Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 121

“Mahereza! Izaho Efa Naharesy An’izao Tontolo Izao”

“Mahereza! Izaho Efa Naharesy An’izao Tontolo Izao”

JAONA 16:1-33

  • KELY SISA DIA TSY HAHITA AN’I JESOSY INTSONY NY APOSTOLY

  • HIOVA HO FIFALIANA NY FAHORIAN’NY APOSTOLY

Efa vonona hiala tao amin’ilay efitra nankalazany ny Paska i Jesosy sy ny apostoly. Betsaka ny zavatra nampitandremany azy ireo, ary hoy izy: “Nilaza izany taminareo aho, mba tsy hialanareo amin’ny finoana.” Nahoana no nety tsara ny nilazany an’izany? Hoy izy: “Horoahin’ny olona hiala amin’ny synagoga ianareo. Eny, ho tonga ny fotoana hiheveran’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy.”—Jaona 16:1, 2.

Nety ho nampikorontan-tsaina ny apostoly izany. Efa niteny i Jesosy fa ho halan’ity tontolo ity izy ireo, nefa tsy nilaza mivantana izy hoe hovonoina ho faty izy ireo. Nahoana? Hoy izy: ‘Tsy nolazaiko taminareo izany tamin’ny voalohany, satria mbola teo aminareo aho.’ (Jaona 16:4) Nampitandrina azy ireo kosa izy satria efa handeha. Nety ho nanampy azy ireo tsy hiala tamin’ny finoana izany, tatỳ aoriana.

Hoy ihany i Jesosy: “Ho any amin’ilay naniraka ahy aho, kanefa tsy misy manontany ahy ianareo hoe: ‘Ho aiza ianao?’ ” Efa nanontany azy an’izay halehany izy ireo tamin’io hariva io. (Jaona 13:36; 14:5; 16:5) Niresaka fanenjehana anefa i Jesosy ka taitra be izy ireo ary izay no nibahana tao an-tsainy. Tsy vitan’izy ireo intsony àry ny nanontany momba ilay voninahitra ho azon’i Jesosy na izay ho vokatr’izany eo amin’ny tena mpivavaka. Hoy i Jesosy: “Vonton’alahelo mantsy ny fonareo noho ny nilazako izany taminareo.”—Jaona 16:6.

Hoy i Jesosy avy eo: “Mahasoa anareo ny fandehanako, satria tsy ho tonga aminareo mihitsy ny mpanampy, raha tsy mandeha aho. Fa raha mandeha kosa aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo izy.” (Jaona 16:7) Tsy hahazo ny fanahy masina ny mpianany raha tsy maty sy mankany an-danitra i Jesosy. Ho afaka handefa an’io mpanampy io ho an’ny mpianany eran-tany izy amin’izay.

“Hanome porofo hampiaiky an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana” ny fanahy masina. (Jaona 16:8) Hiharihary hoe tsy mino an’ilay Zanak’Andriamanitra izao tontolo izao. Hiakatra any an-danitra i Jesosy ka ho voaporofo tanteraka fa marina izy ary meloka i Satana, “ilay mpitondra an’izao tontolo izao.”—Jaona 16:11.

Hoy ihany i Jesosy: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny.” Ho takatry ny mpianany anefa ny “fahamarinana rehetra” rehefa homeny fanahy masina izy ireo. Ho hain’izy ireo koa ny hampihatra an’izany.—Jaona 16:12, 13.

Nilaza koa i Jesosy hoe: “Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy intsony ianareo, ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo.” Gaga ny mpianany ka nifanontany ny dikan’izany. Fantatr’i Jesosy fa te hanontany izy ireo ka hoy izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa hitomany sy hidradradradra ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho ory ianareo, nefa hovana ho fifaliana ny fahorianareo.” (Jaona 16:16, 20) Novonoina i Jesosy ny ampitso tolakandro, ka faly ny mpitondra fivavahana fa ory kosa ireo mpianatra. Natsangana tamin’ny maty anefa i Jesosy ka niova ho fifaliana ny fahorian’izy ireo. Vao mainka faly izy ireo rehefa nomeny fanahy masina.

Noharin’i Jesosy tamin’ny fijalian’ny vehivavy efa hiteraka ny nanjo ny apostoly. Hoy izy: “Manam-pahoriana ny vehivavy rehefa tonga ny fotoana iterahany. Tsy tsaroany intsony anefa ny fahoriany rehefa teraka izy, satria faly izy fa nisy olona nateraka eto an-tany.” Nampahery azy ireo i Jesosy hoe: “Ory koa ianareo ankehitriny, nefa mbola hahita anareo indray aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy hanala aminareo izany fifaliana izany.”—Jaona 16:21, 22.

Mbola tsy nangataka zavatra tamin’ny anaran’i Jesosy ny apostoly. Nilaza anefa i Jesosy fa ‘hangataka amin’ny anarany’ izy ireo. Tsy hoe satria tsy te hanome anefa ny Ray. Hoy mantsy i Jesosy: ‘Tia anareo ny Ray, satria ianareo efa tia ahy’, izay “solontenan’ny Ray.”—Jaona 16:26, 27.

Nampahery ny tenin’i Jesosy, ka izay angamba no nahatonga ny apostoly hafana fo hilaza hoe: “Izany no inoanay fa avy tamin’Andriamanitra ianao.” Nisy fitsapana tsy ela taorian’izay, ka izany no nahitana raha nino tokoa izy ireo. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana, eny, efa tonga tokoa ny fotoana hanaparitahana anareo ho any amin’izay misy anareo avy, ary hilaozanareo ho irery aho.” Nanome toky anefa izy hoe: “Nilaza izany taminareo aho mba hanananareo fiadanana amin’ny alalako. Eo amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jaona 16:30-33) Tsy nanary azy ireo i Jesosy. Natoky izy fa handresy an’izao tontolo izao koa izy ireo, raha manao ny sitrapon’i Jehovah foana na dia taomin’i Satana sy ny tontolony hivadika aza.