Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 118

Niady Izy Ireo hoe Iza no Lehibe

Niady Izy Ireo hoe Iza no Lehibe

MATIO 26:31-35 MARKA 14:27-31 LIOKA 22:24-38 JAONA 13:31-38

  • NANANATRA NY MPIANANY MBA TSY HITADY TOERANA AMBONY I JESOSY

  • VOALAZA MIALOHA FA HANDA AN’I JESOSY I PETERA

  • NY FITIAVANA NO AMANTARANA NY MPANARA-DIA AN’I JESOSY

Nanasa ny tongotry ny apostoly i Jesosy, tamin’ilay takariva farany niarahan’izy ireo. Nampianatra azy ireo hanetry tena sy hanompo ny hafa izy tamin’izany. Nilain’izy ireo izany satria hita hoe nanana fahalemena izy ireo. Tena tia an’Andriamanitra izy ireo nefa mbola nieritreritra be hoe iza no lehibe indrindra amin’izy ireo. (Marka 9:33, 34; 10:35-37) Niharihary indray ilay fahalemen’izy ireo tamin’ilay takariva.

“Nifanditra mafy” ny apostoly “hoe iza no noheverina ho lehibe indrindra teo aminy.” (Lioka 22:24) Azo antoka fa tena nalahelo i Jesosy nahita azy ireo nifamaly indray. Inona no nataony?

Tsy nibedy azy ireo noho ny fisainany sy ny toetrany i Jesosy fa nanam-paharetana, ka nampisaintsaina hoe: ‘Ny mpanjakan’ny firenena manjakazaka aminy, ary izay manana fahefana eo aminy dia atao hoe Mpanao soa. Fa tsy tokony ho tahaka izany ianareo. Fa iza moa no lehibe kokoa: Ilay mandry ilika hisakafo sa ilay manompo?’ Nampahatsiahy azy ireo an’izay efa nataony foana i Jesosy ka hoy izy: “Fa izaho dia mpanompo teo aminareo.”—Lioka 22:25-27.

Tsy lavorary ny apostoly nefa nifikitra tamin’i Jesosy na teo aza ny zava-tsarotra maro. Hoy àry i Jesosy: “Manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana.” (Lioka 22:29) Tsy nivadika tamin’i Jesosy izy ireo. Nanome toky azy ireo i Jesosy fa hiara-manjaka aminy izy ireo, noho ilay fifanekena ataony amin’izy ireo.

Nofo ihany anefa ireo apostoly sady tsy lavorary, na dia nanana an’izany fanantenana kanto izany aza. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Mitaky ny hahazoany anareo i Satana mba hosivaniny toy ny vary.” (Lioka 22:31) Miparitaka ny vary rehefa sivanina. Nampitandrina koa izy hoe: “Hahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho izay hanjo ahy. Fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry aho, dia hiparitaka ny andian’ondry.’ ”—Matio 26:31; Zakaria 13:7.

Natoky tena i Petera ka niteny hoe: “Na hahafoy anao daholo aza ny rehetra noho izay hanjo anao, izaho kosa tsy mba hahafoy anao mihitsy!” (Matio 26:33) Namaly i Jesosy hoe mbola tsy maneno indroa ny akoho dia handa azy i Petera. Hoy ihany i Jesosy: ‘Efa nitalaho ho anao aho mba tsy ho levona ny finoanao. Ary raha vao tafarina ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao.’ (Lioka 22:32) Nanizingizina anefa i Petera hoe: “Na hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao mihitsy.” (Matio 26:35) Niteny toy izany koa ny apostoly hafa.

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Kely sisa no iarahako aminareo. Hitady ahy ianareo, ary lazaiko aminareo koa ankehitriny izay nolazaiko tamin’ny Jiosy hoe: “Izay alehako tsy azonareo aleha.”’ Hoy ihany izy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:33-35.

Hoy i Petera rehefa niteny i Jesosy hoe kely sisa no iarahako aminareo: “Fa ho aiza ianao, Tompo ô?” Namaly i Jesosy hoe: “Izay alehako tsy azonao anarahana ahy ankehitriny, fa hanaraka ahy ihany ianao any aoriana.” Tsy azon’i Petera izany ka hoy izy: “Tompo ô, fa nahoana aho no tsy afaka manaraka anao ankehitriny? Na ny aiko aza hafoiko noho ianao.”—Jaona 13:36, 37.

Noresahin’i Jesosy avy eo fa tsy nila nitondra fitoeram-bola sy kitapom-batsy ny apostoly rehefa nirahiny hitory eran’i Galilia. (Matio 10:5, 9, 10) Hoy izy: “Nisy nahory anareo ve?” Hoy izy ireo: “Tsy nisy!” Ahoana kosa no tokony hataony amin’ny hoavy? Hoy i Jesosy: “Aoka izay manana fitoeram-bola hitondra izany, ary toy izany koa izay manana kitapom-batsy. Ary aoka izay tsy manan-tsabatra hivarotra ny akanjony ivelany ka hividy sabatra. Fa lazaiko aminareo fa tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao: ‘Ary natao ho isan’ny tsy tan-dalàna izy.’ Fa efa eo am-pahatanterahana izao izay voasoratra mahakasika ahy.”—Lioka 22:35-37.

Ilay izy hofantsihana eo amin’ny tsato-kazo miaraka amin’ny mpanao ratsy na olona tsy tan-dalàna no tiany horesahina. Henjehina mafy ny mpanara-dia azy aorian’izay. Nihevitra ny apostoly fa efa vonona ka nilaza hoe: “Ireto misy sabatra anankiroa, Tompo ô!” Hoy i Jesosy: “Ampy ireny.” (Lioka 22:38) Hampianatra azy ireo lesona lehibe mifandray amin’ireo sabatra ireo i Jesosy tsy ho ela.