Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 112

Mampianatra Antsika ho Mailo Ilay Fanoharana Momba ny Virjiny

Mampianatra Antsika ho Mailo Ilay Fanoharana Momba ny Virjiny

MATIO 25:1-13

  • NILAZA FANOHARANA MOMBA NY VIRJINY FOLO I JESOSY

Namaly ny fanontanian’ny apostoliny momba ny famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy. Mbola tao an-tsainy izany ka nilaza fanoharana iray hafa izy mba hampitandremana azy ireo. Hahita ny fahatanterahan’izy io ireo hiaina mandritra ny fanatrehany.

Toy izao no nanombohan’i Jesosy an’ilay fanoharana: “Ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny jirony ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ny dimy adala, ary ny dimy malina.”—Matio 25:1, 2.

Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe adala ny antsasaky ny mpianatra handova an’ilay Fanjakana any an-danitra, ary ny antsasany ho malina. Te hilaza kosa izy fa afaka mifidy ny ho mailo na ho varimbariana ny mpianany tsirairay. Natoky anefa izy fa afaka ny tsy hivadika izy ireo ka hotahin’ny Rainy.

Samy nivoaka hitsena an’ilay mpampakatra ny virjiny folo ary te hanotrona azy. Handrehitra ny jirony mba hanazava ny lalana izy ireo rehefa tonga ilay mpampakatra. Te hanome voninahitra ny mpampakatra mantsy ireo virjiny rehefa hoentiny ao amin’ny trano efa nomanina ho azy ilay ampakarina. Inona anefa no nitranga?

Hoy i Jesosy: “Nitondra ny jirony ireo adala, nefa tsy nitondra menaka. Fa ireo malina kosa nitondra menaka tao anaty fitoerany sady nitondra ny jirony. Raha mbola naharitra ela ny mpampakatra, dia rendremana izy rehetra ka nandeha natory.” (Matio 25:3-5) Tsy tonga tamin’ny fotoana nantenain’izy ireo ilay mpampakatra. Toa elaela izy vao tonga ka resin-tory izy ireo. Nety ho tsaroan’ireo apostoly ilay tenin’i Jesosy momba ny andriandahy iray izay nandeha ka ‘niverina tatỳ aoriana, rehefa avy nandray fahefana hanjaka.’—Lioka 19:11-15.

Inona no nitranga rehefa tonga ilay mpampakatra tao amin’ilay fanoharana? Hoy i Jesosy: “Tamin’ny misasakalina, dia nisy niantsoantso hoe: ‘Iny ny mpampakatra! Mivoaha hitsena azy.’ ” (Matio 25:6) Mailo sy efa vonona ve anefa ireo virjiny?

Hoy ihany i Jesosy: “Ary nitsangana ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboamboatra ny jirony. Dia hoy ireo adala tamin’ireo malina: ‘Mba omeo amin’ny menakareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’ Hoy anefa ny navalin’ireo malina: ‘Angamba ireto tsy ho ampy ho antsika, fa mandehana mividy any amin’ny mpivarotra ho anareo.’ ”—Matio 25:7-9.

Tsy mailo sy tsy vonona ho amin’ny fahatongavan’ilay mpampakatra àry ireo virjiny adala. Tsy ampy ny menaka nentiny ho an’ny jirony ka nila nitady izy ireo. Hoy i Jesosy: “Raha mbola lasa nividy izy ireo, dia tonga ny mpampakatra. Niara-niditra taminy tao amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady ireo virjiny efa vonona, ary nohidiana ny varavarana. Taorian’izany dia tonga koa ireo virjiny hafa ka niteny hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay!’ Hoy ny navaliny: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy fantatro ianareo.’ ” (Matio 25:10-12) Voa mafy tokoa izy ireo satria tsy vonona sady tsy mailo.

Takatry ny apostoly fa i Jesosy ilay mpampakatra. Efa nampitaha ny tenany tamin’ny mpampakatra mantsy izy. (Lioka 5:34, 35) Ary ireo virjiny hendry? Hoy i Jesosy tamin’izy niresaka momba ny “ondry vitsy” izay homena ny Fanjakana: “Misikìna ary aoka hirehitra ny jironareo.” (Lioka 12:32, 35) Takatr’ireo apostoly àry fa ny mpianatra tsy mivadika toa azy ireo no nantsoin’i Jesosy hoe virjiny. Inona àry no tian’i Jesosy hampitaina tamin’io fanoharana io?

Notsorin’i Jesosy izany rehefa namarana an’ilay fanoharana izy. Hoy izy: “Koa miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”—Matio 25:13.

Te hilaza amin’ny mpanara-dia azy tsy mivadika àry i Jesosy fa mila ‘miambina hatrany’ izy ireo mandritra ny fanatrehany. Tena ho tonga izy ka tokony ho vonona sy ho mailo izy ireo, toa an’ireo virjiny malina. Ho zava-dehibe amin’izy ireo foana amin’izay ilay fanantenany ka ho azon’izy ireo ny valisoany.