Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 106

Fanoharana Roa Momba ny Tanimboaloboka

Fanoharana Roa Momba ny Tanimboaloboka

MATIO 21:28-46 MARKA 12:1-12 LIOKA 20:9-19

  • FANOHARANA MOMBA NY ZANAKA ROA LAHY

  • FANOHARANA MOMBA NY MPAMBOLY VOALOBOKA

Vao nanontany an’i Jesosy ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona hoe iza no nanome azy fahefana hanao zavatra. Tsy nahateny izy ireo noho ny valin-tenin’i Jesosy. Nilaza fanoharana nampiharihary ny toetran’izy ireo i Jesosy avy eo.

Hoy izy: “Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Nankeo amin’ny voalohany izy ka niteny hoe: ‘Andeha, anaka, miasa any an-tanimboaloboka anio.’ Ary namaly io hoe: ‘Eny, tompoko, handeha aho’, nefa tsy nandeha izy. Dia nankeo amin’ny faharoa ralehilahy ka niteny toy izany koa. Fa hoy ny navalin’io: ‘Tsy handeha aho.’ Nanenina anefa izy nony avy eo, ka nandeha ihany. Iza amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy?” (Matio 21:28-31) Mazava hoe ilay faharoa, satria nandeha ihany izy.

Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanohitra azy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena.” Toa an’ilay zanaka faharoa ny mpamory hetra sy mpivaro-tena. Tsy nanompo an’Andriamanitra izy ireo tamin’ny voalohany, nefa nibebaka ka lasa nanompo azy. Toa an’ilay zanaka voalohany kosa ny mpitondra fivavahana, satria nilaza ho nanompo an’Andriamanitra nefa tsy tena nanao an’izany. Hoy àry i Jesosy: “Tonga teo aminareo i Jaona [Mpanao Batisa] nampianatra ny lalan’ny fahamarinana, kanefa tsy nino azy ianareo, fa ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena kosa nino azy. Ary na nahita izany aza ianareo, dia tsy nanenina avy eo, mba hahafahanareo hino azy.”—Matio 21:31, 32.

Nilaza fanoharana hafa i Jesosy mba hampisehoana fa ratsy fanahy koa ireo mpitondra fivavahana. Hoy izy: “Nisy lehilahy iray nanao tanimboaloboka, ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazam-boaloboka ary nanangana tilikambo. Nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io, ary lasa nankany an-tany hafa izy. Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin’ireo mpamboly izy mba handray ny ampahany amin’ny vokatry ny tanimboaloboka avy tamin’ireo. Nalain’ireo anefa ilay mpanompo ka nokapohiny, dia nalefany nody maina. Naniraka mpanompo hafa indray ralehilahy ho any amin’ireo mpamboly, nefa nokapohin’ireo teo amin’ny lohany ilay mpanompo sady nalany baraka. Ary naniraka olon-kafa indray ralehilahy, nefa novonoin’ireo ho faty iny. Mbola naniraka hafa koa izy, fa ny sasany nokapohin’ireo, ary ny sasany novonoiny ho faty.”—Marka 12:1-5.

Azon’ireo mpihaino ve ilay fanoharana? Tadidin’izy ireo angamba ilay tenin’i Isaia hoe: “Ny taranak’Israely no tanimboalobok’i Jehovah Tompon’ny tafika, ary ny mponin’i Joda no tanimboly tena tiany. Nanantena foana izy fa hisy fitsarana ara-drariny, kanjo fandikan-dalàna no hitany!” (Isaia 5:7) Mitovy amin’io ilay fanoharan’i Jesosy. I Jehovah no tompon’ilay tanimboaloboka, ny firenen’Israely no tanimboaloboka, ary ny Lalàn’Andriamanitra no fefy niaro azy ireo. Naniraka mpaminany i Jehovah mba hampianatra ny vahoakany sy hanampy azy ireo hamoa voa tsara.

Nampijalin’ireo “mpamboly” sy novonoiny ho faty anefa ireo ‘mpanompo’ nirahina tany aminy. Hoy i Jesosy: “Iray sisa no teo [amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka], dia ny zanany malalany, ka io no nirahiny farany tany amin’ireo, fa hoy izy: ‘Hanaja ny zanako ireo.’ Nifampiresaka anefa ireo mpamboly ireo hoe: ‘Iny ny mpandova. Andao hovonointsika izy dia ho antsika ny lova!’ Koa nosamborin’ireo izy ka novonoiny ho faty.”—Marka 12:6-8.

Hoy i Jesosy avy eo: “Koa inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka?” (Marka 12:9) Namaly ireo mpitondra fivavahana hoe: “Ho loza tokoa ny handringanany azy, satria ratsy fanahy ireo. Ary ny tanimboaloboka dia hampanofainy amin’ny mpamboly hafa, izay hanome azy ny vokatra amin’ny fotoam-piotazana.”—Matio 21:41.

Nanameloka ny tenany àry ireo mpitondra fivavahana, na dia tsy fanahy iniany aza. Anisan’ny “mpamboly” niasa teo amin’ny ‘tanimboalobok’i’ Jehovah, na ny firenen’Israely, izy ireo. Rariny i Jehovah raha nanantena azy ireo hamoa voa tsara, anisan’izany ny finoana ny Zanany na ny Mesia. Nijery azy ireo i Jesosy sady niteny hoe: “Mbola tsy novakinareo tao amin’ny Soratra Masina mihitsy ve ny hoe: ‘Ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro lehibe indrindra, ary i Jehovah no nahatonga izany, ka mahagaga eo imasontsika’?” (Marka 12:10, 11) Hoy àry i Jesosy: “Izany no antony ilazako aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.”—Matio 21:43.

Takatry ny mpanora-dalàna sy ny lehiben’ny mpisorona fa izy ireo “no tao an-tsain’i Jesosy tamin’io fanoharana io.” (Lioka 20:19) Vao mainka àry izy ireo te hamono azy, satria izy ilay manan-jo ho “mpandova.” Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo ka tsy sahy namono an’i Jesosy tamin’io fotoana io. Nihevitra azy ho mpaminany mantsy ny vahoaka.