Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 105

Nampiasa Aviavy Izy mba Hampianarana Momba ny Finoana

Nampiasa Aviavy Izy mba Hampianarana Momba ny Finoana

MATIO 21:19-27 MARKA 11:19-33 LIOKA 20:1-8

  • NAMPIASAINA MBA HAMPIANARANA MOMBA NY FINOANA ILAY AVIAVY NALAZO

  • NISY NANOHITRA NY FAHEFAN’I JESOSY

Niala tao Jerosalema i Jesosy ny alatsinainy tolakandro ka niverina tany Betania, teo amin’ny ilany atsinanan’ny Tendrombohitra Oliva. Azo inoana fa tao amin-dry Lazarosy sy Maria ary Marta namany izy, nandritra ny alina.

Nankany Jerosalema indray i Jesosy sy ny mpianany ny ampitso, izany hoe ny 11 Nisana maraina. Tamin’io i Jesosy no farany nankao amin’ny tempoly. Io koa no andro farany nitoriany tamin’ny vahoaka, talohan’ny nankalazany ny Paska sy nanaovany ny Fahatsiarovana voalohany ary ny nitsarana sy namonoana azy.

Nahita an’ilay hazo nozonin’i Jesosy ny omalin’io i Petera, rehefa nandalo teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo. Hoy izy: “Raby ô, jereo fa nalazo ilay aviavy nozoninao.”—Marka 11:21.

Nahoana no nozonin’i Jesosy mba halazo ilay aviavy? Hoy izy nanazava ny antony: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa raha mba manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia ho vitanareo izay nataoko tamin’ilay aviavy. Ary tsy izany ihany fa raha hilaza amin’ity tendrombohitra ity ianareo hoe: ‘Mialà eto ka mianjerà any an-dranomasina’, dia hitranga tokoa izany. Ary ho azonareo izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, rehefa manam-pinoana ianareo.” (Matio 21:21, 22) Naveriny indray àry ilay hevitra hoe mahafindra tendrombohitra ny finoana.—Matio 17:20.

Nozonin’i Jesosy àry ilay hazo, mba hampianarana ny mpianany hoe ilaina ny mino an’Andriamanitra. Hoy izy: “Raha ny amin’izay rehetra angatahinareo amim-bavaka, dia minoa hoe efa azonareo sahady izany, dia ho azonareo izany.” (Marka 11:24) Lesona lehibe ho an’izay rehetra manara-dia an’i Jesosy io. Ny apostoly no tena nila an’izany satria niatrika fitsapana izy ireo tsy ela taorian’izay. Mbola misy zavatra hafa ifandraisan’ilay aviavy nalazo sy ny finoana anefa.

Namitaka ny endrik’ilay aviavy, ary toy izany koa ny firenen’Israely. Nanao fifanekena tamin’Andriamanitra izy ireo, ary hoatran’ny hoe nankatò ny Lalàny raha nojerena ivelany. Hita anefa fa sady tsy nanam-pinoana ilay firenena no tsy namokatra voa tsara, tamin’ny ankapobeny. Ny Zanak’Andriamanitra aza nolaviny! Nozonin’i Jesosy mba halazo àry ilay aviavy tsy namokatra, mba hampisehoana an’izay hiafaran’io firenena tsy nanam-pinoana sy tsy namokatra io.

Tonga tao Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany taoriana kelin’izay. Nankao amin’ny tempoly sy nampianatra tao i Jesosy araka ny fanaony. Nety ho mbola tao an-tsain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy ny nataon’i Jesosy tamin’ireo mpanakalo vola, iray andro talohan’io. Nanohitra azy àry izy ireo ka nanontany hoe: “Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao ny fahefana hanao an’izao?”—Marka 11:28.

Hoy i Jesosy: “Hanontany zavatra iray aminareo aho. Koa raha valianareo aho, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an’izao. Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa? Mba valio aho.” Ireo nanontany indray no nanontaniana. Nikaon-doha mba hamaly an’i Jesosy ny mpisorona sy anti-panahy. Hoy izy ireo: “Raha hoy isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hilaza izy hoe: ‘Nahoana àry ianareo no tsy nino azy?’ Ho sahintsika anefa ve ny hilaza hoe: ‘Avy amin’ny olona’?” Natahotra ny vahoaka mantsy izy ireo “satria nihevitra an’i Jaona ho tena mpaminany ny vahoaka rehetra.”—Marka 11:29-32.

Tsy hitan’ireo mpanohitra izay valiny tokony holazaina, ka hoy izy ireo: “Tsy fantatray.” Hoy àry i Jesosy: “Izaho koa tsy hilaza aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.”—Marka 11:33.