Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 111

Nangataka Famantarana ny Apostoly

Nangataka Famantarana ny Apostoly

MATIO 24:3-51 MARKA 13:3-37 LIOKA 21:7-38

  • NANGATAKA FAMANTARANA NY MPIANATRA EFATRA

  • TANTERAKA TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY SY TATỲ AORIANA ILAY FAMANTARANA

  • TOKONY HO MAILO FOANA ISIKA

Talata tolakandro tamin’izay ary efa hifarana ny 11 Nisana. Efa hifarana koa ny fotoana nanaovan’i Jesosy asa mafy teto an-tany. Nampianatra tao amin’ny tempoly foana izy nandritra ny andro. Nitoetra tany ivelan’i Jerosalema kosa izy rehefa alina. Tena liana tamin’ny fampianarany ny olona ka ‘tonga vao maraina teo aminy tao amin’ny tempoly mba hihaino azy.’ (Lioka 21:37, 38) Taorian’izay, dia nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy sy ny apostoliny efatra, izany hoe i Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona.

Nanatona azy mitokana izy efa-dahy. Nanahy momba ny tempoly izy ireo satria vao avy nilaza i Jesosy fa ho rava izy io ka tsy havela hisy vato hifanaingina eo aminy. Mbola nisy zavatra noeritreretin’izy ireo koa anefa. Efa nampirisika azy ireo i Jesosy taloha hoe: ‘Aoka ianareo ho vonona lalandava, satria amin’ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak’olona.’ (Lioka 12:40) Efa niresaka momba ilay “andro hampiharihariana ny Zanak’olona” koa izy. (Lioka 17:30) Nisy ifandraisany tamin’ny zavatra vao nolazainy momba ny tempoly ve ireo teniny ireo? Tena te hahafanta-javatra ireo apostoly. Hoy izy ireo: “Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”—Matio 24:3.

Nety ho ny faharavan’ilay tempoly tazana tsy lavitra teo no tao an-tsain’izy ireo. Nanontany momba ny fanatrehan’ny Zanak’olona koa izy ireo. Tadidin’izy ireo angamba ilay fanoharan’i Jesosy momba ny “andriandahy nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.” (Lioka 19:11, 12) Tian’izy ireo ho fantatra koa hoe inona no tafiditra amin’ilay hoe “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”

Tamin’ny an-tsipiriany ny valin-tenin’i Jesosy. Nolazainy ny famantarana hoe rahoviana no ho rava ilay tontolo jiosy nisy tamin’izany, anisan’izany ny tempoly. Io famantarana io koa no hanampy ny Kristianina atỳ aoriana mba hahalala hoe rahoviana ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ sy hoe efa akaiky ve ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.

Hitan’ny apostoly hoe tanteraka ilay faminanian’i Jesosy rehefa nandeha ny fotoana. Tanteraka tamin’ny andron’izy ireo ny zavatra maro noresahiny. Efa vonona àry ireo Kristianina mailo tsara, rehefa nanakaiky ny fandravana ny tontolo jiosy sy ny tempoly tamin’ny taona 70, izany hoe 37 taona tatỳ aoriana. Tsy tanteraka tamin’ny taona 70 sy talohan’izay daholo anefa ny faminanian’i Jesosy. Ahoana àry no hahalalana fa efa manjaka izy ary manomboka ny fanatrehany? Nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoly ny valin’izany.

Nilaza i Jesosy fa hisy ‘ady sy filazana ady, hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana.’ (Matio 24:6, 7) Nilaza koa izy fa “hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa.” (Lioka 21:11) Nampitandrina ny mpianany izy hoe: “Hisambotra sy hanenjika anareo ny olona.” (Lioka 21:12) Hisy mpaminany sandoka ary maro no ho voafitaka. Hitombo ny fandikan-dalàna ka hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro. Nilaza koa izy fa ‘hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay fanjakana, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.’—Matio 24:14.

Tanteraka nandritra ny nandravan’ny Romanina an’i Jerosalema sy taloha kelin’izay ny ampahan’ilay faminanian’i Jesosy. Mbola nisy fahatanterahany lehibe kokoa ve anefa? Tsy hitanao ve ny porofo fa amin’ny androntsika no tanteraka ny ampahany lehibe indrindra amin’izy io?

Nilaza i Jesosy fa hisy “zava-maharikoriko mahatonga faharavana”, ary anisan’ny famantarana ny fanatrehany izany. (Matio 24:15) Nipoitra io zava-maharikoriko io tamin’ny taona 66. Tsy iza izy io fa ny miaramila romanina, izay nitondra faneva toy ny sampy. Nitoby nanodidina an’i Jerosalema izy ireo ary nanomboka nandrava ny mandany. (Lioka 21:20) Nitsangana tao amin’ny toerana tsy tokony hisy azy àry ilay “zava-maharikoriko”, izany hoe tao amin’ilay noheverin’ny Jiosy ho “toerana masina.”

Hoy koa i Jesosy: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” Noravan’ny Romanina i Jerosalema tamin’ny taona 70. Fahoriana lehibe tokoa tamin’izay satria olona ana hetsiny no maty, ary rava ilay ‘tanàna masin’ny’ Jiosy sy ny tempoly tao. (Matio 4:5; 24:21) Mbola tsy rava hoatr’izany ilay tanàna ary mbola tsy nahita hoatr’izany ny Jiosy. Nifarana tamin’io koa ny fivavahana narahin’izy ireo nandritra ny taonjato maro. Tena hahatsiravina àry ny zavatra hitranga any aoriana, rehefa ho tanteraka amin’ny fomba lehibe kokoa ilay faminanian’i Jesosy.

AZA MANARY TOKY NA HO SAROTRA AZA NY HOAVY

Mbola tsy tapitra ny zavatra tian’i Jesosy holazaina momba ny famantarana ny fanatrehany sy ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity. Nampitandrina ny apostoly izy mba tsy hanaraka “Kristy sandoka sy mpaminany sandoka.” Nilaza izy fa na ny “olom-boafidy” aza dia handraman’izy ireny hofitahina, “raha azony atao.” (Matio 24:24) Tsy ho voafitaka anefa ny olom-boafidy. Ho hita maso ireo Kristy sandoka, fa tsy ho hita maso kosa ny fanatrehan’i Jesosy.

Niresaka momba ny fahoriana lehibe kokoa hitranga amin’ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy, ka hoy izy: “Ho maizina ny masoandro, tsy hanome hazavana ny volana, ho latsaka avy any an-danitra ny kintana, ary hohozongozonina ny herin’ny lanitra.” (Matio 24:29) Tsy fantatr’ireo apostoly nandre an’ireo teny mampihoron-koditra ireo hoe inona marina no hitranga. Azo antoka anefa fa hahatsiravina ilay izy.

Inona no ho vokatr’ireo zavatra mampihorohoro ireo amin’ny olona? Hoy i Jesosy: “Hisy ho safotra noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana. Fa hohozongozonina ny herin’ny lanitra.” (Lioka 21:26) Ny fotoana manjombona indrindra eo amin’ny tantara no noresahin’i Jesosy teo.

Mampahery anefa fa nilaza tamin’ny apostoly i Jesosy hoe tsy ny rehetra no ho kivy rehefa ‘ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe ny Zanak’olona.’ (Matio 24:30) Efa nilaza izy fa hanao zavatra Andriamanitra “noho ny olom-boafidy.” (Matio 24:22) Inona àry no tokony ho tsapan’ireo mpianatra tsy mivadika ireo, rehefa nandre an’ireo zavatra mampahatahotra nolazain’i Jesosy? Nampahery azy ireo i Jesosy hoe: “Rehefa manomboka mitranga izany, dia mijoroa ka mitrakà fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.”—Lioka 21:28.

Ahoana kosa no hahalalan’ireo mpianatr’i Jesosy hiaina amin’io fotoana io fa efa akaiky ny farany? Nilaza fanoharana momba ny aviavy i Jesosy. Hoy izy: “Raha vao mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa ianareo, rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.”—Matio 24:32-34.

Tokony ho takatr’ireo mpianatra àry fa efa akaiky ny farany, rehefa miseho ireo lafiny maro amin’ilay famantarana. Te hampitandrina an’ireo mpianany hiaina amin’io fotoana miavaka io i Jesosy, ka niteny hoe:

“Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany. Fa toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” (Matio 24:36-39) Nampahatsiahy an’ilay Safodrano tamin’ny andron’i Noa i Jesosy teo. Nisy fiantraikany eran-tany izy io.

Azo antoka fa takatr’ireo apostoly nihaino an’i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva fa tokony ho mailo foana izy ireo. Hoy i Jesosy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany. Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.”—Lioka 21:34-36.

Nasehon’i Jesosy indray fa tsy izay hitranga ao anatin’ny am-polony taona no tiany holazaina, na izay hitranga ao Jerosalema fotsiny, na hoe zavatra hahakasika ny Jiosy irery. Zavatra “ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo” kosa no tiany horesahina.

Nampirisika ny mpianany izy mba ho mailo foana sy hiambina ary ho vonona. Nanamafy an’izany izy ka nilaza ity fanoharana ity: ‘Fantaro izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin’ny fotoam-piambenana fahafiry no hahatongavan’ny mpangalatra, dia ho niari-tory niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hovakina. Noho izany, dia aoka koa ianareo ho vonona, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.’—Matio 24:43, 44.

Afaka ny hanana fanantenana anefa ny mpianatr’i Jesosy. Nanome toky azy ireo mantsy izy fa hisy “mpanompo” ho mailo sy hazoto hiasa, rehefa ho tanteraka ilay faminaniany. Niresaka zavatra mora azon’ny apostoly izy avy eo. Hoy izy: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy.” Ahoana anefa raha lasa ratsy fanahy ilay “mpanompo” ka mampijaly ny mpanompo hafa? “Hanasazy azy faran’izay mafy” ny tompony.—Matio 24:45-51; ampitahao amin’ny Lioka 12:45, 46.

Tsy midika ireo tenin’i Jesosy ireo hoe hisy mpanara-dia azy ho lasa ratsy fanahy. Inona àry ny lesona tiany hampitaina tamin’ny mpianany? Tiany ho mailo sy hazoto hiasa foana izy ireo, araka ny hita ao amin’ny fanoharany iray hafa.