Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 102

Niditra tao Jerosalema Nitaingina Zanak’ampondra Ilay Mpanjaka

Niditra tao Jerosalema Nitaingina Zanak’ampondra Ilay Mpanjaka

MATIO 21:1-11, 14-17 MARKA 11:1-11 LIOKA 19:29-44 JAONA 12:12-19

  • NIDITRA TAO JEROSALEMA TOY NY MPANDRESY I JESOSY

  • NAMINANY I JESOSY FA HORAVANA I JEROSALEMA

Niala tao Betania mba ho any Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany ny ampitso, izany hoe ny alahady 9 Nisana. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany roa, rehefa nanakaiky an’i Betifaga teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo:

“Mankanesa ao amin’irỳ tanàna kely tazanareo irỳ. Tonga dia hahita ampondra mifatotra miaraka amin’ny zanany ianareo. Vahao ireo ka ento etỳ amiko. Ary raha misy manontany anareo, dia lazao hoe: ‘Misy ilan’ny Tompo azy.’ Dia halefany avy hatrany ireo.”—Matio 21:2, 3.

Tsy fantatry ny mpianatra fa nisy ifandraisany tamin’ny faminaniana ny toromarik’i Jesosy. Takatr’izy ireo anefa tatỳ aoriana fa tanteraka ilay faminanian’i Zakaria hoe hiditra ao Jerosalema ilay Mpanjaka nampanantenain’Andriamanitra. ‘Hanetry tena’ io Mpanjaka io, ‘ary hitaingina ampondra, dia zanaky ny ampondravavy.’—Zakaria 9:9.

Tonga tao Betifaga ny mpianatra ary naka an’ilay zanak’ampondra sy ny reniny. Nisy nanontany azy ireo hoe: “Fa maninona no vahanareo io zanak’ampondra io?” (Marka 11:5) Navelan’ny olona hoentina ireo biby rehefa fantany hoe nilain’i Jesosy. Nataon’ny mpianatra teo ambonin’ilay ampondra sy ny zanany ny akanjon’izy ireo. Ilay zanak’ampondra anefa no nitaingenan’i Jesosy.

Nihabetsaka ny olona rehefa nihananakaiky an’i Jerosalema i Jesosy. Maro no namelatra ny akanjony teny an-dalana. Nisy koa namelatra “rantsankazo nisy raviny”, nalaina teny an-tsaha. Niantsoantso izy ireo hoe: “Mba vonjeo re izy e! Mahazo fitahiana ilay tonga amin’ny anaran’i Jehovah! Mahazo fitahiana ilay fanjakana ho avy, izay an’i Davida razantsika!” (Marka 11:8-10) Nahatezitra ny Fariseo teo izany, ka hoy izy ireo tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, teneno ny mpianatrao.” Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.”—Lioka 19:39, 40.

Nitomany mafy i Jesosy rehefa nahita an’i Jerosalema ary niteny hoe: “Raha mba nahatakatra ny momba ny fiadanana mantsy ianao, na dia amin’ity andro ity aza! Fa miafina amin’ny masonao izany ankehitriny.” Ninia tsy nankatò i Jerosalema ka hizaka ny vokany. Naminany i Jesosy hoe: ‘Hanangana fefy hazo maranitra manodidina anao ny fahavalonao, ka hohodidininy ianao ary hampahoriny amin’ny lafiny rehetra. Ary hatontany amin’ny tany ianao sy ny zanakao ao aminao, ary tsy havelany hisy vato hifanaingina eo aminao.’ (Lioka 19:42-44) Tanteraka ny tenin’i Jesosy ka rava i Jerosalema tamin’ny taona 70.

Nisahotaka ny iray tanàna rehefa niditra tao Jerosalema i Jesosy. Hoy izy ireo: “Fa iza io?” Namerimberina ny vahoaka hoe: “Io no Jesosy mpaminany, avy any Nazareta any Galilia!” (Matio 21:10, 11) Nisy tamin’izy ireo nahita ny nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy tamin’ny maty ka niresaka momba izany. Nitaraina ny Fariseo hoe tsy misy azony atao. Nifampiresaka izy ireo hoe: “Lasa manaraka azy izao tontolo izao!”—Jaona 12:18, 19.

Nankao amin’ny tempoly i Jesosy mba hampianatra, toy ny fanaony isaky ny tonga tao Jerosalema. Nanasitrana ny jamba sy ny malemy tongotra izy tao. Tezitra ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna rehefa nahita an’izany sy nandre ny ankizilahy niantsoantso hoe: “Mba vonjeo re ny Zanak’i Davida e!” Hoy izy ireo: “Renao ve izay lazain’ireo?” Namaly i Jesosy hoe: “Mbola tsy novakinareo mihitsy ve ny hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny zaza madinika sy ny zaza minono no anomezanao fiderana’?”—Matio 21:15, 16.

Nijerijery ny zava-nisy tao amin’ny tempoly i Jesosy avy eo. Efa hariva tamin’izay ka niala teo izy sy ny apostoly. Niverina tany Betania izy talohan’ny hanombohan’ny 10 Nisana, ary nijanona tany ny alahady alina.