Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 116

Nampianatra Hanetry Tena Izy Tamin’ilay Paska Farany

Nampianatra Hanetry Tena Izy Tamin’ilay Paska Farany

MATIO 26:20 MARKA 14:17 LIOKA 22:14-18 JAONA 13:1-17

  • NIHINANA NY PASKA FARANY NIARAKA TAMIN’NY APOSTOLY I JESOSY

  • NANASA NY TONGOTRY NY APOSTOLY IZY MBA HAMPITANA LESONA

Nanomana ny Paska tany Jerosalema i Petera sy Jaona, araka ny toromarik’i Jesosy. Nankany i Jesosy sy ny apostoly folo avy eo. Efa nilentika tsikelikely ny masoandro rehefa nidina ny Tendrombohitra Oliva izy ireo. Io no andro antoandro farany nandalovan’i Jesosy teo, talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty.

Tsy ela izy ireo dia tonga ary nankao amin’ilay trano hihinanany ny Paska. Niakatra ny tohotra izy ireo ary nankao amin’ilay efitra malalaka tao ambony rihana. Efa vonona izay rehetra nilaina tamin’ny Paska. Tsy andrin’i Jesosy io fotoana io satria hoy izy: “Mba niriko mafy ny hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, alohan’ny hijaliako.”—Lioka 22:15.

Taona maro talohan’izay, dia lasa fanao rehefa mankalaza ny Paska ny mampitampita kaopy misy divay. Nandray kaopy àry i Jesosy, nisaotra an’Andriamanitra, ary niteny hoe: “Raiso ity ka isotroy, ary ampitampitao amin’ny tsirairay aminareo. Fa lazaiko aminareo fa manomboka izao, dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 22:17, 18) Tokony hazava àry fa tsy ho ela izy dia ho faty.

Nisy zava-nitranga tsy nahazatra nandritra an’ilay sakafo. Nitsangana i Jesosy, nesoriny ny akanjony ivelany, naka servieta izy, ary nasiany rano ilay koveta teo akaiky teo. Ny tompon-trano no nampanasa ny tongotry ny vahininy, raha ny nahazatra. Angamba ny mpanompony no nasainy nanao izany. (Lioka 7:44) Tsy nisy tompon-trano anefa teo, ka i Jesosy no nanao an’ilay asa. Afaka nanao izany daholo ny apostoly, saingy tsy nisy nanao. Nety ho mbola nihevi-tena ho ambony izy ireo. Menatra anefa izy ireo rehefa nosasan’i Jesosy ny tongony.

Hoy i Petera rehefa nanatona azy i Jesosy: “Sanatria! Tsy hanasa ny tongotro ianao.” Hoy i Jesosy: “Raha tsy hosasako ianao dia tsy misy iombonanao amiko.” Namaly i Petera hoe: “Tompo ô, tsy ny tongotro ihany àry fa ny tanako sy ny lohako koa.” Gaga be angamba izy satria hoy i Jesosy: “Izay efa avy nandro dia tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ary efa madio ianareo, saingy tsy ianareo rehetra.”—Jaona 13:8-10.

Nosasan’i Jesosy ny tongotr’izy 12 lahy, anisan’izany ny an’i Jodasy Iskariota. Nanaovany ny akanjony ivelany avy eo ary nandry ilika indray izy mba hisakafo. Hoy izy: “Fantatrareo ve izay nataoko taminareo teo? Ianareo miantso ahy hoe ‘Mpampianatra’ sy ‘Tompo’, ary marina ny anareo satria izany tokoa aho. Koa izaho, na dia Tompo sy Mpampianatra aza, nanasa ny tongotrareo, dia mba tokony hifanasa tongotra koa ianareo. Fa modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, na izay irahina noho ilay naniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.”—Jaona 13:12-17.

Tena hain’i Jesosy ny nampianatra ny mpanara-dia azy hanetry tena. Tsy tokony hitady ny ho voalohany izy ireo, na hieritreritra hoe ambony noho ny hafa ka mila tompoina. Tokony hanahaka an’i Jesosy kosa izy ireo. Tsy voatery hanasa ny tongotry ny hafa izy, fa tokony hanetry tena sy tsy hiangatra ka ho vonona hanompo ny hafa.