Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 119

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana

JAONA 14:1-31

  • HANDEHA HANOMANA TOERANA I JESOSY

  • NAMPANANTENA IZY FA HANDEFA MPANAMPY HO AN’NY MPANARA-DIA AZY

  • LEHIBE NOHO I JESOSY NY RAY

Mbola tao amin’ilay efitra ambony rihana nankalazany ny Fahatsiarovana i Jesosy sy ny apostoliny. Nampahery azy ireo izy hoe: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Minoa an’Andriamanitra ary minoa koa ahy.”—Jaona 13:36; 14:1.

Nahoana ireo apostoly tsy mivadika no tsy tokony hitebiteby noho i Jesosy handeha? Hoy i Jesosy: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro. ... Rehefa handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.” Tsy azon’ny apostoly anefa hoe ilay izy ho any an-danitra no tiany holazaina. Hoy àry i Tomasy: “Tompo ô, tsy fantatray ange izay alehanao e! Ahoana moa no ahafantaranay ny lalana?”—Jaona 14:2-5.

Namaly i Jesosy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” Izay manaiky an’i Jesosy sy ny fampianarany ary manahaka azy ihany no hiditra ao an-tranon’ny Rainy any an-danitra. Hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6.

Nihaino tsara i Filipo ary niteny hoe: “Tompo ô, asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izany.” Toa te hahita fahitana momba an’Andriamanitra izy, toy ny hitan’i Mosesy sy Elia ary Isaia. Tsara kokoa noho ny fahitana anefa no hitan’ny apostoly. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay ela izay no efa niarahako taminareo, ka mbola tsy mahalala ahy ihany ve ianao, ry Filipo? Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy ka toy ny nahita ny Ray ny olona niara-niaina taminy sy nahita azy. Ambony noho ny Zanaka anefa ny Ray, satria hoy i Jesosy: “Tsy araka ny nahim-poko no ilazako ny teny lazaiko aminareo.” (Jaona 14:8-10) Hitan’ny apostoly tamin’izany fa nanaiky i Jesosy hoe avy amin’ny Rainy ny fampianarany.

Efa nahita an’i Jesosy nanao fahagagana ny apostoly ary naheno azy nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Ary hanao asa lehibe noho izany aza izy.” (Jaona 14:12) Tsy te hilaza i Jesosy hoe hanao fahagagana miavaka noho ny nataony izy ireo. Hitory mandritra ny fotoana ela kokoa anefa izy ireo, ary any amin’ny faritra midadasika kokoa sy amin’ny olona betsaka lavitra.

Tsy namela azy ireo hiady irery i Jesosy na dia handeha aza. Nampanantena izy hoe: “Raha mangataka zavatra amin’ny anarako ianareo, dia hataoko izany.” Hoy koa izy: “Hangataka amin’ny Ray aho, ka homeny mpanampy hafa ianareo, mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny fanahin’ny fahamarinana.” (Jaona 14:14, 16, 17) Nanome toky izy fa hahazo mpanampy hafa izy ireo, dia ny fanahy masina. Nitranga izany tamin’ny Pentekosta.

Hoy i Jesosy: “Kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo no hahita ahy, satria velona aho dia ho velona ianareo.” (Jaona 14:19) Nitafy nofo izy rehefa natsangana tamin’ny maty ary niseho tamin’izy ireo. Natsangany tamin’ny maty koa izy ireo tatỳ aoriana, ka lasa anjely miaraka aminy any an-danitra.

Tsotra nefa marina ity tenin’i Jesosy manaraka ity: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy. Ary izay tia ahy kosa dia ho tian’ny Raiko, ary izaho ho tia azy ka hiseho miharihary aminy.” Nanontany ilay apostoly atao hoe Jodasy na Tadeo hoe: “Tompo ô, nahoana no hiseho miharihary aminay ianao, fa tsy amin’izao tontolo izao?” Namaly i Jesosy hoe: ‘Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ary ho tia azy ny Raiko. Izay tsy tia ahy dia tsy mba mitandrina ny teniko.’ (Jaona 14:21-24) Tsy toy ny mpanara-dia an’i Jesosy izao tontolo izao satria tsy manaiky hoe izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana.

Ahoana no hitadidian’ny mpianatr’i Jesosy an’izay rehetra nampianariny rehefa lasa izy? Hoy i Jesosy: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.” Nampahery an’ireo apostoly izany, satria efa hitan’izy ireo fa mahavita zavatra miavaka ny fanahy masina. Hoy ihany i Jesosy: “Fiadanana no avelako ho anareo. Omeko anareo ny fiadanako. ... Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.” (Jaona 14:26, 27) Nitari-dalana sy niaro an’ireo mpianatra ny Rain’i Jesosy ka tsy nisy tokony hatahoran’izy ireo.

Tsy ela taorian’izay dia hita fa niaro tokoa Andriamanitra. Hoy i Jesosy: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.” (Jaona 14:30) Nahavita niditra tao amin’i Jodasy sy nifehy azy ny Devoly. Tsy nisy fahalemena vokatry ny ota kosa tao amin’i Jesosy, ka tsy afaka nanararaotra izany i Satana mba hahatonga azy hivadika. Tsy afaka nisakana an’i Jesosy tsy hatsangana amin’ny maty koa izy. Nahoana? Hoy i Jesosy: “Araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.” Natoky izy fa hanangana azy ny Rainy.—Jaona 14:31.