Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 114

Hitsara ny Ondry sy ny Osy i Kristy Mpanjaka

Hitsara ny Ondry sy ny Osy i Kristy Mpanjaka

MATIO 25:31-46

  • ILAY FANOHARAN’I JESOSY MOMBA NY ONDRY SY NY OSY

Avy nilaza an’ilay fanoharana momba ny virjiny folo sy momba ny talenta i Jesosy, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Namaly ny fanontanian’ny apostoly momba ny famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity izy tamin’izay. Ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy no namaranany ny teniny.

Noresahin’i Jesosy aloha izay hitranga. Hoy izy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy.” (Matio 25:31) Nasehon’i Jesosy tsara fa izy no mpandray anjara fototra ao amin’ilay fanoharana. Matetika mantsy izy no niantso ny tenany hoe “Zanak’olona.”—Matio 8:20; 9:6; 20:18, 28.

Rahoviana io fanoharana io no ho tanteraka? Ho tanteraka izy io rehefa ‘tonga amin’ny voninahiny’ i Jesosy miaraka amin’ny anjely, ary hipetraka eo amin’ny “seza fiandrianany be voninahitra.” Efa nilaza izy fa ‘ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe ao amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona’ miaraka amin’ny anjeliny. Rahoviana? ‘Aorian’ilay fahoriana avy hatrany.’ (Matio 24:29-31; Marka 13:26, 27; Lioka 21:27) Ho tanteraka àry ilay fanoharana rehefa ho tonga amin’ny voninahiny i Jesosy. Inona no hataony amin’izay?

Hoy i Jesosy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona ... dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.”—Matio 25:31-33.

Nataon’i Jesosy teo ankavanany ny ondry satria ankasitrahany. Hoy izy: “Ary hilaza amin’izay eo ankavanany ny mpanjaka hoe: ‘Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.’ ” (Matio 25:34) Nahoana ireo ondry no ankasitrahan’ilay Mpanjaka?

Hoy ilay Mpanjaka: “Noana aho dia nomenareo hanina. Nangetaheta aho dia nomenareo hosotroina. Nivahiny aho dia nampiantranoinareo. Nitanjaka aho dia nampitafianareo. Narary aho dia nokarakarainareo. Tany am-ponja aho dia novangianareo.” Nanontany an’ilay mpanjaka ireo ondry na “olo-marina” hoe oviana izy ireo no nanao izany. Hoy ilay Mpanjaka: “Araka izay nataonareo tamin’ny iray amin’ny kely indrindra amin’ireto rahalahiko ireto no nataonareo tamiko.” (Matio 25:35, 36, 40, 46) Tsy tany an-danitra izy ireo no nanao an’ireo zavatra tsara ireo satria tsy misy marary na noana any. Tsy maintsy ho soa natao tamin’ny rahalahin’i Kristy mbola teto an-tany àry izany.

Ary ireo osy teo ankavia? Hoy i Jesosy: “Hoy kosa [ilay Mpanjaka] amin’izay eo ankaviany: ‘Mialà amiko ianareo voaozona, ka mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voaomana ho an’ny Devoly sy ny anjeliny. Fa noana aho nefa tsy nomenareo hanina, nangetaheta nefa tsy nomenareo hosotroina. Nivahiny aho nefa tsy nampiantranoinareo, nitanjaka nefa tsy nampitafianareo, narary sy tany am-ponja nefa tsy nokarakarainareo.’ ” (Matio 25:41-43) Mendrika ny hohelohina izy ireo, satria tsy nikarakara tsara ny rahalahin’i Kristy mbola teto an-tany nefa tokony ho nanao izany.

Fantatr’ireo apostoly fa haharitra mandrakizay ny vokatr’io fitsarana amin’ny hoavy io. Hoy mantsy i Jesosy: “Dia hamaly an’ireo [ilay Mpanjaka] hoe: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa araka izay tsy nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.’ Ary ho any amin’ny fandringanana mandrakizay ireo, fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”—Matio 25:45, 46.

Misy zavatra betsaka hosaintsainin’ny mpanara-dia azy ao amin’ilay valin-tenin’i Jesosy tamin’ireo apostoliny. Hanampy azy ireo mba handinika ny toe-tsainy sy ny zavatra ataony izany.