i Jesosy nahita hoe nibebaka i Zakaiosy, ka hoy izy: “Androany no tonga tato amin’ity trano ity ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa izy. Fa tonga hitady sy hamonjy ny very ny Zanak’olona.”—Lioka 19:9, 10.

Vao haingana i Jesosy no nifantoka tamin’ireo “very” ka nilaza an’ilay fanoharana momba ny zanaka very. (Lioka 15:11-24) Tena zava-misy kosa no noresahin’i Jesosy teo, dia ny momba an’i Zakaiosy izay toy ny very nefa hita indray. Nety ho nimenomenona sy nanakiana an’i Jesosy ny mpitondra fivavahana sy ny namany, noho izy niahy ny olona toa an’i Zakaiosy. Mbola nitady sy nanampy an’ireo very anisan’ny zanak’i Abrahama anefa izy.