Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 101

Nisakafo tao An-tranon’i Simona tao Betania

Nisakafo tao An-tranon’i Simona tao Betania

MATIO 26:6-13 MARKA 14:3-9 JAONA 11:55–12:11

  • NIVERINA TAO BETANIA, TANY AKAIKIN’I JEROSALEMA, I JESOSY

  • NANISY MENAKA MANITRA AN’I JESOSY I MARIA

Nankany Betania i Jesosy rehefa niala tao Jeriko. Niaka-piakarana izy ary namakivaky lalan-dratsy 20 kilaometatra teo ho eo. Any amin’ny 250 metatra eo ho eo any ambanin’ny haabon’ny ranomasina i Jeriko ary any amin’ny 610 metatra eo ho eo any ambonin’ny haabon’ny ranomasina i Betania. Nipetraka tao Betania i Lazarosy sy ny anabaviny roa. Telo kilaometatra teo ho eo avy tao Jerosalema i Betania ary teo amin’ny ilany atsinanana amin’ny Tendrombohitra Oliva.

Maro ny Jiosy efa tonga tao Jerosalema mba hankalaza ny Paska. Tonga aloha mba “hanadio ny tenany araka ny Lalàna” izy ireo, raha sendra nikasika faty na nanao zavatra nandoto azy ireo. (Jaona 11:55; Nomery 9:6-10) Niangona tao amin’ny tempoly ny sasany taminy. Nifampiresaka izy ireo raha ho tonga hankalaza ny Paska ihany i Jesosy na tsia.—Jaona 11:56.

Samy nanana ny heviny momba an’i Jesosy ny olona. Nisy mpitondra fivavahana te hisambotra sy hamono azy. Efa nanome baiko aza izy ireo hoe izay mahalala ny misy an’i Jesosy dia tokony hilaza, “mba hisamboran’izy ireo azy.” (Jaona 11:57) Efa nanandrana namono an’i Jesosy izy ireo taorian’ny nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty. (Jaona 11:49-53) Ara-dalàna raha nisalasala ny olona hoe hiseho vahoaka i Jesosy sa tsia.

Tonga tao Betania i Jesosy ny zoma, “enina andro talohan’ny Paska.” (Jaona 12:1) Tamin’ny filentehan’ny masoandro no nanomboka ny andro manaraka, dia ny Sabata 8 Nisana. Tonga talohan’ny Sabata àry i Jesosy. Tsy nahazo niainga tany Jeriko tamin’ny Sabata izy, izany hoe ny zoma amin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny asabotsy amin’ny filentehan’ny masoandro. Voararan’ny lalàna jiosy izany. Azo inoana fa nankao amin-dry Lazarosy izy, toy ny nataony taloha.

Nanasa an’i Jesosy sy ny namany hisakafo i Simona, mponina tao Betania, ny asabotsy hariva. Nasainy koa i Lazarosy. Antsoina hoe “Simona boka” i Simona, satria angamba boka izy fa nositranin’i Jesosy. Vehivavy mazoto miasa i Marta ka izy no nikarakara ny vahiny. Nanao zavatra manokana ho an’i Jesosy kosa i Maria, ary niteraka adihevitra izany.

Nanokatra tavoahangy vatosanga na tavoahangy kely i Maria. Nisy “menaka manitra nilanja iray livatra” tao, ary “narda tena izy ilay menaka.” (Jaona 12:3) Lafo be ilay izy satria nitovy vidy tamin’ny karama herintaona teo ho eo, izany hoe denaria 300. Nararak’i Maria tamin’ny lohan’i Jesosy sy ny tongony ilay menaka. Nofafany tamin’ny volon-dohany ny tongotr’i Jesosy avy eo. Namerovero eran’ny trano ilay menaka.

Tezitra ny mpianatra ary nanontany hoe: “Nahoana no lanilanina foana toy izao iny menaka manitra iny?” (Marka 14:4) I Jodasy Iskariota aza niteny hoe: “Fa nahoana no tsy namidy denaria telonjato iny menaka manitra iny, ka nomena ny mahantra?” (Jaona 12:5) Tsy tena niahy ny mahantra anefa izy, fa nangalatra ny tao amin’ny boatim-bolan’ny mpianatra.

Niaro an’i Maria i Jesosy ka niteny hoe: “Nahoana ianareo no mitady hanorisory an-dravehivavy? Tsara ny nataony tamiko. Fa eo aminareo foana ny mahantra, fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana. Nanisy an’iny menaka manitra iny tamin’ny vatako izy, mba hanomanana ny fandevenana ahy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa na aiza na aiza itoriana ity vaovao tsara ity eran’izao tontolo izao, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy, ho fahatsiarovana azy.”—Matio 26:10-13.

Efa iray andro mahery izay i Jesosy no tao Betania, ary niely ny feo hoe tao izy. Maro ny Jiosy tonga tao amin’i Simona mba hijery an’i Jesosy sady hijery an’i Lazarosy, “ilay natsangany tamin’ny maty.” (Jaona 12:9) Nitady hevitra hamonoana an’i Jesosy sy Lazarosy ireo lehiben’ny mpisorona. Nihevitra izy ireo fa nahatonga olona maro hino an’i Jesosy ny nananganana an’i Lazarosy. Ratsy saina tokoa ireo mpitondra fivavahana ireo!