Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 113

Mampianatra Antsika Hazoto Ilay Fanoharana Momba ny Talenta

Mampianatra Antsika Hazoto Ilay Fanoharana Momba ny Talenta

MATIO 25:14-30

  • NILAZA FANOHARANA MOMBA NY TALENTA I JESOSY

Nilaza fanoharana hafa i Jesosy, raha mbola niaraka tamin’ireo apostoly efatra teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Efa nilaza fanoharana momba ny farantsa izy andro vitsivitsy talohan’izay, tao Jeriko. Nasehony tamin’izay fa mbola ho ela vao ho tonga ilay Fanjakana. Nisy itovizany tamin’ilay fanoharana momba ny farantsa ilay fanoharana nolazainy teto. Valin’ilay fanontaniana momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity koa izy io. Nasongadiny fa tsy maintsy mazoto mampiasa an’izay nankinina taminy ny mpianany.

Hoy i Jesosy: “Ny fanjakan’ny lanitra koa dia toy ny lehilahy iray efa handeha ho any an-tany hafa, ka nampiantso ny mpanompony mba hanankinany ny fananany.” (Matio 25:14) Efa nampitovy ny tenany tamin’ny lehilahy nankany an-tany hafa mba “handray fahefana hanjaka” izy. (Lioka 19:12) Mora tamin’ny apostoly àry ny nahalala hoe i Jesosy ilay “lehilahy” resahina eo.

Nankinin’ilay lehilahy tamin’ny mpanompony aloha ny harenany vao nandeha izy. Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no tena nimasoan’i Jesosy nandritra ny telo taona sy tapany nanompoany. Nampiofana ny mpianany hanao an’io asa io koa izy. Handeha izy izao ka matoky fa hanohy an’ilay asa izy ireo.—Matio 10:7; Lioka 10:1, 8, 9; ampitahao amin’ny Jaona 4:38; 14:12.

Ahoana no nizaran’ilay lehilahy ny fananany? Hoy i Jesosy: “Ny iray nomeny talenta dimy, ny iray talenta roa, ary ny iray talenta iray, samy araka ny fahaizany avy. Dia lasa nankany an-tany hafa izy.” (Matio 25:15) Nataon’ireo mpanompo inona ireo talenta? Nazoto nampiasa izany ve izy ireo mba hahazo tombony ilay tompony? Hoy ihany i Jesosy:

“Avy hatrany dia nandeha nampiasa ireo talenta dimy ilay nahazo izany, ka nahazo tombony dimy. Torak’izany koa fa nahazo tombony roa ilay nahazo talenta roa. Fa lasa nihady tany kosa ilay nahazo talenta iray monja, ka nanafina an’ilay farantsa volafotsin’ny tompony.” (Matio 25:16-18) Inona no nitranga rehefa niverina ilay tompo?

Hoy i Jesosy: “Ela be tatỳ aoriana, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nanao ampamoaka an’ireo momba ny kaontim-bolany.” (Matio 25:19) Nanao izay rehetra azony natao “araka ny fahaizany avy” ireo mpanompo roa voalohany. Nazoto sy niasa mafy izy ireo ka nahazo tombony tamin’izay nankinina taminy. Samy nahazo tombony avo roa heny ilay nahazo talenta dimy sy ilay nahazo talenta roa. (Nila niasa 19 taona teo ho eo ny olona iray tamin’izany fotoana izany vao nahazo karama nitovy tamin’ny talenta iray.) Nitovy ny teny fiderana nolazain’ilay tompo tamin’izy ireo hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mendri-pitokisana! Mendri-pitokisana tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hiandraikitra zavatra maro. Miaraha mifaly amin’ny tomponao.”—Matio 25:21.

Tsy toy izany kosa anefa ilay mpanompo nomena talenta iray. Hoy izy: “Tompoko, fantatro fa olona sarotiny ianao, fa mijinja eny amin’izay tsy namafazanao ianao ary manangona eny amin’izay tsy nikororohanao. Koa natahotra aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany. Iny ny anao.” (Matio 25:24, 25) Tsy mba napetrany tany amin’ny banky akory ilay vola, sitrany ahay nahazo zana-bola ilay tompony. Nataony izay tsy hitomboan’ny fananan’ny tompony.

Rariny àry raha niantso azy hoe “mpanompo ratsy fanahy sady kamo” ilay tompony. Nalaina taminy ilay talenta ka nomena an’ilay mpanompo vonona hiasa mafy. Nametraka izao fitsipika izao ilay tompo avy eo: “Izay rehetra manana dia homena bebe kokoa ka hanana be dia be, fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza, dia halaina aminy.”—Matio 25:26, 29.

Nanan-javatra maro hosaintsainina ny mpianatra rehefa avy nandre an’io fanoharana io. Tsapan’izy ireo fa tena sarobidy ilay tombontsoa hanao mpianatra, izay nankinin’i Jesosy taminy. Tian’i Jesosy koa raha mazoto manao io asa io izy ireo. Tsy manantena anefa izy hoe tsy maintsy hitovy ny vitan’izy rehetra rehefa mitory. Hita amin’ilay fanoharana fa tokony hanao araka izay vitany ny tsirairay, “araka ny fahaizany avy.” Tsy midika anefa izany hoe faly i Jesosy raha kamo ny mpanara-dia azy, ka tsy manao izay fara heriny mba hampitomboana ny fananan’ny Tompony.

Azo antoka fa faly ireo apostoly rehefa nomena toky hoe: “Izay rehetra manana dia homena bebe kokoa.”